- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Israely: Fanafihana tamin'ny bilidaozera fahatelo tao Jerosalema tao anatin'ny herintaona – 2009

Sokajy: Israely, Palestina, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Tanora, Vaovao Mafana

(Lahatsoratra tamin'ny volana Martsa 2009)

Tamin'ny voalohany, toa fanafihana maningana: tsy fetezana ivelan'ny fotoana sy toerana. Ny fanindroany, nofy ratsy izany. Ary nitranga indray ny fanintelony.

Nitatitra ny toa fanafihana tamin'ny bilidaozera fahatelo nataon'ny mpampihorohoro tao anatin'ny valo volana farany ny vaovao Israeliana androany. Nifaoka fiara fitateram-bahoaka sy fiaran'ny polisy iray tamina bilidaozera teo amin'ny sampanan-dalan'ny Menachem Begin sy teo amin'ny Làlana Golomb any Jerosalema ny mpamily Mir'i Radeideh. Hoy [1]ny loharanom-baovao avy amin'ny Jerusalem Post:

Les témoins ont décrit la vision atroce de l'imposant chargeur fonçant à toute allure sur la route, traînant la voiture de police, la lançant en l'air et essayant de l'écraser avec sa pelle frontale.

Notantarain'ireo nanatri-maso ny tranga mahatsiravina nahitana ilay bilidaozera nirifatra teny an'arabe, nitaritarika ny fiaran'ny polisy, nanipy azy ambony ary nikasa hanapotika azy tamin'ny lelany teo aloha.

Hita ao amin'ny tranonkala ny rakitra misy ny horonantsary sy ny fakantsary mpanara-maso ary ny andian-tsary mampiseho ny tranga.

Polisy roa no “naratra kely” ary maro ny olona teny an-toerana, izay nisy ankizy maro, no naiditra hopitaly noho ny hatairana. Voatifitra ilay mpamily.

Radeideh, 26 taona, nanambady, mananjanaka zazavavy kely. Tompon'ny bilidaozera ary mponina tao Beit-Hanina any Jerosalema Atsinanana sady mihazona pasipaoro Palestiniana. Nilaza ny fianakaviany, izay nanontaniana avy hatrany taorian'ny zava-nitranga, fa  mpivavaka sady tsy liana tamin'ny politika fampihorohoroana i Radeideh. Hoy [1]ny reniny tao amin'ny fahitalavitra Israeliana:

Nous attendons son retour à la maison… Il ne s'intéresse qu'à la religion, il ne sait pas ce que c'est que les attentats terroristes, ils ne l'intéressent pas.

Miandry ny fiverenany an-tanindrazana izahay… fivavahana ihany no mahaliana azy, tsy fantany izany fanafihan'ny mpampihorohoro izany, tsy mahaliana azy izany.

Nilaza [2]ny fianakaviany iray hafa fa “olona salama saina tsara tsy nanana hevitra mahery fihetsika” Radeidah.

Tamin'ny volana Jolay 2008 no niseho ny fanafihana roa voalohany tamin'ny bilidaozera, izay [3]nahafatesana olona miisa 3 ary 48 no naratra. Samy mponina tao Jerosalema Atsinanana ireo mpamily ny fiarabe.

Nanomboka naneho hevitra ny tontolon'ny bilaogy Israeliana raha vao nambara ny vaovao. Naverin'i David Bogner, bilaogera ao amin'ny Treppenwitz ny lohatenin'ny BBC ” Mpamily bilidaozera voatifitra tao Jerosalema [4],” tao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Amin'ny alàlan'ny solomaso milokon'i Keffiyeh,”  ary hoy izy nanoratra [5]:

Note aux Juifs du Royaume-Uni : Bon Dieu, qu'est-ce que vous attendez ? Sauvez-vous tant que vous le pouvez !

Fanamarihana ho an'ny Jiosy any Angletera: Inona no andrasanao? Vonjeo ny tenanao dieny mbola azonao atao!

Nanamarika [6]ny fitoviana tamin'ny vokatr'ireo fanafihana telo ireo i Jameel ao amin'ny The Muqata.

C'est l'attaque au bulldozer N°3 à Jérusalem depuis un an, plus une attaque à la voiture-bélier près de la rue de Jaffa, et l'attentat terroriste de Merkaz Harav [voir lien plus loin]. Dans tous les cas précités, les civils ont pris une part active à la neutralisation du terroriste.

Fanafihana bilidaozera faha-3 tao Jerosalema hatramin'ny taondasa, miampy fanafihana tamin'ny fiarabe manapotika teo akaikin'ny Làlana Jaffa, sy ny fanafihan'ny mpampihorohoro tao Merkaz Harav. Amin'ireo tranga rehetra voalaza etsy ambony ireo dia nandray anjara mavitrika tamin'ny tsy fanetsehana ilay mpampihorohoro ny sivily.

Nanaraka ny raharaha araka ny voalaza i Yael, avy ao amin'ny Aliyah! Step-By-Step. Naveriny [7]fa voasakan'ny andrinjiro nandry tamin'ny tany ilay mpamily ilay bilidaozera izay nanelingelina ny làlany. Toa ny mpamily fiarakaretsaka no namarana ny diany, izay nitifitra voalohany mba hampiato azy. (Mbola samihafa ny filazan'ny fampitam-baovao momba ny antsipiriany fa mbola hisy ny vaovao misimisy kokoa tsy ho ela.)

Nanoratra i Yael:

A écouter la radio, les détails de l'attentat terroriste qui s'est produit il y a une heure à Jérusalem changeaient toutes les cinq secondes… Le tracto-pelle a essayé de pousser le bus, qui n'était pas vide, mais plutôt rempli de petites filles en costume de Pourim [voir lien plus loin], en route pour égayer les malades de l'hôpital Hadassah à l'occcasion de la fête.

Heureusement pour les enfants, un poteau électrique couché a empêché le tracto-pelle de renverser le bus. Le poteau électrique qui était dans le chemin a donné aux écolières le temps de sortir du bus pour se mettre à l'abri. Le commandant d'opération du ZAKA Haïm Weinrot a dit que «les filles étaient hystériques. Elles ont vu l'énorme lame se diriger vers elles et ont vu la mort approcher, mais elles ont été sauvées à la dernière minute par le poteau.» Plusieurs enfants ont été soignées pour le choc subi lors de la scène.

Raha mihaino ny onjam-peo, miova isaky ny dimy segondra ny antsipiriany momba ilay fanafihan'ny mpampihorohoro nitranga tao Jerosalema iray ora lasa izay … Niezaka nanosika ilay bisy nisy olona, izay zazavavy kely maro manao akanjo Pourim, an-dàlana mba hampifaly ny marary ao amin'ny Hopitaly Hadassah amin'ny fety, ilay traktôpelina,.

Soa ihany ho an'ireo ankizy, ny andrinjiro nihohoka teo amin'ny tany no nanakana ilay trakitera lapela tsy hampivadika ny bisy. Ilay andrinjiro izay teny an-dàlana no nanome fotoana ho an'ireo zazavavy mpianatra hivoaka ny bisy hiala ny toerana. Nilaza ny Komandin'ny ZAKA, Haïm Weinrot, fa “nihikiaka ireo zazavavy ireo. Hitan'izy ireo nanatona azy ireo ilay lelamby goavambe ary nihevitra ho faty izy ireo, saingy voavonjin'ilay andrinjiro tamin'ny ora farany.” Ankizy maromaro no notsaboina noho ny hatairana tamin'io fotoana io.

Ho setrin'ity fanafihana fanintelony ity, nandinika ny antontan-taratasin'ireo mpamily sy ny tompon'ny bilidaozera rehetra manodidina an'i Jerosalema ny polisy. “Tsy ity no karazana fanafihana noheverintsika hosakanana mialoha,” hoy [3]ny iray tamin'izy ireo.

Jereo ny lahatsoratra hafa mifandraika amin'izany: