- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Twitter @DigiAfricanLang 2021

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Nanomboka tamin'ny 20 Martsa ary efa nisy nandritra ny taona 2019, hifandimby hitantana ny @DigiAfricanLang [1], kaonty Twitter vaovao manasongadina ny anjara toeran'ny teknolojia sy ny aterineto amin'ny fampiroboroboana sy ny famelomana aina indray ireo fiteny aty amin'ny kaontinanta Afrikana ny mpikatroka nomerika fiteny Afrikana. Tanjona lehibe amin'ny fanentanana atao ao amin'ny Twitter ny fankatoavana ny fanoloran-tenan'ny Afrikana izay mitrandraka ny karazana fampitam-baovao nomerika sy an-tserasera mba hanasongadinana ny mombamomba ny fiteniny sy ny kolontsain'izy ireo amin'ny aterineto ary hisarihana ny taranaka vaovao hampiasa ny fiteny.

Miara-miasa amin'ny Tetikasa Yoruba Names sy ny Global Voices amin'ny teny Yoruba, ny Rising Voices no handrindra ny fandraisana anjara amin'ny fanentanana miaraka amin'ny  mpikatroka nomerika maherin'ny 40 manerana ny kaontinanta, mifanojo amin'ny Taona Iraisam-pirenena ho an'ny Fitenin'ny Indizeny [3].

Amin'ny maha-mpampiantrano Twitter azy ireo, hizara ny fahatakarany sy ny fomba fijeriny momba ireo fiteny Afrikana ireo mpandray anjara amin'ny fanentanana, ao anatin'izany ny tantarany, ny fampiasana izany amin'izao fotoana izao amin'ny sehatra an-tserasera sy ivelan'ny aterineto, ireo fanamby ary ireo paikady vaovao amin'ny famelomana aina indray. Na dia afaka mitana andraikitra lehibe aza ny teknolojia dia ampahany fotsiny amin'ny toe-java-misy ankehitriny izay miantraika amin'ny fahaveloman'ireo fitenin'ny indizeny izany.

Tohin'ny hetsika mahomby sy mitovy aminy izay tanterahina any Amerika Latina amin'izao fotoana izao miaraka amin'ny kaonty Twitter @ActLenguas [4] ity fanentanana ity.

Anisan'ireo mpampiantrano teo aloha nandray anjara tamin'ny fanentanana tamin'ny taona 2019 ireo olona miasa amin'ny fiteny Yoruba, Igbo, Swahili, ary Twi amin'ny alàlan'ny sehatra toa ny Wikipedia, mianatra rindranasa sy lalao, tetikasa fandikan-teny, rakibolana an-tserasera, mametraka ny fiarovana ny fampiasa amin'ny endrika nomerika ary manao fanentanana hafa amin'ny tambajotra sosialy. Jereo eto ny lisitry ny mpandray anjara voalohany [5].

Azafady mba jereo ny fandaharam-potoana etsy ambany ho an'ireo izay nisoratra anarana hizara ny tantarany manokana. Manantena izahay fa hisy ny bilaogin-dahatsoratra fohy isaky ny “mpampiantrano”.

Fandaharam-potoana

(Tsindrio ny anaran'ny mpampiantrano raha hamaky bilaogin-dahatsoratra Fanontaniana sy Valiny)

Aprily 6-12, 2021

Sadik Shahadu [6] (@Sadike25 [7])

Sadik Shahadu is based in Accra, Ghana. In addition to being a co-founder of the Dagbani Wikimedians User Group [8], a Mozilla Open Leaders X fellow [9] and a Mozfest wrangler [10] for Mozilla Festival 2021, he also serves as a regional ambassador [11] for indigenous communities at Art and Feminism [12]. In early 2021, over 4,000 Dagbani words [13] were recorded and uploaded to Wikimedia Commons as part of a campaign to raise the visibility of the language.

Sadik Shahadu [6] (@Sadike25 [7])

Monina any Accra, Ghana i Sadik Shahadu. Ankoatra ny maha mpiara-manorina azy ny Vondrona Mpampiasa Dagbani Wikimedians [8], dia mpikambana ao amin'ny Open Leaders X [9] sady Mozfest wrangler [10] amin'ny Fetibe Mozilla 2021, ary ambasadaorom-paritra [11] ho an'ny vondrom-piarahamonina indizeny amin'ny Zavakanto sy ny Feminisma [12] ihany koa izy. Tamin'ny fiandohan'ny taona 2021, voambolana Dagbani mihoatra ny 4.000 [13] no voarakitra ary nalefa tao amin'ny Wikimedia Commons ho ampahany amin'ny fanentanana hampitomboana ny fahitana ilay fiteny.

Aprily 13-19, 2021

Blessing Sibanda ( @banQomania [14])

I am a software engineer and researcher. I am currently pursuing a Master’s degree in Computer Science at Namibia University of Science and Technology. My research interests are in Computer Vision and natural language processing (NLP). I am part of Masakhane, where I am conducting NLP research on low-resource languages, specifically concentrating on my native language Shona. I have been particularly involved in the machine translation and named-entity recognition (NER) initiatives for Shona.

Blessing Sibanda ( @banQomania [14])

Injenieran'ny rindrambaiko sady mpikaroka aho. Mbola manohy ny mari-pahaizana Master momba ny Siansa Informatika ao amin'ny Oniversiten'ny Siansa sy ny Teknolojia ao Namibia aho izao. Ny tanjoko amin'ny fikarohana dia ny fandalinana ny solosaina (Computer Vision) sy ny fikarakarana ny fiteny natoraly (NLP). Ao amin'ny Masakhane aho, mitarika ny fikarohana NLP momba ireo fiteny tsy manana loharano firy, mifantoka manokana amin'ny tenindrazako Shona. Nandray anjara manokana tamin'ny fandikan-teny ataon'ny milina sy ny hetsika fankatoavana fanekena anarana (NER) ho an'ny Shona aho.

Aprily 20-26, 2021

Paulin Melatagia ( @melatagia [15])

Aprily 27-May 3, 2021

Mohammed Sadat Abdulai ( @masssly [16])

May 4-10, 2021

Kathleen Siminyu ( @siminyu_kat [17])

May 11-17, 2021

Njeri Wangarĩ ( @kenyanpoet [18])