Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

14 Mey 2021

Tantara tamin'ny 14 Mey 2021

Mivantana ny 20 May : Izay ambaran'ny Eurovision amintsika momba an'i Eorôpa

Inona no ambaran'ilay Fifaninanana Hira Eurovision momba ny pôlitika, ny sary omeny ny tenany ary ny soatoavin'i Eorôpa? Miaraha aminay amin'ny 20 May hahitanareo azy. Anasongadinana ireo antsafa nifanaovana tamina mpifanintsana roa amin'ny andiany ho an'ity taona ity!

Polisy ao Amerika Latina: mitifitra hamono, lova navelan'ny fakàna tàhaka ny fiainana miaramila

Taorian'ireo andiana fihoaram-pefy, takian'ny vahoaka ny hisian'ny fanaovaozana. Afaka hiala amin'ny kolontsaina efa nifàka lalina nakàny tàhaka ny fomban'ny miaramila ve ny pôlisy ao Amerika Latina?

Mpikatrok'i Hong Kong nodidiana higadra noho ny fiaraha-mahatsiaro tamin'ny taona 2020 ny famonoana tao an-kianjan'ny Tiananmen

Nivory hahatsiarovana ny famonoana teo an-kianjan'ny Tiananmen tamin'ny 4 jona ny Hongkongers hatramin'ny taona 1990. Manamarika ny didim-pitsarana fa izay rehetra mbola mandray anjara amin'ny fiaraha-mahatsiaro amin'ity taona ity dia mety hoampangaina ho nanao fivoriana tsy araka ny lalàna.