Mandalina ny fifandraisan'ireo fiteny Afrikana sy ny zo nomerika ao amin'ny DRIF 2021

 

Handray anjara amin'ny Sehatra Digital Rights & Inclusion (Zo Nomerika sy Fampidirana) ny Rising Voices ny Alatsinainy  12 Aprily amin'ny alàlan'ny fikarakarana famelabelaran-kevitra mba hiresahana ny filàna ny fandinihana ny fomba tokony hisian'ny tetipanoron'ny zo nomerika momba ny fiantraikan'ny fiteny Afrikana ao amin'ny kaontinanta.

Araka ny Fanambarana Afrikana momba ny Zon'ny Aterineto sy ny Fahalalahana:

 Individuals and communities have the right to use their own language or any language of their choice to create, share and disseminate information and knowledge through the Internet.

Manan-jo hampiasa ny fiteniny manokana na ny fiteny hafa nosafidiany hamoronana, hizarana ary hanaparitahana vaovao sy fahalalana amin'ny aterineto ny olona sy ny vondrom-piarahamonina.

Ho an'ireo vondrom-piarahamonina miteny Afrikana vitsy an'isa, indizeny, na tsy dia manana loharanon-drakitra firy, ny fampiasana sy ny fiarovana an'ity zo nomerika ity dia manana ny fanambiny manokana, ka iray amin'izany ny fametrahana ny lohahevitra ao amin'ny teti-panorona amin'ireo sehatra ifanakalozana momba ny zo nomerika isankarazany. Ilaina ny fampiatiana bebe kokoa ireo fitenin'ny vondrom-piarahamonina izay miasa hizorana amin'ny fahamaroan'ny fiteny kokoa amin'ny aterineto.

Hiresahana fanontaniana momba ny fanamby ho an'ny vitsy an'isa, indizeny, sy ireo vondrom-piarahamonina miteny afrikana tsy dia ampy fitaovana amin'ny famoronana na fidirana amin'ny votoaty nomerika amin'ny fitenindrazan'izy ireo ity famelabelaran-kevitra ity. Henointsika ny zava-niainan'ireo mpikatroka nomerika fiteny Afrikana miisa efatra amin'ny fiteny Igbo, Swahili, Twi, ary Yorùbá izay mampiasa ny fomba “Do-It-Yourself” (ianao ihany no manao azy) hiantohana fa misy amin'ny aterineto ny fitenin'izy ireo amin'ny alàlan'ny famoronana ny votoaty nomerika, amin'ny fanampiana ny fananganana fitaovana, sy ny fampiofanana sy ny fampianarana ireo mpampiasa ny fiteny hafa amin'ny fiteniny mba handray anjara amin'ny aterineto.

Handray anjara amin'ny famelabelaran-kevitra an-tsehatra ny mpikatroka nomerika fiteny Afrikana miisa efatra ao anatin'ny fanentanan'ny tambajotra sosialy 2019 @DigiAfricanLang. Hizara ny fomba fijerin'izy ireo momba ny filàna aterineto manana kolontsaina sy fiteny samihafa i Zita Ursula Zage, Tochi Precious Friday, Bonface Witaba, ary Adéṣínà Ayẹni (Ọmọ Yoòbá). Eddie Avila, talen'ny Rising Voices no handrindra ny famelabelaran-kevitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.