Tahaka ny ahoana ny nanararaotan'ny governemantan'i Azerbaijan ny lavaka amin'ny Facebook—an-taonany maro

Sarin'i Alex Haney, Unsplash. https://unsplash.com/photos/AGqzy-Uj3s4

Andian-tatitra iray nataon'ny gazety britanika The Guardian no namoaka fa nanararaotra hatrany ny lavaka amin'ny Facebook ny manampahefana Azerbaijanita mba hisian'ny firotsahana hosoka.

Nasehon'ny fanadihadiana, izay nifantoka tamin'ny firenena 25, fa  nilefitra tamin'ireo fihoaram-pefy goavana teo amin'ny sehatra misy azy ny Facebook any amin'ireo firenena kely na tsy-tandrefana satria ataony laharam-pahamehana ny fanintonana ny fampitam-baovao iraisampirenena na izay mihatra amin'ity Etazonia sy ny mpifanandrina aminy, tahaka an'i Rosia sy Iran.

Tonga izao tatitry ny The Guardian izao taorian'ny fiporitsahan'ny memô anatiny avy amin'ny siantifika amin'ny lahatahiry (data) Facebook teo aloha Sophie Zhang, izay anoritany ny ohatra amin'ny hanaovan'ny orinasa “mamela hatrany hatrany ny mpitarika sy ny politisiana amin'izao tontolo izao hampiasa ny sehatra hamitahana ny vahoaka na hanohintohinana ny mpanohitra na dia efa notairina tamin'ny fisian'ny porofo amin'ny fihetsika tsy mety aza.”

Noroahana ho tsy nanao ny asany i Zhang tamin'ny Septambra 2020. Tamin'ny andro farany niasany, namoaka ho hitan'ny hafa ny memo tao anatiny izy, izay azon'ny BuzzFeed News sy navoakany voalohany.

Iray amin'ny ohatra nosoritsoritan'ny memô an'i  Zhang izay natao tamin'i Azerbaijan, izay nilazany fa “nampiasa [kaonty] tsy voamarina an'arivony” ny antoko mitondra Yeni Azərbaycan “hanohintohinana ny fanoherana mivondrona” tamin'ny taona 2019.

Ny lavaka voalohany nohararaotin'ny mpisehatra Azerbaijanita, aaka ny memô sy taorian'ny fanadihadiana nanaraka izany, dia ny fameran'ny Facebook ny isan'ny sarintava azon'ny mpisera iray tantanana, nefa tsy misy famerana azo nampitahaina tamin'izany amin'ny peky. Midika izany fa olona iray dia afa-mitantana pejy an'arivony, ary ireo indray dia afa-manatontosa karazam-pirotsahana — toy ny fitiavana, fizaràna, ary ny fanehoan-kevitra — tahaka ny sarintava an'olon-tokana.

“(…) Ireo olona ao ambadik'izany asa izany (…) aloha dia miankina amin'ny kaonty voamarina hanangana pejy norafetina ho tahaka ny sarintavan'ny mpisera — mampiasa anarana sandoka sy sary nangonina — mba haneho hevitra sy hampiakatra ara-pikirakirana ny lazan'ny votoaty pro-governemanta iray manokana,” hoy ny memo.

Na dia teo aza ny fanairana, nolazain'i Zhang fa herintaona taorian'izay ny Facebook vao nanomboka nijery ny raharaha Azerbaijan, tamin'ny Oktobra 2020, rehefa nambarany ny fanesorana ny sarintava 589, pejy miisa 7.665, ary kaonty 437 ao amin'ny Instagram izay nanana fifandraisana tamin'ny antoko mitondra na ny sampana tanora ao aminy. Araka ny Facebook, nanitsakitsaka ny fametrahan-dalànan'ny Facebook ireo kaonty ireo tamin'ny “fandrindrana fomba fihetsika tsy izy (tsy voamarina na inauthentique).”

Na izany aza, araka ny tatitra vao haingana navoakan'ny Azerbaijan Internet Watch, sehatra iray mandrakitra ny fifehezana torohay ao Azerbaijan, mbola mitohy ny olana mandraka androany.

Tamin'ny Febroary 2021, Meydan TV, tranonkalam-baovao iray mahaleo teo miorina ao Berlin, namoaka antso fitadiavana mpiasa ho amin'ny programa iray ikendrena mpanangana votoaty Azerbaijani hamokatra sombin-dohahevitra atao amin'ny famoaham-baovao miresaka kolontsaina sy politikan'ny firenena.

Naharaisana fanehoan-kevitra miiba an-jatony ny lahatsoratra; ny fijerena akaiky no nahitana fa ireo fanehoan-kevitra ireo ny ankamaroany dia nataon'ny pejy mody mitoetra ho olona tena izy.

Tamin'ny 24 marsa, Mikroskop Media, seha-baovao iray hafa ampitan-dranomasina miresaka momba an'i Azerbaijan, no namoaka tao amin'ny pejiny Facebook ny torohay an-tsary amin'ny lahatahiry ny fizotran'ny vakisiny COVID-19 ao amin'ny firenena. Naharay fanehoan-kevitra mihoatra ny 1600 ny lahatsoratra, ary miiba ny ankamaroan'izany. Rehefa nojerena akaiky indray koa dia hita fa ny ankamaroan'ireo dia nivoaka avy tamin'ny pejy tsy voamarina.

Tamin'ny marsa 2021 no nivoaka ny tatitra Facebook farany indrindra momba ny fihetsika tsy voamarina voarindra; fa tsy voalaza tao anaty lisitry ny firenena nanakatonana tambajotra tsy voamarina i Azerbaijan.

Efa hatry ny ela ny governemantan'i Azerbaijan no nanararaotra ny sehatra media sosialy, indrindra fa ny Facebook, hanaovana lasibatra ireo mpitsikera na ao amin'ny firenena ireo na any ivelany.

Nialoha ny referandaoma [fitsapa-kevi-bahoaka] tamin'ny taona 2016 izay nataon'ny vondrona mpanohitra ankivy, nisy fandaharana mivantana nataon'ny Azadliq Radio (servisy Radio Free Europe/Radio Liberty ao Azerbaijan) sy ny Meydan TV voaloto rindrina fatratra tamin'izay tsikaritra taty aoriana ho hetsika voarindran'ny antoko nitondra.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy, maro amin'ny mpikatroka politika sy ny sehatra media no nahita ny pejy sy sarintava Facebook an-dry zareo ho nisedra olana tamin'ny alalan'ny fisovohana. Tamin'ny volana lasa teo, vondrona vehivavy mpikatroka no lasibatra tamin'ny alalan'ny andian-tsary sy lahatsary tsy tokony hivoaka nefa niporitsaka. Na ny Facebook na ny Telegram dia samy nampiasaina hampielezana ny votoaty.

Ratsy ihany koa ny fitsongoan-dia sy rakitr'i Azerbaijan momba ny zon'olombelona sy ny fahalalaham-pitenenana, araka ny filaharana sy ny fanondroana avoakan'ireo mpanara-maso iraisampirenena misahana ny zon'olombelona sy ny fahalalahan'ny gazety. Ny tondro iraisampirenena momba ny fahalalahan-gazety navoakan'ny Reporters Sans Frontières taona 2021 no mandahatra ny firenena eo amin'ny faha-168 amin'ny 180. Ny Freedom House manasokajy an'i Azerbaijan ho “fitondrana tsirefesimandidy mafy orina.”

Maro amin'ny media tsy miankina sy ny firaisamonim-pirenena ao Azerbaijan no nampanginina hatramin'ny taona 2014 noho ny fampiasan'ny governemanta be mihitsy ny fitaovam-pamoretany ho setrin'ny fihetsiketseham-bahoaka nitranga taona vitsivitsy nialoha io. Ny media sosialy no anisan'ny sehatra vitsy lehibe sisa tavela ahafahan'ny mpikatroka mandamina sy mampahafatatra ny vaovao ao amin'ny firenena.

Raha mety ho sahirana dia sahirana ny Facebook mandravona ny olana mahazo ireo olona fanta-bahoaka amin'ny fanohintohinana, fandisoam-baovao ary fihetsika tsy izy mahazo azy ireo, dia miantraika tokoa amin'ny fiainam-bahoaka tena misy amin'ny firenena tahaka an'i Azerbaijan koa anefa izy.

Naotin'ny tonian-dahatsoratra: Ny mpanoratra ity tantara ity no mpanorina ny Azerbaijan Internet Watch. Izy ihany koa no niantsafa tamin'ny The Guardian tamin'ny fanadihadiana momba ny Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.