Mbola mikatona ny media sosialy ao Ogandà, herinandro maro aty aorian'ny fifidianana

Afisin'i Bobi Wine, kandidà mpanohitra tamin'ny fifidianana hita eny amin'ny araben'i Kampala, Oganda. Sary avy amin'i James Propa ary nahazoana alàlana.

Nanatri-maso ny fanakatonana tanteraka ny aterineto i Oganda ny tolakandron'ny 13 Janoary 2021, talohan'ny fifidianana filoham-pirenena.

Nilatsaka hofidiana indray ny filoha amperinasa Yoweri Museveni, 76 taona, izay nandray ny fahefana tamin'ny taona 1986, taorian'ny ady anaty akata – ary nitondra ny firenena nanomboka tamin'izany.

Ny mpifanandrina goavana indrindra tamin'i Museveni dia i Robert Kyagulanyi, 38 taona, fantatra amin'ny anarany an-tsehatra, Bobi Wine, mpanao politika lasa mpihira. Lasa mpikambana tao amin'ny parlemanta i Wine, nisolo tena ny fari-pifidianana Kyadondo Atsinanana, tamin'ny taona 2017.

Tamin'ny kabary natao talohan'ny fifidianana, nanambara fandraràna tsy voafetra ny Facebook tao Oganda ny filoha, nilaza fa nanohana ny mpanohitra ny Facebook rehefa nandràra ny kaontin'ireo mpanohana ny antokon'ny fitondrana izy ireo.

Namoaka fanambarana ny orinasam-pifandraisan-davitra MTN, ny 12 Janoary 2021, nilaza fa nahazo toromarika avy amin'ny Vaomieran'ny Serasera Oganda (UCC) izy ireo mba hanapaka ny aterineto:

MTN Uganda informs its esteemed customers and other stakeholders that National Telecommunication Operators in the country, have received a directive from Uganda Communications Commission (UCC) to immediately suspend access and use, direct or otherwise of all social media platforms and online messaging applications over the network until further notice.
MTN Uganda has, in compliance with its National Telecommunications Operator License and in accordance with MTN’s group-wide Digital Human Rights due diligence framework implemented the directive.

Mampahafantatra an'ireo mpanjifany hajaina sy mpiray antoka hafa aminy ny MTN Oganda fa nahazo toromarika avy amin'ny Vaomieran'ny Serasera Oganda (UCC) ireo mpandraharaha fifandraisandavitra nasionaly ao amin'ny firenena mba hampiato avy hatrany ny fidirana sy fampiasana, mivantana na amin'ny fomba hafa ireo sehatra media sosialy rehetra, sy ireo fampiharana fandefasan-kafatra an-tserasera amin'ny tambajotra. mandra-pahatongan'ny fampandrenesana fanampiny.

Nampihatra ny toromarika ny MTN Oganda, ho fanajana ny Fahazoan-dàlana ho an'ny Mpandraharahan'ny Fifandraisandavitra Nasionaly sy mifanaraka amin'ny fanajana ny Zon'olombelona Nomerika manerana ny vondron'ny MTN.

Naverina ampahany tamin'ny laoniny tamin'ny marainan'ny alatsinainy 18 Janoary 2021 ny aterineto, saingy mbola tsy mandeha kosa ny sehatra sosialy, tsy misy ny fanambarana ny amin'ny fotoana mety hamerenana azy ireo.

Nahatonga fatiantoka $ 8,9 tapitrisa USD nandritra ny dimy andro nanapahana tanteraka ny aterineto ny saran'ny fitaovana nanapahana ny aterineto.

Nisioka momba ny fiantraikan'ny fanapahana ny nomerika ao amin'ny firenena ihany koa i Mutegeki Cliff, filoha lefitry ny Internet Society Oganda:

Nitondra fatiantoka $8.937.735 ity fanakatonana aterineto vao haingana tao amin'ny firenentsika ity. Mety nahafahana nanangana fotodrafitrasa ity vola ity.

Miankina amin'ny fampiasana ny rindranasa VPN amin'izao fotoana izao ireo Ogandey. Saingy nopihan'ny governemanta tsy ho azo ampiasaina ny VPN sasany, ary rahonany hosamborina izay Ogandey hita mampiasa tambajotra VPN.

Ogandey marobe no nitatitra fa nihitsoka ny aterineto, izay misy fiantraikany amin'ny lafin'ny asa aman-draharaha, anisan'izany ny banky.

Efa sivy (9) andro izay ny governemantan'i Oganda no nanakana ny media sosialy. Mihitsoka tokoa ny hafainganan'ny aterineto ka tsy azo atao mihitsy ny manao fifanakalozana banky, mamoaka horonantsary, mampifandray laptop amin'ny telefonina. Tsy azo atao ny miditra amin'ny Google Drive sy Google Docs raha tsy misy VPN.

Ny mampihomehy, dia mbola mampiasa media sosialy ny fikambanan'ny governemanta sasany toa ny Polisy Oganda hifandraisana amin'ireo olom-pirenena izay nakatona tamin'ny fomba ofisialy ny tambajotra sosialin'izy ireo.

Tamin'ny 26 Janoary, nisioka fanambarana iray momba ny raharaha famonoana olona ny polisy Oganda:

“Manadihady tranga famonoana olona tamin'ny fitifirana an'i Kyeyune Erica, mpitaingina boda boda izay notifirin'ny olona mbola tsy fantatra ny polisy ao Entebbe” .

Ivom-pifandraisana eo amin'ny namana sy ny fianakaviana ny media sosialy any Oganda ary misy ny fivelarana amin'ny haivarotra nomerika ho an'ireo tanora mitantana orinasa madinika toy ny mpivarotra sakafo, zava-pisotro, lamaody ary mozika.

Miankina betsaka amin'ny media sosialy ireo orinasa madinika ireo satria tsy afaka miditra amin'ny haino aman-jery mahazatra izy ireo noho ny halafosan'ny dokambarotra.

Mitsipaka ny valim-pifidianana ny mpanohitra

Tabilao fametahana fampielezan-kevi-pifidianana an'i Museveni am-perinasa ao Kampala, Oganda. Sary avy amin'i James Propa ary nahazoana alàlana.

Voangona feno ny valim-pifidianana ary nambara ny tolakandron'ny sabotsy 16 janoary, ka ny filoha am-perinasa Museveni no nandresy tamin'izany tamin'ny 58,4 isan-jato, narahin'i Bobi Wine, niaraka tamin'ny 35 isanjaton'ny vato 10,7 tapitrisa.

Nisy fiantraikany lehibe tamin'ny ezaka fampielezan-kevitr'i Bobi Wine ny fanapahana ny aterineto, izay vao avy nanangana ny antoko National Unity Platform volana maro talohan'ny fifidianana, ka vitsy ny rafitra napetraka eny ifotony natao hiaro ny vatony. Natombok'i Wine ny fampiharana Uvote izay natao hampiasain'ny mpiserasera handraketana izay fisolokiana ataon'ny mpifidy sy hampiakarana kopian'ny valim-pifidianana, sary ary horonan-tsary momba ny fanao ratsy amin'ny fifidianana.

Nogadrain'ny miaramila sy ny polisy tamin'ny trano ambenana i Wine hatramin'ny alin'ny 25 Janoary, taorian'ny didim-pitsarana izay nangataka tamin'izy ireo mba hiala ny tranony.

Maromaro amin'ireo mpikambana ao amin'ny antokony toa an'i Nubian Li mpitendry mozika no mbola any am-ponja miatrika fitsarana miaramila noho ny fiampangana fa manana fitaovam-piadiana miaramila.

Ity ambany ity ny hira politika antsoina hoe “Uganda Zukuka” izay midika hoe “Mifohaza Oganda”, avy amin'i Bobi Wine sy Nubian Li:

Bobi Wine tamin'ny fanambarana iray nilaza fa “feno tsy fanarahan-dalàna goavana ny fifidianana, anisan'izany ny herisetra avy amin'ny fanjakana”:

Unfortunately, Museveni yet again committed a coup against the Constitution and the people of Uganda… Like most National and International bodies have noted, this election was marred with massive irregularities including state inspired violence, intimidation and harassment of my supporters, myself and other opposition candidates, ballot stuffing with pre-ticked ballot papers in favour of Museveni, alteration of Declaration of Results Forms, Confiscation of Declaration Forms from our agents by Security Personnel, flawed tallying processes, etc. In many districts across the country our agents were picked from polling stations and detained. To date, many of them are still missing.

Mampalahelo, fa nanao fanonganam-panjakana manohitra ny Lalàmpanorenana sy ny vahoaka Oganda indray i Museveni … Araka ny nomarihan'ny ankamaroan'ny rafitra Nasionaly sy Iraisampirenena, feno tsy fanarahan-dalàna ity fifidianana ity, anisan'izany ny herisetra avy amin'ny fanjakana, fampitahorana ary fanorisorenana ireo mpanohana ahy, izaho sy ireo kandidà hafa avy amin'ny mpanohitra, vatom-pifidianana voasoratra mialoha amin'ny anaran'i Museveni, fanovana ny endrika fanambarana ny vokatra,  fakana fanambarana avy amin'ireo masoivohonay ataon'ny Mpiasan'ny Fiarovana, fanisam-bato feno hosoka, sns. Any amin'ny biraom-pifidianana manerana ny firenena, nesorina teny amin'ny birao fandahatsa-bato sy notazonina ireo mpiasanay. Hatreto dia maro amin'izy ireo no mbola tsy hita.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.