- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Orambe vao mainka manavesatra ny fiantraikan'ny volkano La Soufrière ao St. Vincent sy ao Grenadines

Sokajy: Karaiba, St. Vincent & the Grenadines, Mediam-bahoaka, Siansa, Tontolo_iainana, Voina, Vonjy Voina
[1]

Rihitra mikoriana avy ao amin'ny La Soufrière. Sary [1] an'i Dave Brown ao amin'ny Flickr; CC BY-NC-ND 2.0 [2].

Sahala amin'ny hoe tsy ampy ny fipoahana [3] volkano [4] efa misy amin'izao fotoana izao [5]  sy ny firarahan'ireo lavenona [6] eraky ny faritra avy ao amin'i La Soufrière [7], fa dia miatrika tondradrano sy fihotsahan'ny tany mampididoza indray izao ireo vahoaka ao St. Vincent sy Grenadines, vokatry ny orambe nivatravatra tamin'ny 29 Aprily [8].

Arakaraky ny fanatonan'ny vanimpotoanan'ny rivomahery 2021 ao amin'ny Atlantika [9], mety vao mainka hiharatsy ny fihotsahana ateraky ny lahars [10]—fotaka mandrevo avy amin'ny volkano. Ireo faika matevina sy poti-javatra vôlkanika taterin'ny lahars, izay afaka mikisaka malaky be mankeny amin'ireo lemaka iva fihandronan'ny rano, dia mety hanimba trano [11], handrakotra tany midadasika fanaovana fambolena ary hanentsina ireo renirano sy riandrano madinika, hiteraka tondradrano mahavoa faritra maro:

Fihotsahan-tany goavana ao amin'ny morontsiraky ny faritra mando Wallibou, St. Vincent vokatry ny lahars tamin'ny 29.04.21
Sary: Richard Robertson, UWI-SRC@VincieRichie [12] #lasoufriere [13] #LaSoufriere [14] #svg [15] #uwi [16] #stilldangerous [17] #lasoufriereeruption2021 [18] #TeamSRC [19] #redalert [20] #volcano [21] #uwiseismic [22] pic.twitter.com/5tuV0sd63W [23]
— UWISeismic Research (@uwiseismic) 29 Aprily 2021 [24]

Mamely ireo faritra [25] manakaiky ny ilany atsimo [26] amin'ny nosy ny fihotsahan'ny tany sy ny tondradrano, isan'izany i Kingstown, renivohitra. Ao amin'ny Facebook, Lennox Lampkin, izay mipetraka tena akaiky kely an'ilay volkano, no nanamarika hoe [27]:

Eny amin'ireo làlana tsy voasoroka no tena henjana ny tondradrano satria […] voabahan'ireo fasika vôlkanika matevina ireo tatatra fitsihan'ny rano.

Ankoatra izay, tsikariny fa [28]:

[R]aha azo ferana ho anatin'ny faritra mena ny lahars, ireo tondradrano kosa dia hanerana ny firenena ary mety, [raha ny marina] hiantraika be lavitra amin'ny ilany atsimo raha oharina amin'ny avaratra. Ireo faritra tena be mponina dia mety hahita ny arabe any aminy hivadika ho renirano mamotaka.

Marobe ireo lahatsary zarain'ny olompirenena mpanao gazety mampiseho ireo vokadratsy mampalahelo:

Tondradrano ao Kingstown.
(Tsy ahy ny lahatsary)pic.twitter.com/Qw4G20ytO7 [29]

— Lavern King ?? (@Lavern_King) 29 Aprily 2021 [30]

Ny National Emergency Management Organisation (NEMO)- sampan-draharaha misahana ny fitantanana ny hamehana – dia namoaka fanambaràna an-gazety [31] tamin'ny 27 Aprily, nanamarihany fa misy lahars mampididoza voalazan'ny tatitra any amin'ireo faritra mena sy volomboasary, ary lasa manahirana ny fivezivezen'ny mponina, indrindra fa andrasana ny mety ho mbola fitohizan'ny orambe mandritra ny fiafaran'ny herinandro.

Marobe ireo olona mipetraka amin'ireny faritra ireny no nilaza [32] fa “maratra anaty” ry zareo noho ny tsy fahafahan-dry zareo mody an-trano.

Na ny University of the West Indies Seismic Research Centre, na ilay mpahay manokana ny volkano, Dr. Jenni Barclay, anefa dia samy nanitrikitrika ny loza:

Miova ny zavatra rehetra.
Indrindra fa rehefa miasa ao amin'ny#LaSoufriere [14]
Niaraka niasa tamin'ny @uwiseismic [35] ao Wallibou izahay tamin'ny Alatsinainy (havia), ary androany koa (havanana). Aza tsinontsinoavina velively ny herin'ny lahar #stilldangerous [17] pic.twitter.com/ZzfiEz929L [36]

— ProfJenniBarclay (@VolcanoJenni) 30 Aprily 2021 [37]

Mampiseho ny haben'ny fahavoazana ireo lahatsary marobe nivoaka tao anatin'ny tambajotra sôsialy:

Miaraka amin'ny orana, miampy ny loza mety hitranga. Misy tatitra milaza androany maraina fa nisy feo nivoaka avy tao amin'ny  #LaSoufriere [14]. Na nisy fipoahana mahery, na fitosahana fotsiny, ny fotoana no hilaza izany. pic.twitter.com/6CGKAn04oA [38]

— Heidi Badenock ?? (@heidibadenock) 29 Aprily 2021 [39]

Mamiondrà fo Andriamanitra ô pic.twitter.com/xA592IEgh9 [40]

— Heidi Badenock ?? (@heidibadenock) 29 Aprily 2021 [41]

Ny dona goavana tsy maintsy natrehan'ny firenena nandritra ireo herinandro vitsy farany dia nitarika ireo mpisera sasany hanontany tena hoe hatraiza no fara-fahazakàn'izy ireo an'izany:

Ry zalahy, izahay aty #Vincy [45] dia lelafin'ny #afo [46] #lavenona, [47] ary amin'izao fotoana izao #rano [48]. #orana [49] mampijaly anay. #svg [15] #april2021floodsvg [50] #StVincentAndTheGrenadines [51] #LaSoufriere [14]

— Bettie Jn. Baptiste (@hazeanelka) 29 Aprily 2021 [52]

Niteraka fisiana Lahars (fihetsehana malaky be, fangarom-bato mavesatra, lavenona&zavamaniry) ny orambe nandritry ny alina tao Saint Vincent & Grenadines , izay marihitra toy ny ranon-tsimenitra mbola mando no sady afaka hiteraka fahavoazana henjana be. Vao mainka hampitombo ny dona ara-tsaina mahazo ny mponina ao SVG io.#SVG [53] #LaSoufriere [14] #volcano [21] #trauma [54] https://t.co/zts0tmllK3 [55]

— ACEs Caribbean Community (@AcesCaribbean) 29 Aprily 2021 [56]

Mandalo sedra hoe hatraiza no mafy toto ny firenena, ary ny vokadratsy manao randran-tarika avy amin'ilay fipoahana volkano dia nisy fiantraikany ratsy [57] tamin'ny fambolena sy ny biby fiompy [58], misy ny ahiahy momba ny tahirin-tsakafo [59] ho an'i St. Vincent, hatramin'ny ho fahaveloman'ny [60] fiainana anaty ala [61] ao aminy, isan'ireny ireo boloky [62] zanatany [63] ao St. Vincent.

Kanefa, ny sampandraharaha misahana ny ala ao amin'ny firenena dia tsy tapaka  mamatsy sakafo [64] an'ireo sehatra isankarazany natao hamahanana voronkely any anatin'ny faritra volomboasary. Nampanao [65] fanombanana teny an-kianja ihany koa ry zareo momba ireo toeram-ponenana fototra any an'ala, tsy hoe fotsiny ho an'ireo boloky zanatany ao St. Vincent, fa koa ho an'ireo karazana zavamaniry sy biby [66] hafa tsy fahita afa-tsy ao an-toerana, ary nandrisika ny vahoaka mba handray anjara amin'io ezaka ataony io amin'ny fandefasana tatitra raha mahita vorona na biby toa mivalaketraka.

Na noheverina [67] ho toy ny “farandro” aza ny fiantraikan'ny fipoahan'ny La Soufrière,  nandefa sary iray i @uwiseismic tao amin'ny  Twitter, izay nifantoka bebe kokoa tamin'ny fizakàn'ny firenena ny zavamisy:

Sarin'ny androany. Lemaka iray ao amin'ny sisin'i Leeward ao SVG nizaka ny fipoahan'ny La Soufriere amin'izao fotoana izao. Na eo aza ny faharavàna, mbola misy tsimoka maitso mijoro hatrany manoloana ny setrasetran'ilay volkano. Miaraka amin'ny fotoana, hiverina ho toy ny taloha ny faritra. Sary an'i @VincieRichie [12] pic.twitter.com/B1cA5RaLpx [68]

Ao anatin'izany koa, ireo kintan'ny fialamboly ao amin'ny faritra, toa an'i Rihanna [70], izay teratany avy any Barbados;  Sean Paul sy Buju Banton, [71] avy any Jamaika ary Nicki Minaj, izay manana razambe avy any Trinidad&Tobago, dia hanao fampisehoana kaonseritra virtoaly amin'ny 23 May [72] ka tanjona amin'izany ny hanangonana ireo vola ilaina ho an'i St. Vincent & Grenadines. Ny Oniversite ao Antilles ihany koa dia nandrindra [73] ezaka fanangonana vola tamin'ny fampiasana ny tenifototra #RallyRoundSVG [74].

Mandritra izany fotoana rehetra izany, mitohy mivoatra ihany [75] i La Soufrière, ary tohizan'ireo mpahay siansa ny fandraketana [76] ireo fiantraikan'ny fihetsehany—isan'izany ny  fipoahana iray [77] tamin'ny 22 Aprily, Andron'ny Tany [78]

#LaSoufriere [14] #mbolamanetrokamampididozafoana [17] na dia 3 volana & 9 andro aty aorian'ny nihetsehany aza, 13 andro nipoahana ary 8 andro nilamina…niverina natory ve? @DormantGroup [79] @uwiseismic [35] @soufriere_hills [80] #TeamSRC [19] pic.twitter.com/wThqWobMYp [81]

— richard robertson (@VincieRichie) 30 Aprily 2021 [82]

Tsy misy mahafantatra izay ho ataon'ny La Soufrière manaraka eo, na olona iray aza—eny fa na dia ireo mpahay momba ny volkano izay nandinika ny fivoarany hatrany alohan'ilay fipoahana tamin'ny 9 Aprily [83] aza— saingy eken'ny rehetra fa  #mbola mampididoza izy [84].