- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitolona hanana zo ho afaka mifidy ireo pelaka any Salvadaoro

Sokajy: El Salvador, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Ny Tetezana - The Bridge
Une manifestante tient une pancarte géante représentant une carte d'identité, dont la partie "photo" a été découpée.

Diabe iray nanoherana ny fanavakavahana pelaka tao Salvadaoro tamin'ny 2019. Sary an'i Paula Rosales [1], nahazoana alàlana.

[Raha tsy asiana filazana mifanohitra: mankany amina pejy amin'ny fiteny espaniôla ny rohy rehetra ato anaty lahatsoratra.]

Ny 18 Febroary 2021 no nivoaka tamin'ny fiteny espaniôla ny lahatsoratra niaingàna [2].

Ny 28 Febroary no nikarakaran'i Salvadaoro ny fifidianana [3] [fr] solombavambahoaka, ny ben'ny tanàna sy ny fifidianam-paritra. Na misy aza ny fenitra napetraky ny lalàna mba hiantohana ny fahafahan'ny olompirenena lahy sy vavy mifidy ao Salvadaoro, mitohy ihany ny fanavakavahana an'ireo olona pelaka sy tsy lahy tsy vavy. Mba hanovàna izany, isan'ireo olona 14 LGBTQI noraisin'ny Fitsarana Avo misahana ny Fifidianana (TSE) aty Salvadaoro aho. Miady manohitra ny fanavakavahana izahay ary manao hetsika ho an'ireo olona pelaka, tsy lahy tsy vavy mba hahafahan'izy ireny mifidy ao Salvadaoro, amin'ny alàlan'ny fametrahana fandaharanasa fampiofanana any anatin'ireo biraom-pifidianana.

Ny tena sakana goavana ao Salvadaoro dia ny tsy fisian'ny lalàna iray mamaritra ny maripamantarana ny olona [4] izay tokony hahafahan'ireo olona nanova fananahana hanova koa ny anarany sy ny maripamantarana azy any anatin'ireo taratasy mombamomba azy. Manohintohina ny fahafahana misitraka ny marobe amin'ireo zo izany, toy ny fampianarana ny fahasalamàna, ny asa, ny fifidianana ary ny maro hafa.

Ohatra, ny karapanondro (antsoina hoe « Documento Único de Identidad » na DUI ao Salvadaoro), dia afaka ahitàna ny anarana sy ny maripamantarana tsy mitovy amin'izay lazain'ilay olona tompony.  Fialàna bàla [5] ampiasaina matetika io mba hanakànana ireo olona niova fananahana tsy ho afaka hifidy. Nandritra ireo fifidianana tany aloha, nosakanan'ny mpikambana ao anaty biraom-pifidianana, izay tomponandraikitra amin'ny dingam-pifidianana, tsy hahazo mandatsa-bato ireo olona niova fananahana, noho io antony io, izay tsy azo hamarinina araka ny lalàna akory. Araka ny voalazan'ny andininy faha 7 sy faha 9 ao amin'ny Lalàm-pifidianana [6] [pdf], ny maripamantarana ny olona iray dia sady tsy fepetra takiana, no tsy antony hanakanana olona iray tsy hifidy.

Carlos Lara, une jeune homme aux cheveux mi-longs, se tient devant un petit groupe, en pleine explication. Il tient à la main un fascicule.

Carlos Lara, mpanoratra, miresaka ny fahafahana mandeha mifidy ho an'ny olona LGBTQI, tao amin'ny ivontoerana iray fiofanana ao Jiquilisco, Usulután. Sary an'i Raul Benitez [7], mpanao gazety, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Ny fivavahana no fototra nipoiran'io fanavakavahana io. Eny, nisy tamin'ireo mpikambana tao amin'ny biraom-pifidianana heno milaza zavatra amin'ireo mpiaramiasa aminy, toy ny hoe : « Hàlan'Andriamanitra ny pelaka », « Lehilahy sy vehivavy no noforoniny » ary hatramin'ny hoe : « Ary ianareo, pédés, iza no nilaza fa manana zo ianareo ? ». Tsy isan'ny [8]lalàna eto amin'ity firenena ity ny baiboly, tena tsy azo ekena araka izany ny fampiasana io karazana fialàna bala io hamelezana ny vondrompiarahamonin'ireo LGBTQI sy ny zon'irey ireo hifidy.

Fa ny toetra feno fankahalàna pelaka sy ireo nanova fananahana dia manomboka vantany vao miditra ny biraom-pifidianana ny olona iray LGBTQI, ary indrindra fa hoe ireo nanova fananahana, ireo lehilahy pelaka “niova ho vehivavy” sy ireo vehivavy “niova ho lehilahy”, . Hehy, siotsioka, horakoraka na feno hafa manambany ary ompa no andraisana azy. Torahana rano, voankazo na legioma lò, ary tsy misy olona na iza na iza mihetsika manohitra izany. Tamin'ny 2014, vehivavy iray nanova fananahana, Stacy Araujo, niharan'ny herisetra ara-batana [9] tao anaty biraom-pifidianana notantaniny.

Tamin'ny 2014, nandeha nankany [10] San Marcos mba hifidy i Camila Portillo, vehivavy iray nanova fananahana, saingy nolavin'ny sekretera tao amin'ilay biraom-pifidianana ny hanome azy biletà. Taorian'ny nampandrenesany ireo fikambanana pelaka, izay nihetsika koa nanaitra ireo mpanaramaso iraisampirenena, izay izy vao afaka nifidy.

Ao  Salvadaoro, matetika ny vondrompiarahamonin'ireo pelaka no mizaka fanafihana mahery setra. « Raha kely indrindra dia 20 ireo vehivavy nanova fananahana – 16 hatramin'ny 32 taona – no maty nisy namono tao amin'io firenena io teo anelanelan'ny 2017 sy 2019 », hoy ny lahatsoratra iray tao amin'ny DW [11].

Une femme drapée dans un drapeau arc-en-ciel se penche sur un isoloir en carton marqué du logo de la Cour suprême électorale.

Vehivavy nanova fananahana, eo am-panatanterahana ny latsabatony tao amina biraom-pifidianana tao San Salvador. Sary an'i Raul Benitez [7], mpanao gazety, nahazoana alàlana.

Na misy ampahany amin'io vondrompiarahamonina io sahy manohy mijoro [12] hatrany aza, niaraka niasa tamin'ny Fitsarana Avo misahana ny Fifidianana ireo fikambanana LGBTQI mba hiantohana ny fahafahana mifidy ho an'ny vondrompiarahamonina LGBTQI. Volana maro talohan'ny fifidianana solombavambahoaka sy ben'ny tanàna tamin'ny 2018, vehivavy roa nanova fananahana no nokaramain [13]‘ny Fitsarana Avo misahana ny Fifidianana, niampy lehilahy roa pelaka mba hanofana ireo mpiasa. Nandritra ireo fifidianana tamin'ny 2019, nitombo ny isan'ireo mpampiofana, lasa efatra ambinifolo ilay efatra teo aloha. Ho an'ireo fifidianana ho avy, izay nofaritana ho ny 28 Febroary 2021, mbola olona 14 ihany izahay, ary anisany aho, ary miezaka izahay ny ho tonga any amin'ireo rehetra ivontoerana fanofanana  manerana ny firenena.

Un homme s'adresse à une dizaine de participants assis à des pupitres, venues se former sur l'accès au vote pour les personnes LGBTQI.

Iray tamin'ireo mpampiofana nokaramain'ny Fitsarana Avo misahana ny Fifidianana, lehilahy nanova fananahana, miresaka momba ny fahafahana misitraka ny zo hifidy ho an'ny vondrompiarahamonina LGBTQI, tao amin'ny ivontoerana iray fanofanana ao Cuscatlán. Sary an'ny mpanoratra ny lahatsoratra.

Mandritra ireny fanofanana ireny, betsaka ireo torohevitra omenay. Ohatra, na iray aza mpikambana ao anaty biraom-pifidianana dia tsy misy afaka handroaka olona iray nanova fananahana ka asaina miverina rehefa mitafy mifanaraka amin'izay maripamantarana nanondroana azy tao anaty karapanondrony. Tsy fanajàna izany, ankoatry ny maha-heloka azy: araka ny fampahatsiahivan'ny andininy faha 295 ao anaty Lalàna Famaizana Salvadoriàna [14] [pdf], voaràra ny manakana olona iray tsy hisitraka ny zony hahazo mifidy.

Tsy maintsy amarinina ihany koa hoe misoratra ao anaty lisi-pifidianana ilay olona ary raha toa mifanaraka amin'ny sary eo amin'ny taratasy momba azy ny endriny (tsy afaka hanova be ny endrika ny ankosotra, ary noho ny fanavakavahana any amin'ny asa, ny salan-karama raisin'ny olona iray nanova fananahana ao Salvadaoro dia tsy ampy hanatanterahany fandidiana hanova endrika). Mandritra ireo atrikasa fiofanana, ianaran'ireo olon'ny biraom-pifidianana ny fomba fandraisana ireo olona nanova fananahana arakaraky ny filazany ny momba azy eo (lahy na vavy), arahana fanajàna no sady misoroka ihany koa ny fitanisàna ny anarana voasoratra ao anatin'ny taratasy famantarana an-dry zareo.

Izany asa rehetra izany dia tohanan'ny Fanambarana Erantany Momba ny Zon'Olombelona [15] [fr] (and. 1, 2, 7) ; sy ny andininy faha 3 amin'ny Lalampanorenan'ny Repoblika [16], ary ny Lalàm-pifidianana ao Salvadaoro [6] izay miantoka ny fitoviana eo amin'ny olona rehetra no sady manindry fa na lahy na vavy dia zo sy adidintsika rehetra ny mifidy (and. 3, 4, 7, 9).

Deux journalistes, de dos, filment un membre du groupe sur leurs téléphones portables. Tous portent des masques blancs.

Ny mpanao gazety mametraka fanontaniana amina mpikambana iray avy amin'ny fiaraha-mientan'ireo  LGBTQI. Sary an'i Raul Benitez [7], mpanao gazety, nahazoana alàlana.

Na ohatra aza ka ananan'ny olompirenena tsirairay ao Salvadaoro ny fisitrahana ny zo ho afaka mifidy, ary na nanakarama olona LGBT aza ny Fitsaràna misahana ny Fifidianana mba hanohana ny fahafahan'ny vondrompiarahamoninay mandatsa-bato, misy ampahany amin'ireo mpikambana anatin'ny biraom-pifidianana sy ny vahoaka mbola manohy manohitra ihany. Indraindray dia sarotra ho anay ny mahazo habaka ilaina mba hampanaovana ny fiofanana. Fa mitohy miasa ihany izahay, ary mitety araka izay tratra ireo ivontoerana fampanofanana, manerana an'i Salvadaoro, satria tsy mbola vita ny adinay amin'ny fanavakavahana. Mbola misoko mangina ao izy io.

Tanjon'ny asanay ny hahafahan'ny rehefa ao anaty vondrompiarahamonina LGBTQI eto Salvadaoro mandeha mifidy, amim-pireharehana, ao anaty firaisankina sy fifanohanana. Ho ela velona anie ny fahasamihafàna!

Carlos Lara, un jeune homme portant un polo est un masque de protection faciale, a la tête baissée, il semble se concentrer.

Ny mpanoratra, Carlos Lara, iray tamin'ireo mpampiofana nokaramain'ny Fitsarana Avo misahana ny Fifidianana, azo sary talohan'ny nandraisany fitenenana nanoloana ny vondrona tao Usulután. Sary an'i Raul Benitez, mpanao gazety, nahazoana alàlana.