- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Tsy nahazo solika maimaimpoana i Puff Daddy

Sokajy: Arabia Saodita, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hehy, Mediam-bahoaka, Mozika, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana

(Lahatsoratra tamin'ny volana Septambra 2008)

Nanao antso tamin'ireo “rahalahiny sy anabaviny any Arabia Saodita” sy ireo firenena mpamokatra solika hafa mba hanome azy solika hahafahany manohy mandeha amin'ny fiaramanidina manokana ilay mpihira rap Amerikana Sean Puff Diddy Combs [1].

Nitaraina ity mpanakanto mpanefoefo an-tapitrisany ity fa manakana azy tsy hampiasa ny fiaramanidina manokana ny vidin'ny solika ka voatery nandeha sidina nandoavam-bola izy. Nataony tao anatin'ity lahatsary manaraka ity (bilaogin-dahatsary [2]) ny antso nataony:

Fanehoan-kevitra avy amin'ireo bilaogera Saodiana…. Mananihany i Saudi Jeans [3]:

Le rapeur Sean Puffy Combs se plaint du prix du pétrole, et de ne plus pouvoir utiliser son jet pour faire la navette entre New  York et Los Angeles deux fois par mois. Il supplie les Saoudiens de lui envoyer du pétrole gratuit. Désolée, Bro’, tu vas rien recevoir de ce côté du monde, parce que, au cas où tu serais pas au courant, nous n'avons pas des puits de pétrole dans nos jardins pour distribuer gratuitement du pétrole.

 

Mimenomenona amin'ny vidin'ny solika ilay mpihira rap Sean Puffy Combs, fa tsy afaka mampiasa ny jet-ny intsony izy handehanana miala any New York mankany Los Angeles indroa isam-bolana. Miangavy ny Saodiana izy mba handefa solika maimaimpoana ho azy. Miala tsiny, rahalahy, tsy hahazo na inona na inona aty amin'ny faritra aty ianao, satria raha tsy fantatrao dia tsy manana lavadrano misy solika ao an-tokotaninay izahay mba hizarana solika maimaimpoana.

Hoy ihany koa i Rasheed Abou-Alsamh [4]:

Puffy dit qu'un aller-retour lui coute 200 000 $ en essence et qu'il ne peut plus selon lui se le permettre. Dans la vidéo, il demande aux “frères et soeurs d'Arabie saoudite” de lui envoyer du pétrole gratuitement.

Je ne pense pas qu'il reçoive un envoi de pétrole de sitôt, les Saoudiens ont démontré à de multiples occasions qu'ils étaient assez têtus quand il s'agit du prix du baril. Un artiste super-riche comme Puffy peut à la limite être invité à donner un récital privé pour la famille royale, mais recevoir du pétrole gratuit, il peut se brosser !

Nilaza i Puffy fa mitentina 200.000 dolara ny lasantsy laniny mandroso sy miverina ary nilaza izy fa tsy zakany intsony izany. Ao amin'ny horonantsary, nangataka tamin'ny “Rahalahy sy anabavy any Arabia Saodita” izy handefa solika maimaim-poana ho azy.

Tsy mino aho fa hisy fandefasana solika ho azy atsy ho atsy, nasehon'ny Saodiana tamin'ny fotoana marobe fa mihizingizina izy ireo raha ny amin'ny resaka vidin'ny barila. Mety asain'ny fianakavian'ny mpanjaka ny mpanakanto manankarena be toa an'i Puffy hihira rap manokana, fa raha ny hahazo solika maimaimpoana aloha dia aza manantena!