- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitady soba toniandahatsoratra miteny anglisy any Azia-Pasifika ny Global Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka

 

Pikantsary avy amin'ny horonantsary nalaina tamin'ny 25 Janoary 2015, tamin'ny Vovonana  Global Voices 2015 tany Cebu, Filipina. Lahatsary avy amin'ny Global Voices sy PR Works.

Mitady toniandahatsoratra mpanampy hiasa any Azia-Pasifika hisahana ny famoahana tantara nosoratana na nadikan'ny mpandray anjara amin'ny teny Anglisy ny Global Voices (GV).

GV stories focus on topics such as internet culture, freedom of speech online, technology and digital rights, human rights, civics and political movements, diversity and representation, and language diversity.

Ny tantaran'ny GV dia mifantoka amin'ny lohahevitra toy ny kolotsain'aterineto, fahalalahana miteny anjotra, ny teknolojia sy ny zo nomerika, ny ​​zon'olombelona, ​​ny hetsika sivika sy politika, ny fahasamihafana sy ny fisoloantena ary ny fimaroana amin'ny fiteny.

Mpilatsaka an-tsitrapo ny ankamaroan'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ary mety tsy ny teny Anglisy no fitenin'izy ireo. Anisan'ireo mpandray anjara ny mpanao gazety, mpisolo vava, mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, dokotera, mpahay siansa, mpandika teny ary ny asa maro hafa, ary ireo fampitam-baovao mpiara-miasa amin'ny GV ihany koa.

Ny andraikitry ny soba toniandahatsoratra:

Ireo kandida mahomby amin'ny lahasa dia:

Ireo kandida hofidina:

Fikambanana manerantany virtoaly ny Global Voices. Ny ekipan'ny toniandahatsoratra miasa tapak'andro [2] no motera mampihodina ny efitrano famoaham-baovao Global Voices izay miara-miasa amin'ireo mpandray anjara sy mpandika teny mpilatsaka an-tsitrapo eran'izao tontolo izao mba hanasongadinana ireo tantara sy fomba fijery izay tsy aseho amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra iraisam-pirenena.

Mifanaraka amin'ny oran'ny faritra eo anelanelan'ny UTC / GMT + 3 sy UTC / GMT + 10 ny fepetra ara-jeografika mifandraika amin'ity tolotrasa ity ankehitriny sy amin'ny hoavy. Aza hadinoina fa tsy manana birao na foibe hita maso ny Global Voices. Tokony mahay mandamina tsara ny fandaharam-potoanan'izy ireo manokana ary miasa amin'ny tontolo virtoaly feno sy vonona ny hanao dia iraisam-pirenena ireo kandida.

Raisinay antanandroa ny kandida avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana ary mandrisika ny olona mpandray anjara ao amin'ny tetikasa Global Voices izahay mba handray anjara.

Antenaina hiasa tapak'andro araka izay ora maha-mety azy ny toniandahatsoratra mpanampy, ary horaisina ho toy ny mpiasa tsy miankina.

Raha handray anjara:

Mandefasa CV amin'ny mailaka sy taratasy filazalazana ny fahavitrihanao amin'ny teny Anglisy izay manasongadina ny asanao ary manazava ny antony mahatonga anao ho ilay kandida mendrika hiasa ato amin'ny Global Voices amin'ny jobs@globalvoices.org [3], miaraka amin'ny lohahevitra: Global Voices Subeditor: [ny anaranao]. Amin'ny 11:59 ora alina ora ATSINANANA (GMT -4) ny 31 Mey 2021 ny fe-potoana farany fandraisana anjara.