- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Resabe tamin'ny diplaoma Oxford sandoka nataon'ny Minisitra – 2008

Sokajy: Iràna, Fanabeazana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

(Lahatsoratra tamin'ny volana Aogositra 2008)

Niteraka resabe tamin'ny fampitam-baovao i Ali Kordan [1], Minisitry ny Atitany vaovao Iraniana, noho ny fanomezany diplaoma doctorat “sandoka” avy amin'ny oniversite Britanika malaza any Oxford. Maro ny tranonkala, anisan'izany ny mpandala ny mahazatra Alef, no namoaka  [2]ny dika tamin'ilay “diplaoma mariboninahitra doctorat (honoris causa) momba ny lalàna avy any Oxford”.

Nanamarika hadisoana ara-pitsipi-pitenenana maromaro tao amin'ilay lazaina fa  diplaoma avy any Oxford ny Alef, indrindra fa ilay teny hoe “to be benefitted from its scientific privileges”. Ankoatra izay, diso tsipelina lasa “intitled” ny teny hoe “entitled”.

Navoakan'ny  [3]Alef tamin'ny aterineto ihany koa ny fax isan-karazany nifanakalozana tamin'ny Oniversiten'i Oxford momba ity resaka ity. Avy eo voasivana tao Iran ilay tranonkala.

Raha mbola teo ampanadihadiana momba ity raharaha ity ny manampahefana Iraniana dia nanambara tamin'ny fomba ofisialy [4] ny Oniversiten'i Oxford fa tsy nahitana velively diplaoma honoris causa na mari-pahaizana hafa nomena an'Atoa Kordan tany amin'izy ireo.

Naneho hevitra [5] ilay bilaogera Iraniana Mr. Behi:

President Ahmadinejad performed yet another miracle: He selected someone as interior minister who claimed to have a Ph.D. degree in law from The University of Oxford! When questions rose on the authenticity of the degree, the guy outraged, threatened the media and produced this to shut them up. A degree so suspicious that is feared to be faked, with grammar mistakes and with names signing it who are not even members of the Faculty of Law! If Ahmadinejad wants to fake the next election, he'd better employ someone who does it less obviously. What a shame!

Nanao fahagagana vaovao ny filoha Ahmadinejad: nifidy olona ho Minisitry ny Atitany izy izay nilaza ho manana mari-pahaizana doctorat momba ny lalàna avy amin'ny oniversiten'i Oxford ! Rehefa nipoitra ny fanontaniana momba ny maha-azo itokisana an'ity diplaoma ity dia tezitra ilay lehilahy ary nandrahona ny fampitam-baovao sy namoaka ity taratasy ity mba hampanginana azy ireo. Diplaoma tena mampiahiahy hany ka inoana fa sandoka, amin'ny fahadisoana amin'ny fitsipi-pitenenana sy ny anaran'ireo nanao sonia izay tsy mpikambana ao amin'ny Sampana Lalàna akory! Raha te-hangala-bato amin'ny fifidianana manaraka i Ahmadinejad dia aleo izy manakarama olona manao izany mangingina kokoa. Mahamenatra !

Nanoratra [6] i Mohammad Ali Abtahi, filoha lefitra reformista teo aloha sady bilaogera fa nihaona tamina tompon'andraikitra Iraniana iray izay “nividy” ny diplaomany doctorat izy fony lefitry ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny finoana Islamo. 1.000 dolara no vidiny raha ny filazan'i Mohammad Ali Abtahi.

Toa tsy manana mari-pahaizana amin'ny oniversite i Ali Kordan raha ny filazan'ny bilaogera iray hafa, Shirzad [7]. Hoy ilay bilaogera:

It means he cheated all these years and got paid as a Ph.D. holder… One of deputies in the Iranian Parliament asked Kordan: “How did you get your Ph.D. in Law, when you say you wrote your thesis in Islamic Education?” “How did you defend it when you cannot speak English. Kordan replied, “I had a translator.”

Midika izany fa namitaka izy nandritra ny taona maro ary nokaramaina ho dokotera… Nanontany an'i Ali Kordan ny iray tamin'ireo solombavambahoaka ao amin'ny parlemanta Iraniana: “Ahoana no nahazoanao diplaoma doctorat momba ny lalàna kanefa milaza ianao fa nanoratra thèse tamin'ny sehatry ny fanabeazana Miozolomana ? “Ahoana no nanaovanao izany anefa ianao tsy mahay teny anglisy ?” Namaly i Ali Kordan: “Nanana mpandika teny aho”.

Nilaza [8]ilay bilaogera Jomhour fa niaro ny Minisitra ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad ary nanontany hoe “Iza no mila izany taratasy izany !

Manontany tena i Jomhour :

if the certificates are useless, torn, paper why did Ahmadinejad's Minister pretend to have one… It is not the first time that Ahmadinejad calls official documents torn papers. Previously he has also called United Nations resolutions against an Iranian nuclear program just useless torn papers.

Raha tsy misy ilana azy ireo taratasy ireo, maninona ny Minisitra Ahmadinejad no nilaza fa manana izany… Tsy vao izao i Ahmadinejad no nilaza ny antontan-taratasy ofisialy ho tsy misy ilaina azy. Talohan'izay, nolazainy ihany koa fa  antontan-taratasy tsy misy ilaina azy ny Fanapahan-kevitry ny Firenena Mikambana manohitra ny programa nokleary Iraniana.

Nilaza [9]i Ali Akbar Javanfekr , mpanolotsainan'i Ahmadinejad amin'ny serasera,  fa tokony handray fanapahan-kevitra momba ny doctorat an'i Ali Kordan ny Minisiteran'ny Siansa; nilaza ihany koa izy fa tsara kokoa raha tsy ampidirana fomba fijery politika manokana amin'ity raharaha ity.