- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampiharihary ny hantsana eo amin'ny manankarena sy ny mahantra ny savoritaka amin'ny fampanaovana vakisiny COVID-19 ao Kenya

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, COVID-19

 

"Information and awareness is important to prevent the spread of COVID-19. Here in Kenya, Clinical Health care workers are sensitising the community on COVID-19. Photo : Victoria Nthenge" by Trocaire is licensed under CC BY 2.0

“Zava-dehibe ny fampahalalana sy ny fanentanana mba hisorohana ny fihanaky ny COVID-19. Eto Kenya, manentana ny vondrom-piarahamonina amin'ny COVID-19 ireo mpiasan'ny fahasalamana. Sary: Victoria Nthenge” avy amin'i Trocaire [1] araka ny lisansa CC BY 2.0

Ny fanaovam-bakisiny COVID-19 any Kenya dia voakorontan'ny fiampangana sisi-bola, ny fisongonan-daharana ary ny kolikoly [2] izay nahatonga ny olom-pirenena mahantra sy antitra hanao filaharana lava any ivelan'ny hopitalim-panjakana na dia miady amin'ny onjan'aretina fahatelo aza ny firenena.

Mandritra izany fotoana izany, mandoa vola hatramin'ny $ 100 [2] ireo Kenyana an-jatony mahafantatra olona ambony hahazoana vakisiny mialoha, araka ny rakitra an-tsoratry ny kaontin'ireo Kenyana vavolombelona sy ny tati-baovao Kenyana sy iraisampirenena.

Mandray daozim-bakisiny AstraZeneca 1M i Kenya

Tamin'ny fiandohan'ny volana marsa dia nahazo daozy vakisiny navoakan'ny Oxford antsoina hoe AstraZeneca mihoatra ny 1 tapitrisa [3] i Kenya tamin'ny alàlan'ny hetsika COVID-19 Vaccines Global Access, tetikasa fizarana vakisiny manerantany notohanan'ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana fantatra amin'ny COVAX. Ny fanaterana (fahatongavana) no nanamarika ny fanombohan'ny fanentanana hanomezana vakisiny maimaimpoana any amin'ny hopitaly miankina sy tsy miankina voafantina. Nozaraina dingana telo ny fanomezam-bakisiny: ho an'ny mpiasan'ny fahasalamana sy tompon'andraikitra amin'ny filaminana sy ny fifindra-monina, olom-pirenena mihoatra ny 58 taona sy olon-dehibe manana toe-pahasalamana manokana, ary ny olom-pirenena marefo toy ireo mitoetra amin'ny fonenana tsy [manara-penitra]. Vonona handray daozy 24 tapitrisa amin'ny alàlan'ny COVAX ny firenena. Mikasa ny hanao vakisiny ny 50 isanjaton'ny mponina hatramin'ny volana Jona 2022 [4] amin'ny alàlan'ny fiarahan'ny vaksinin'ny COVAX sy fanomezana avy amin'ny firenen-kafa, hoy ny tatitra nataon'ny The Washington Post.

Tamin'ny fanambarana an-gazety [5] dia nankalaza ny fahatongavan'ireo vakisiny voalohany tany Kenya i Maniza Zaman, solontenan'ny UNICEF any Kenya. “Amin'ny fahatongavan'ireto vakisiny ireto, ny UNICEF sy ny mpiara-miombon'antoka dia manaja ny fampanantenan'ny fanamorana COVAX mba hiantohana ny olona avy amin'ny firenena tsy dia manankarena tsy ho avela irery amin'ny fanomezana vakisiny fanavotana aina azy ireo”, hoy izy.

Saingy, nirodana ity dingana fanomezana vakisiny mizara telo [6] novolavolaina fatratra ity raha vantany vao nanomboka ny fampiharana noho ny [7] fanapahan-kevitry ny governemanta tamin'ny minitra farany hanafaingana ny dingana faharoa hiatrehana ny onja [andia] fahatelo, izay nampisy fifandroritana noho ny tombontsoa politika, ary ny tsy fahombiazan'ny fanjakana manontany sy mampahafantatra ny olom-pirenena.

Tao amin'ny lahatsorany nametraka fanontaniana amin'izay mitranga amin'ny fitarihana fizarana vakisiny COVID-19 any Kenya, nanamarika i Patrick Gathara [8], mpanoratra avy any Nairobi sady mpanao sariitatra politika efa nahazo loka:

Politicians loudly and self-servingly argued that they should be given priority to inspire confidence among the population, even though the Ministry of Health was reporting encountering little resistance. Because the state had ignored the need to explain its plan to the population, there was widespread confusion about where and when people were expected to be in line.

Nitaky mafy sy ho ren'ny rehetra ny mpanao politika fa ry zareo no tokony homena laharam-pahamehana hampisy ny fitokisan'ny vahoakavahoaka, na dia notaterina aza fa nahitana fanoherana kely tao amin'ny minisiteran'ny Fahasalamana. Satria tsy nivaky loha ny fanjakana amin'ny tokony hanazavana ny drafitra nomeny ny mponina, dia nisy ny fisafotofotoana na taiza na taiza amin'ny toerana sy ny fotoana hilaharan'ny olona.

Na teo aza ny toromarika avy amin'ny governemanta manao ho laharam-pahamehana ny olom-pirenena mihoatra ny 58 taona [9], nitatitra ny fampahalalam-baovao kenyana fa nahita lalana ny mpandraharaha sy ny mpanao politika tsy tafiditra ao amin'ity sokajin-taona ity mba hahazoana mialoha kokoa, ka nampiharihary ny hantsana eo amin'ny manankarena sy ny mahantra ao amin'ny firenena.

Mandritra izany fotoana izany, araka ny tatitry ny The Washington Post, dia matetika no miandry anaty laharana mandritra ny tontolo andro manomboka amin'ny 5 maraina, vao asaina miverina ny ampitson'iny [4] ny zokiolona anaty sokajy sy ireo Kenyana mahantra, izay tsy mahafantatra olona ary tsy manam-bola handoavana kolikoly, satria lany ny fatra.

“They have another door for their friends,” Mary Njoroge, 58, one of the teachers, told The Washington Post. “Without a godfather to help you through this process, what are you supposed to do?”

“Manana varavarana hafa ho an'ny namany izy ireo,” hoy i Mary Njoroge, 58 taona, iray amin'ireo mpampianatra, tamin'ny The Washington Post. “Raha tsy misy mpiaro manampy anao ao anatin'ity dingana ity, inona no tokony hataonao?”

Misy tranga tahaka izany koa tao amin'ny hopitalim-panjakana iray hafa araka ny notaterin'i @_Sativa, mpikirakira Twitter monina any Nairobi, Kenya. Tao amin'ny randram-baovao Twitter no nitantarany ny zavatra niainan'ny nenitoany [10], mpampianatra efa misotro ronono efa 60 taona mahery. Nandritra ny fotoana niandrasan'ny zokiolona ny laharana, nisy mpitsabo mpanampy niantso anarana ary dia tamy ny tanora ho eo aloha hatao vakisiny. Rehefa nanontany ny zava-nitranga ny nenitoany dia nomen'ny mpitsabo mpanampy nomeraon-telefônina maromaro handefasany vola, hoy izy tao amin'ny randram-baovaon'ny Twitter-ny.

Nilaza tamin'ny fampitam-baovao [2] ny Sekreteram-panjkaana ao Kenya misahana ny fahasalamana, Mutahi Kagwe, taorian'ny fahazotoan'ny olona rehefa nentanina hanao vakisiny:

I think somewhere along the line we seem to have developed some confusion that anybody can walk into a vaccination centre and get vaccines. I want to make it very clear, those carrying out vaccination will have to account for every dose that they have used and that dose that they have used must be matched against an eligible person.

Mieritreritra aho rehefa ao am-pilaharana ao fa toa namboly sahotaka isika amin'ny hoe afaka mankany amin'ny foibem-panaovam-bakisiny avokoa izay rehetra te-ho atao vakisiny. Tiako hazavaina tsara, fa ireo izay mampanao vakisiny dia tsy maintsy handray an-tsoratra ireo daozim-bakisiny nampiasainy ary natao tamin'ny olona tafiditra ao anaty sokajy ny daozim-bakisiny.

Niangavy ireo Kenyana [2] izay tsy ao anatin'ny lisitra laharam-pahamehana  ny filohan'ny fikambanan'ny infirmiera nasionaly any Kenya Alfred Obengo mba tsy hilahatra vakisiny.

Tamin'ny fanazavana ny fomba mety hisorohan'ny governemanta kenyana io fikorontanana io amin'ny drafi-panolorany, namehy ny lahatsorany i Gathara tamin'ny filazany hoe:

Much of this could have been avoided if the Kenyan government and its global partners, including the World Health Organization and Western governments, treated Kenyans as partners in the rollout rather than colonial subjects to be brutalised and exploited. Sadly for Kenyans, their colonial state does not know how to act any differently.

Azo nosorohana ny ankamaroan'izany raha nandray ny Kenyana ho mpiara-miombon'antoka amin'ny fanaovam-bakisiny fa tsy olom-pehezin'ny mpanjana-tany hosetrasetraina sy hararaotina ny governemanta kenyanina sy ireo mpiara-miombon'antoka manerantany, ao anatin'izany ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) sy ny governemanta tandrefana. Mampalahelo ho an'ny Kenyana, tsy mahay izay fihetsika hafa tokony atao ny fanjakana mpanjanatany.