Taiwan, ‘toerana mampidi-doza indrindra eto an-tany'? Tsy izany, hoy ny Taiwaney

Valintenin'ny Filoha Taiwaney Tsai Ing-wen tamin'ny The Economist. Sary avy amin'ny Twitter an'i Tsai.

Niteraka fanehoan-kevitra mahery tao amin'ny Twitter Taiwaney ny fonomboky momba ny tantaran'i Taiwan ao amin'ny Gazety britanika The Economist tamin'ity herinandro ity, izay nahatalanjona ireo mpikirakira marobe ny lohateny hoe “Taiwan: Ilay toerana mampidi-doza indrindra eto an-tany.”

Ny tantaran'ny Economist dia mifantoka amin'ny fifanolanana misy eo amin'i Etazonia sy i Shina ary manoritsoritra ny nosy manjaka tena ho kianja filalaovan'ny fifandrafiana.

Mpikirakira maro no nitsikera an'ity safidy fandrafetan-joro ity:

Andraso AHOOOANA ????
Voalohany, afa-mametraka ve aho “nitombo sy niaina ao amin'ny toerana mampidi-doza indrindra teto ambonin'ny tany tao anatin'ny 23 taona” ao amin'ny CV-ko?
Faharoa, oay e, isaorana ianareo nametraka ny hoavin'i Taiwan eo ampelatanan'i Etazonia sy Shina. *Tena* mampanome antoka indray tokoa.

Economist hajaina, tena tsy toerana mampididoza indrindra eto an-tany velively i Taiwan. Ny marina, eo ankilan'ny firenena atahorana indrindra eto amin'izay rehetra izao i Taiwan.

Manadrohadro ny hafa:

Mitovy hevitra tanteraka amin'ny The Economist aho. Taiwan no toerana mampididoza indrindra eto ambonin'ny tany raha miezaka ny hampihena lanja ianao.

Nisioka fihetseham-po ihany koa ny filoha Taiwaney Tsai Ing-wen tamin'ny 30 avrily, nilaza fa “eny amin'ny lohalaharana amin'ny demaokrasia manerantany” i Taiwan:

Taiwan stands on the front lines of democracy worldwide. As long as the people of Taiwan remain united and uphold our core values while responding prudently to regional developments, we can overcome the challenges posed by authoritarian expansion. I trust that our like-minded partners, having seen the risks involved, will rise to this challenge and work together to maintain peace and prosperity in the Indo-Pacific.

Eny amin'ny lohalaharana amin'ny demaokrasia manerantany i Taiwan. Raha mbola miray hina sy manandratra ny soatoavinay fototra ny vahoakan'i Taiwan raha mamaly amim-pitandremana ny fivoarana ara-paritra dia afaka mandresy ireo fanamby ateraky ny fiitaran'ny tsirefesimandidy. Matoky aho fa raha nahita ny loza mety hitranga ireo mpiara-miombon'antoka mitovy loha aminay, dia hiakatra ho any amin'ity fanamby ity ary hiasa miaraka hikojakojana ny fandriampahalemana sy ny fanambinana ao Indo-Pasifika.

Mihoapampana ny lohatenin'ny tantara fa tena misy tokoa ny fandrahonana ara-tafika. Milaza ho manana ny fiandrianam-pireneny ao  Taiwan i Shina nanomboka ny taona 1949, rehefa resin'ny ady an-trano shinoa ny Kuomingtang ary nandositra nankany amin'io nosy io. Hatramin'ny nifidianana an'i Tsai Ing-wen, avy amin'ny Antoko Firosoana Demaokratika mpanohana ny fahaleovantena, tamin'ny taona 2016, dia nampitombo avo roa heny ny fomba fikabariana nasionalista i China, ary nalaza tsy nisy toa izany ny teny filamatra “avondrona an-kery i Taiwan” [fr] — ary tena nihanatetika tokoa ny fanazaran-tena sy sarinady miaramila manerana ny andilan-dranomasina.

Efa ela i Etazonia no nandray ny politika “teti-panorona tsy hita be ihany” momba an'i Taiwan, izay anomezana fanohanana ara-politika sy ara-tafika ny nosy nefa tsy nampanantena ampahibemaso fa hiaro azy amin'ny tranga fanafihana ataon'i Shina. Saingy amin'izao fitondran'ny filoha Joe Biden izao, maro ny manampahefana amerikana niantso fiarovana ankarihary an'i Taiwan.

Tamin'ny 14 aprily, mialoha ny fitsidihan'ny irak'i Etazonia an'i Taiwan, nandefa fiaramanidina miaramila miisa 24, ao anatin'izany ireo fiaramanidina mpiady sy afa-mandatsaka baomba nokleary, ho ao amin'ny fari-piarovana an'habakabak'i Taiwan i Shina. Nanoritra ny biraon'ny raharaha Taiwan ao amin'ny filankevi-panjakana ao Beijing fa ny hetsika miaramila dia natao hanehoana ny fahavononan'i Beijing hanakana ny fahaleovantenan'i Taiwan.

Roa andro taty aoriana, tamin'ny antsafa manokana nifanaovana tamin'ny Associated Press, nanao fampitandremana an'i Etazonia amin'ny filalaovana ny “karatra Taiwan” ny Minisitra lefitra ao Shina misahana ny raharaham-bahiny Le Yucheng. Teny an-tselika nataony fa misokatra amin'ny fampiasana hery miaramila i Shina:

China firmly opposes any form of official engagement between the United States and Taiwan. Whether low-level or high-level, official engagement is what we firmly oppose. The United States should not play the “Taiwan card”. It is dangerous. The one-China principle is China's red line. […] We are prepared to do everything we can for peaceful reunification. That said, we don't pledge to give up other options. No option is excluded.

Toherin'i Shina mafy dia mafy ny endrika firosoana ofisialy ifanaovan'i Etazonia sy i Taiwan. Na iva lenta io na avo lenta, ny firosoana ofisialy no tena toherinay mafy. Tsy tokony hilalao ny “karatra Taiwan” i Etazonia. Mampidi-doza izany. Ny fotokevitra Shina-tokana no tsipika (faritra) mena an'i Shina. […] Efa vita fiomanana izahay hanao izay rehetra azonay atao ho amin'ny fampitambarana indray am-pilaminana. Raha milaza izany izahay, dia tsy milaza fa hitsahatra amin'ny safidy hafa. Tsy misy safidy hafa hoesorina.

Na dia tena misy tokoa aza ny fandrahonana avy any Shina, misy ireo mahita fa ny fanoritsan-joron'ny tantaran'i The Economist dia akon'ny tetikady fampitahorana ampiasain'i Shina, sady manaratsy toerana an'i Taiwan ihany koa:

Tsy manampy an'i Taiwan ity tahotra mampisefosefo, fiakaran'ny fandrahonana, ary ny fanekena ny lahatra efa hihoatra ny mety ity

Ny hafa kosa nanentana an'i Taiwan hamolavola rafitra diplaomatika mahazaka mijoro manoloana ny fandrahonana ataon'i Shina nefa tsy miankina amin'i Etazonia irery.

Nidera fatratra ny manampahefana ao amin-dry zareo ny olom-pirenena Taiwaney tamin'ny fifehezana ny valan'aretina COVID-19 – miisa 12 monja ny olona maty tao amin'ilay nosy hatramin'ny nanombohan'ny areti-mandringana. Nahitana fitomboana mihoatra ny 8 isanjato ny harinkarena faobe amin'izao vanim-potoana voalohany taona 2021 izao na dia teo aza ny sazy ara-toekarena ampiharin'i Shina sy ny sarinady miaramila miaraka amin'izany. Betsaka amin'ireo mpanao fihetsiketsika ao Hong Kong koa no nialokaloka tany Taiwan manoloana ny fanenjehana ara-politika ataon'i Beijing taorian'ny hetsi-panoherana fampodiana olona ho alefa any Shina tamin'ny taona 2019.

Nosoritsoritan'i @letsupupup izany sata (lahatsoratra) mifandaka izany amin'ny alalan'ny oha-pitenenana shinoa mahazatra azy ireo:

Ny toerana azo antoka indrindra no mampididoza indrindra eto an-tany.
Ny satan'i Taiwan no lakilen'ny fandriampahalemana manerantany
Tafiditra amin'izany i Shina

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.