Nanao fanangonam-bola handoavana ny onitra fanalam-baraka ho an'ny PM Lee Hsien Loong ireo bilaogera any Singapaoro

 

Bilaogera Roy Ngerng (ankavia) sy Leong Sze Hian (ankavanana). Sary: Facebook

Bilaogera Singapaoreana roa no nahavita nanao fanangonam-bola ho onitra fanalam-baraka ho aloany amin'ny Praiminisitra ao amin'ny firenena Lee Hsien Loong.

Ny 24 martsa lasa teo, meloka tamin'ny resaka fanalam-baraka ny Praiminisitra Lee ilay bilaogera sady mpanolotsaina ara-bola, Leong Sze Hian noho ny fizarana lahatsoratra tao amin'ny Facebook tamin'ny taona 2018, izay nampifandray ny lahatsoratra iray milaza ny naha voaroiroy ny mpitondra Singapaoreana amin'ny raharaha kolikoly iray tao Malezia.

Nesorin'i Leong ilay lahatsoratra saingy mbola nitory azy tamin'ny fanalam-baraka ihany i Lee. Nasain'ny fitsarana nandoa vola mitentina $ 133.000 S$ (100.300 USD) i Leong. Nanosika an'i Leong hanao fanentanana tamin'ny fanangonam-bola izany ka nahombiazana satria voavory tao anatin'ny 11 andro monja.

Nanome aingam-panahy ilay bilaogera namany Roy Ngerng ny fahombiazan'i Leong tamin'ny fanangonam-bola handoavana ny onitra fanalam-baraka ho an'i Lee. Tamin'ny taona 2014, nampangain’ Roy i Lee ho nanodina ny kitapom-bolan'ny Central Provident, tahirim-bola federaly fiarovana ara-tsosialy hitsinjovana ny beantitra. Niala tsiny tamin'ilay bilaoginy i Roy tatỳ aoriana, saingy nandà ny fialan-tsininy i Lee, ary niampanga azy ho nanala baraka.

Tamin'ny 17 Desambra 2015, nandidy an'i Roy handoa vola mitentina S$ 150,000 ( 113,130 dolara) ny Fitsarana Tampony noho ny fahavoazana nahazo an'i Lee. Nifampiraharaha izy mba handoavana ny onitra isam-bolana ary, toa an'i Leong, dia nanao fanentanana fanangonam-bola ka nahatratra ny tanjony tao anatin'ny valo andro monja.

Nanasongadina ny fanenjehana natrehin'ireo mpitsikera ny raharahan'i Leong sy i Roy, anisan'izany ny olom-pirenena tsotra, izay maneho hevitra maningana amin'ny sehatra an-tserasera. Saingy manondro faniriana hiarovana misimisy kokoa ny fahalalahana miteny ny fahombiazana tsy nampoizina tamin'ny fanentanana fanangonam-bola nataon'ireo bilaogera anankiroa.

“Fahagagana tamin'ny Alahadin'ny Paska”

Nahatratra ny tanjony tamin'ny fanangonam-bola i Leong tamin'ny 4 Aprily, ka nahatonga  ny fahombiazany nantsoina hoe ilay “fahagagana tamin'ny Alahadin'ny Paska”. Olona maherin'ny 2000 no nanohana ny fanentanany. Nosoratany tao amin'ny Facebook ireto andalana ireto, miresaka momba ny tolona ara-pitsarana natrehany nandritra ny roa taona:

All I did was just a Facebook share
Without any comment a share that was bare
And on my 65th birthday came the biggest scare
To fight not did I dare
But with each passing day so many care
Asking for a clear air
For what is right and fair
Freedom and speech are an inseparable pair
Which so sadly here is so rare
A badge of honour forced to wear
The oppression that we must tear
However long and hard the affair
The fear must go away everywhere
So that our children will never ever fear to go there

Fizarana Facebook fotsiny no nataoko
Tsy nisy fanamarihana, fizarana tsotra
ary tonga ny tahotra lehibe indrindra tamin'ny faha-65 taonako
Tsy sahy niady aho
Saingy isan'andro miezaka
Mangataka rivotra madio
Ho an'ny rariny sy ny hitsiny
Tsy afa-misaraka ny fahalalahana sy ny fitenenana
Izay mampalahelo fa tena tsy fahita firy eto,
Terena ny mari-boninahitra hitondra
Ny famoretana tsy maintsy ho potehintsika
Na ho lava sy sarotra aza ny toe-draharaha
Mila foanana hatraiza hatraiza ny tahotra
Ka tsy hatahotra ny zanatsika handeha ho ao

Novelominy indray ny fanentanana fanangonam-bola rehefa reny fa nikasa ny hitaky ny fanonerana ny lany tamin'ny fitsarana mitentina 130,000 $ (98.000 USD) i Lee, izay midika fa mila mandoa ny ampahefatry ny iray tapitrisa dolara noho ny fizarana lahatsoratra tao amin'ny Facebook i Leong.

Fanentanana fanangonam-bola ho fifandanana

Very asan'i Roy tao amin'ny hopitaly i rehefa tratran'ilay fitoriana tamin'ny fanalam-baraka. Lasa nankany Taiwan izy rehefa tsy nahita asa. Midika ny fahombiazan'ny fanangonam-bola nataony fa afaka miverina any Singapaoro izy nefa tsy manahy ny ho bankirompitra.

Up until a week ago, it felt like this, that I would never be able to return home to Singapore, for fear of the defamation suit and threat of bankruptcy hanging over my head.

But over the last week, you have rallied together and helped make it possible for me to return again. I am so grateful.

Hatramin'ny herinandro lasa izay, nihevitra aho fa tsy ho afaka ny hody any Singapaoro mihitsy, noho ny tahotra fitoriana fanalam-baraka sy ny fandrahonana ho bankirompitra.

Saingy tamin'ny herinandro teo dia niara-nivory ianareo ary nanampy tamin'ny fanantaterahana ny fiverenako indray. Tena feno fankasitrahana aho.

Olona manodidina ny 2.122 no nandray anjara tamin'ny fanentanana nataon'i Roy ary mbola mitohy hatrany ny fanomezana, na dia efa nahatratra ny tanjony aza izy. Nivoady izy na hamerina ireo fanomezana mihoatra na hanolotra izany ho an'i Leong sy ireo mpanao gazety hafa izay miatrika fiampangana fanalam-baraka ihany koa.

Nolazainy taminay fa midika ny fahombiazana tamin'ny fanentanana fanangonam-bola fa olom-pirenena maro no tsy faly amin'ny fanenjehana ireo mpitsikera sy ny mpikatroka:

People who joined in the crowdfunding movement did so for various reasons, but the consistent theme is that they no longer want to see people who speak up or raise questions on important issues be sued or charged simply for doing so.

There is lesser tolerance for such high-handed oppressive actions, and the government's [continued use of] legal tools for political persecution will ultimately backfire on them, when Singapore's citizens view the government as silencing debate, instead of being willing to engage in the concerns of Singaporeans.

As Singapore becomes more and more unequal and poverty rises, people want debates on these issues, as well as answers and solutions to them. They are beginning to realize that the persecution of activists, journalists and members of the opposition is counter-productive to developing effective conversations and policy solutions, and increasingly understand that the government's use of legal tools to quell dissent has instead curtailed the space available for critical discourse.

Nanao izany noho ny antony maro samihafa ny vahoaka nanatevin-daharana ny hetsika fanangonam-bola, fa ny tena mivaingana dia ny fanirian'izy ireo tsy hahita intsony ireo olona mampiaka-peo na manontany momba ny lohahevitra lehibe ho toriana na hampangaina fotsiny noho ny fanaovany izany.

Kely kokoa ny fandeferana amin'ny hetsika famoretana avy any ambony toa izany, ary hifotitra amin'izy ireo amin'ny farany ny fampiasan'ny governemanta ny fitsarana ho fitaovana [mitohy] ho fanenjehana ara-politika, rehefa hitan'ny olom-pirenena Singapaoreana fa manapim-bava ny adihevitra izy ireo, fa tsy vonona ny hamaha ny olan'ny Singapaoreana.

Rehefa mitombo ny hantsana eo amin'ny Singapaoreana ary mirongatra ny fahantrana dia mila adihevitra momba izany ny vahoaka, ​​ary ny valiny sy ny vahaolana amin'izany ihany koa. Manomboka mahatsapa izy ireo fa mifanohitra amin'ny fampandrosoana amin'ny alàlan'ny resaka mahomby sy vahaolana politika ny fanenjehana ireo mpikatroka, mpanao gazety ary mpikambana ao amin'ny fanoherana, ary vao maika mahatonga azy ireo hahatakatra fa mampihena ny sehatra malalaka hanaovana fitsikerana ny fampiasan'ny governemanta ny fitsarana ho fitaovana mba hampanginana ny tsy fitovian-kevitra.

Nampiany fa azo adika ho toy ny “endrika fifandanana kinendry” iray ny fanangonam-bola enti-manohitra ny tetika henjana ataon'ny governemanta amin'ny olona mitsikera:

The democracy movements across Asia are also [making] Singaporeans [more sensitive] to the understanding that democracy can bring about better social changes, and Singaporeans are gradually becoming more accepting of the need for some form of social resistance against the powers that be, in order to achieve social justice. The… crowdfunding movement is an example of such a form of targeted resistance against the government's financially based persecution method against individuals.

Ny hetsika demaokrasia manerana an'i Azia no [mahatonga] ny Singapaoreana [hahatsapa kokoa] fa afaka mitondra fanatsarana ara-tsosialy bebe kokoa ny demaokrasia, ary miha manaiky tsikelikely ny Singapaoreana fa ilaina ny endrika fifaharana ara-tsosialy sasany anoherana ny fahefana mba hahatrarana ny rariny ara-tsosialy. Ny… fandraisana anjara amin'ny hetsika fanangonam-bola no ohatra iray amin'ny fanoherana kinendry iray iadiana amin'ny fomba fanenjehan'ny governemanta ny olona tsirairay amin'ny alalan'ny resa-bola .

Nampandre an'i Lee sy ny fitsarana ny ekipan'i Roy fa haloany indray mandoa ny ambin'ny onitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.