- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Twitter @AsiaLangsOnline 2021

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Nanomboka tamin'ny 7 Aprily 2021 ny “andiany” fahatelo amin'ny @AsiaLangsOnline. Ahitana ny fifandimbiasan'ireo mpikatroka fiteny manerana an'i Azia izay hampiantrano ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline [1] ity fanentanana amin'ny tambajotra sosialy ity. Miara-miasa amin'ny Rising Voices [2], ny Digital Empowerment Foundation [3] ary ny O Foundation [4], ity fanentanana amin'ny tambajotra sosialy ity dia tohin'ny fanentanana tamin'ny herintaona izay natao tao anatin'ny tontolon'ny Taona Iraisam-pirenena ho an'ny Fitenin'ny Indizeny 2019 ary hanome sehatra ho an'ireo feo maro samihafa manerana ny faritra mba hitantarana ny zavatra niainany tamin'ny famelomana aina indray ny fiteny sy ny anjara asan'ny aterineto ao anatin'izany.

See @AsiaLangsOnline hosts from 2019 (red), 2020 (blue), and 2021 (green). Click on each marker for a link to their Q&A blog post.

Jereo ny mpampiantrano @AsiaLangsOnline nanomboka ny taona 2019 (mena), 2020 (manga), ary 2021 (maintso). Tsindrio ny marika tsirairay raha te hahita rohy mankany amin'ny bilaogin'izy ireo Fanontaniana sy Valiny.

Mandritra ity taona 2021 ity, mpikatroka samihafa no hifandimby isan-kerinandro ao amin'ny @AsiaLangsOnline [1] hizara ny fomba fijerin'izy ireo momba ny maha-zava-dehibe ny fitenin'izy ireo sy ny vondrom-piarahamonin'izy ireo. Samy miasa amin'ny fampiroboroboana ny fampiasana ny tenin'izy ireo amin'ny sehatra vaovao toa ny aterineto, izay ahitana tombontsoa sy fanamby maro ireo mpikatroka ireo. Saingy misy ihany koa ny singa lehibe ivelan'ny aterineto amin'ny fikatrohan'izy ireo mifandraika amin'ny tantara efa ela sy ny toe-javatra ankehitriny izay misy fiantraikany amin'ny fahaveloman'ny fiteny Aziatika.

Misy hetsika tahaka izao mampiasa ny Twitter ho media ifarimbonana any Amerika Latina ( [5]@ActLenguas [6]) [7] sy any Afrika [8](@DigiAfricanLang [9]), any Canada sy Etazonia (@NativeLangsTech [10]), saingy hiompana amin'ny fiteny manerana an'i Azia ity tetikasa ity.

Maro no namaly ny antso tamin'ny fandraisana anjara, satria efa feno ny lisitra mandritra ny herinandro maromaro. Manao fanentanana ihany koa izahay hanasana ny hafa handray anjara. Mifandraisa aminay [11] raha mahalala olona vonona hampiantrano ianao.

Fandaharam-potoana

(Tsindrio ny anaran'ny mpampiantrano raha hamaky bilaogin-dahatsoratra Fanontaniana sy Valiny)

Aprily 7-13, 2021

Subhash Ram Prajapati [12] ( @jwajalapa [13])

Dr. Subhash Ram Prajapati is a prominent advocate for the Nepalbhasa (Newar) language. He has authored half a dozen books on the Newar language and culture and wrote his Ph.D. dissertation in ethnomusicology on Newar music. After founding and participating in numerous initiatives around cultural preservation, including a news portal and a language learning club on Facebook, Dr. Prajapati is currently leading a Nepalbhasa digitization project. Most recently, the group launched an online dictionary containing close to 30,000 entries to date, making it the largest repository of linguistic data for this language, whether digital or in print.

Subhash Ram Prajapati [12] ( @jwajalapa [13])

Mpiaro malaza ny fiteny Nepalbhasa (Newar) i Dr. Subhash Ram Prajapati. Nanoratra boky fito momba ny fiteny sy ny kolontsaina Newar izy ary nanoratra ny asa-karoka hahazoana Ph.D. amin'ny ethnomusicologie (fandalinana ny mozika avy amin'ny sehatra ara-kolontsaina sy sosialy) momba ny mozika Newar. Taorian'ny nanorenany sy nandraisany anjara tamina hetsika marobe manodidina ny fitehirizana ny kolontsaina, anisan'izany ny vavahadin-tserasera sy ny klioban'ny fianarana teny ao amin'ny Facebook, dia mitarika ny tetikasa famadihana ho nomerika ny fiteny Nepalbhasa amin'izao fotoana izao ny Dr. Prajapati. Vao tsy ela akory izay, nandefa rakibolana an-tserasera ahitaka iditra misy teny eo amin'ny 30.000 hatreto ny vondrona, ka mahatonga izany ho angondrakitra lehibe indrindra ahitana io fiteny io, na nomerika izany na am-pirinty.

Aprily 14-20, 2021

Jeannet Stephen ( @jeannetstephen [14])

Aprily 21-27, 2021

Ni Nyoman Clara Listya Dewi ( @claralistyad [15])