Jordania : Manomboka manao YouTube ny mpanjakavavy

(Lahatsoratra tamin'ny volana Aprily 2008)

Nanatevin-daharana ny YouTubers ny mpanjakavavy Rania avy any Jordania ka tena nahafaly ireo bilaogera Jordaniana sy tany Afovoany Atsinanana. Nivoaka tao amin'ny YouTube ilay horonantsary, natokana ho an'ny lohahevitra momba ny fitsarana an-tendrony, nahitana ‘ity hafatra manaraka ity:

La reine Rania établit sa présence sur YouTube avec cette vidéo exclusive.
Regardez la vidéo pour entendre son message à tous les YouTubers avant de participer à la conversation.

Niseho tao amin'ny YouTube miaraka amin'ity horonantsary manokana ity ny mpanjakavavy Rania.
Jereo ny horonantsary handrenesana ny hafany ho an'ny YouTubers rehetra alohan'ny handraisanao anjara amin'ilay resaka.

Ity ny fiandohan'ny hafatra:

Dans un monde où il est si simple de se connecter les uns aux autres, nous restons malgré tout déconnectés. Le monde est immense et nous ne pouvons pas le juger avec des stéréotypes. Il est donc important pour nous tous de nous unir et de lutter contre les préjugés. J'ai été surprise par les questions qui m'ont été posées sur le monde arabe et le Moyen Orient. Est-ce que tous les Arabes détestent les Américains ? Les femmes arabes peuvent-elles travailler ? Les gens regardent-ils YouTube en Jordanie ?

Mbola mijanona tsy misy fifandraisana isika ao anatin'ny tontolo ahitana ny fahamoran'ny fifandraisan'ny tsirairay. Goavana izao tontolo izao ary tsy afaka mitsara izany amin'ny fitsarana an-tendrony isika. Zava-dehibe ho antsika rehetra ny miray hina sy miady amin'ny fitsarana an-tendrony. Gaga aho tamin'ireo fanontaniana napetraka tamiko momba ny tontolo Arabo sy ny Afovoany Atsinanana. Ny Arabo rehetra ve no tsy tia Amerikana? Afaka miasa ve ny vehivavy Arabo? Mijery YouTube ve ny olona aty Jordania ?

Araka ny pejy web manokana an'ny mpanjakavavy Rania :

La reine Rania a lancé officiellement sa page sur YouTube, avec un message exclusif destiné à encourager le dialogue inter-culturel pour lutter contre les préjugés. Vous pouvez consulter la page Web de Sa Majesté à l'adresse http://youtube.com/QueenRania.

Nanokatra ny pejiny tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny YouTube ny mpanjakavavy Rania, nahitana hafatra manokana natao handrisihana ny fifanakalozan-kevitra ifanaovan'ny kolontsaina hiadiana amin'ny fitsarana an-tendrony. Azonao atao ny mitsidika ny pejin'ny Mpanjakavavy ao amin'ny http://youtube.com/QueenRania.

Ao amin'ilay horonantsary, nanasa ireo bilaogeran-dahatsary ny Mpanjakavavy mba handefa aminy ohatra momba ireo hevidiso miely ao amin'ny tontolo Arabo ary hoy izy:

D'aujourd'hui au 12 août, Jour International de la Jeunesse, j'espère recevoir des questions des YouTubers et qu'ils me transmettent ce qu'ils entendent dire du monde arabe. J'essaierai d'y répondre point par point. J'encourage aussi les YouTubers à m'aider et à réfléchir à ces stéréotypes. J'attends d'eux de la créativité pour que nous fassions du bon travail ensemble.

Manomboka anio ka hatramin'ny 12 Aogositra, Andro Iraisampirenena ho an'ny Tanora, manantena aho fa hahazo fanontaniana avy amin'ny YouTubers ary hampita amiko izay henony momba ny tontolo Arabo. Hiezaka hamaly azy ireo isaky ny teboka aho. Mandrisika ihany koa ny YouTubers aho hanampy ahy sy hieritreritra momba ireo fiheveran-diso ireo. Manantena ny famoronana avy amin'izy ireo aho mba hahafahantsika miara-miasa tsara.

Faly tamin'ny horonantsarin'ny mpanjakavavy  i Naseem Tarawnah ary nanoratra hoe:

Il y a longtemps, je m'étais demandé si Sa Majesté la reine Rania était blogueuse. Elle est allée beaucoup plus loin et est devenue une vidéo-blogueuse.

Efa ela aho no nanontany tena raha bilaogera ny Mpanjakavavy Rania. Nandeha lavitra kokoa izy ary lasa bilaogeran-dahatsary.

Nampiany hoe:

Je pense qu'il s'agit d'une plutôt bonne initiative (j'aurais aimé y penser en premier) et c'est l'un de ces projets Web 2.0 qui selon moi n'a jamais été encore fait, pas à cette échelle et dans ce contexte. Quoi qu'il en soit, ce sont les commentaires qui seront encore plus intéressants à lire, qu'ils soient positifs, négatifs ou insultants. C'est ainsi que va le monde libre et fou que nous appelons Internet. Mais ce sera très intéressant de voir les réactions. N'oubliez pas que tout ceci est à propos des stéréotypes arabes, et les Arabes diffèrent beaucoup en culture, politique, économie et même religion.  Aborder ces questions de front peut se révéler délicat pour la reine. Un autre passage délicat seront les questions portant sur la religion, un territoire sur lequel, selon moi, la reine ne devrait pas s'aventurer, au vu des malentendus passés.

Je me demande si ce sera un one-shot ou si d'autres interventions sont prévues sur YouTube. Je me demande aussi si le roi  Abdullah suivra les traces de la reine. C'est évidemment une mauvaise idée, pour toutes sortes de raisons évidentes.

Heveriko fa finiavana tena tsara io (tiako raha izaho no nieritreritra izany voalohany) ary iray amin'ireo tetikasa Web 2.0 izay heveriko fa tsy mbola natao hatrizay, tamin'ity dingana sy tamin'ity sehatra ity. Na izany na tsy izany, hahaliana kokoa ny hamaky ireo fanehoan-kevitra, na tsara izany na ratsy na manevateva. Toy izao no fandehan'ny tontolo malalaka sy adala antsointsika hoe aterineto. Kanefa hahaliana tokoa ny hahita ireo fanehoan-kevitra ireo. Tadidio fa momba ny fitsarana an-tendrony Arabo avokoa ireo, ary tsy mitovy amin'ny kolontsaina, politika, toekarena ary ny fivavahana ihany koa ny Arabo. Mety ho sarotra amin'ny mpanjakavavy ny miresaka mivantana ireo fanontaniana ireo. Andalan-teny saropady ihany koa ny fanontaniana mifandraika amin'ny fivavahana, lohahevitra izay, raha ny hevitro, tsy tokony hidiran'ny mpanjakavavy noho ny tsy fifankazahoan-kevitra tany aloha.

Manontany tena aho hoe ity iray ity ihany ve sa hisy fisehoana hafa hatao ao amin'ny YouTube. Manontany tena ihany koa aho hoe hanaraka ny dian'ny Mpanjakavavy ve ny Mpanjaka Abdullah. Mazava ho azy fa tsy mety io hevitra io, noho ny antony mazava maro.

Namela hafatra tena tsotra i Khobbeizah, izay nampifandray rohy tamin'ny horonantsary ihany koa:

La reine Rania s'installe sur  YouTube avec cette vidéo exclusive.  Participons !

Niditra YouTube niaraka tamin'ity horonantsary manokana ity ny mpanjakavavy Rania. Andao handray anjara!

Hani Obaid, mpiray tanindrazana Jordaniana, naneho hevitra hoe:

A vrai dire, je pensais qu'il s'agissait d'une blague, comme le compte Facebook créé pour la famille royale, mais j'ai regardé la vidéo, et j'ai été agréablement surpris. C'est formidable.

Raha ny marina, noheveriko hoe sangisangy izany, toy ilay kaonty Facebook noforonina ho an'ny fianakavian'ny mpanjaka, saingy nijery ilay horonantsary aho, ary tena gaga. Mahafinaritra.

Misy fanehoan-kevitra miisa 72 ny horonantsary tamin'ny nivoahan'ny lahatsortra teny anglisy avrily 2008, saingy vao fanombohany io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.