- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nilaza ny manam-pahaizana fa “tsy mbola tapitra” ny fipoahan'ny La Soufrière ao St. Vincent

Sokajy: Karaiba, St. Vincent & the Grenadines, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina

Ny fipoahan'ny La Soufrière fanindroany tao St. Vincent sy Grenadines tamin'ny 9 Aprily 2021;  Tazana eo anoloana ny Helodrano Questelles. Saripikan'i Nadia Huggins, nahazoana alàlana.

Mbola mihetsika hatrany [1] ny volkano La Soufrière any St. Vincent sy Grenadines, izay nipoaka tsindraindray tao anatin'ny folo andro lasa [2] [mg], ary mbola nisy fipoahana hafa [3] [mg] nitranga tamin'ny 18 Aprily.

Ilay fipoahana lehibe fahenina [4]tamin'ny stratovolkano nanomboka ny 9 Aprily ity firefotra vao haingana indrindra ity, izay somary lehibe ihany, na dia misy aza ny mponina ao St Vincent sasany izay nanara-maso akaiky ny fivoarany milaza fa manakaiky ny 30 [5] ny isan'ireo fipoahana. Tamin'ity indray mitoraka ity, nanomboka tamin'ny faran'ny folakandro ny fipoahana (GMT-4):

MITRANGA IZAO !! Vaovao momba ny volkano: nipoaka indray ny La Soufriere androany Alahady 18 Aprily.

(Tsy ahy ny horonantsary)

Nisy ihany koa ny ahiahy momba ny fihisaky ny lavenon-drahona [10] vao nipoaka farany tao amin'ny nosy izay efa rakotry ny sisa tavela tamin'ny volkano:

Nisy fipoahana tao La Soufrière tokony ho tamin'ny 4:49 hariva androany. Miroso mankany atsimo sy andrefan'ny nosy ny lavenon-drahona. Mijanona ho MENA ny lokon'ny fanairana.

Andian-tsary nisian'ny tranga teny an-toerana androany teny amin'ny faritra be rivotra misy ny faritra mena. Ity no fanombohana ny lalan'ny rivotra mankany amin'ny La Soufriere – rakotra lavenona sy sisan'ny volkano avy amin'ny riakan'ny volkano namonjy ny morontsiraka. Sary: Richard Robertson, UWI-SRC

Tao amin'ny Twitter, nanazava ny birao nasionaly misahana ny hamehana (NEMO) ao St.Vincent fa efa nampoizina ny toy izany:

Mitohy mipoaka ny La Soufriere. Ny fihovitrovitriny mandritra ny andro vitsivitsy dia mampiavaka ny fitomboana sy ny fahapotehin'ny ranoka volkano. Mety hisy ny fipoahana miaraka amina filatsahan'ny lavenona, mitovy amin'izany na lehibe kokoa, tsy misy fampitandremana.

Hoy ilay manam-pahaizana momba ny volkano, Profesora Richard Robertson:

“Mbola ao anatin'ny dingan'ny fipoahana isika izao ary mbola mety hisy ny fipoahana mitohy. Tsy afaka milaza aho fa tsy hisy intsony ny fipoahana ato anatin'ny fotoana fohy,” hoy ny profesora mpahay siansa Richard Robertson

Mandritra izany fotoana izany, niezaka nifantoka [21]tamin'ny ezaka [22]fanampiana ireo tompon'andraikitra, nikarakara ireo mponina nafindra toerana [23], ary nampianatra ny vahoaka amin'ny fomba hiarovan-tena. Sarotra kokoa ny nanao ny asa noho ny fepetran'ny valan'aretina; noho izany, natao tamin'ny aterineto ny ankamaroan'izany fanentanana izany, tamin'ny alàlan'ny fivoariana an-tserasera [24] maimaim-poana sy ny kisary fanazavana tamin'ny tambajotra sosialy.

Na izany aza,  sahy naka sary an'i La Soufrière tamina toerana akaiky mampidi-doza ny mpisera sasany, anisan'izany ny mpitarika mpizahatany iray:

Akaikin'ny La Soufriere araka izay azo atao.

Fihetsika misetrasetra hoy [27]ny Profesora Robertson:

Anyone on the volcano at [this] time is at risk of dying horribly from blunt trauma to the body, from excessive burns, and from asphyxiation. Anyone at the summit as you were today will certainly be killed if it has one of the kinds of eruptions that it had on the very same day that you visited. […]

Stop putting yourself, your co-hikers, and potentially the search and rescue team that would come to get you if something happens [at risk]. This is neither brave or useful […]

Tandindonin-doza amin'ny fahafatesana mahatsiravina izay rehetra eny amin'ny volkano amin'izao fotoana izao noho ny ratra mahazo ny vatana, noho ny fahamaizana tafahoatra, sy amin'ny fahasemporana. Na iza na iza eny amin'ny tampony tahaka ny nataonao androany dia ho faty raha misy ny karazana fipoahana niseho tamin'ny andro nandehananao teny. […]

Atsaharo ny fametrahana ny tenanao, ireo mpiara-dia aminao ho tandindonin-doza, ary indrindra ny ekipa mpikaroka sy mpamonjy voina hanavotra anao eny raha sendra misy zavatra mitranga [atahorana]. Sady fahasahisahiam-poana no tsy mahasoa […]

Na dia tsy nila fandresen-dahatra bebe kokoa aza ireo manaraka ny fipoahan'ny lavenona tao anatin'ny folo andro farany, ny sary dia manasongadina izay voalazan'ny manam-pahaizana hatramin'ny voalohany: mbola tsy tapitra ny fipoahan'ny La Soufrière 2021.