- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nipoaka indray i La Soufrière ao St. Vincent tamin'ny tsingerintaona faha-42 fipoahana lehibe farany

Sokajy: Karaiba, St. Vincent & the Grenadines, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Siansa, Tontolo_iainana, Voina
[1]

Ny lavaky ny volokano La Soufrière ao St. Vincent. Sary [1] avy amin'i Dave Brown ao amin'ny Flickr, CC BY-NC-ND 2.0 [2].

Tokony ho tamin'ny 6:30 maraina (GMT-4) tamin'ny 13 Avrily, nirefotra indray La Soufrière, stratovolokano [3] ao Saint Vincent sy Grenadines, taorian'ny andiana fipoahana nanomboka ny 9 Avrily [4] [mg].

Rehefa hita ho nihetsiketsika ny volokano tao anatin'ny efatra andro, na ny loharanom-baovao ofisialy na ny mpikirakira aterineto dia efa samy nahamarika ny fipoahana vao haingana tao amin'ny nosy St. Vincent, satria io no daty manamarika [5] ny faha-42 nampirefotra farany an'i La Soufrière tamin'ny taona 1979:

42 taona tamin'ity andro ity izy no nirefotra, mahatsiaro ny tsingerintaonany amin'ny alalan'ny fipoahana iray hafa i La Soufriere. Nanomboka tamin'ny enina ora sy sasany maraina izany ary mbola azo jerena. Manaramaso hatrany isika

[Nihetsika] indray izy

Milahatra, mahatsiaro ny fipoahany 42 taona lasa izay La Soufrière – mahagaga!

Sioka iray, nampiseho ny firefotra avy amin'ny toerana iray any St. Lucia, no mampiseho hoe mifanakaiky tahaka ny ahoana moa izany ireto tangoronosin'i Karaiba ireto, na eo aza ny fanantenana hoe aleo hijanona ao amin'ny Faritra Mena ao St. Vincent ihany ny lavenona avy amin'ny fipoahana farany ao, fa tsy hiparitaka any amin'ireo faritra hafa:

Pikantsary androany maraina fipoahan'i La Soufrière jerena avy aty Soufriere an'i St Lucia;
Tokony ho 35 kilaometatra avy ao La Soufrière any St Vincent i Soufrière ao St. Lucia (sary avy amin'ny tsy fantatra)

Miady mafy amin'ny fielezan'ny lavenon [25]‘ilay volokano ny firenena hafa toa an'i Barbados sy Grenada, izay mitondra traika ara-pahasalamana ihany koa:

?ho an'ny vahoaka tratran'ny lavenona volkanika ao #StVincent [27], #Barbados [28], #Genadines [29], #StLucia [30]. Salama, izaho no talen'ny Tambajotra Iraisampirenena misahana ny Fahasalamana amin'ny volokano (#IVHHN [31]). Ny @uwiseismic [19], @PAHOemergencies [32] & ny sampandraharaha hafa dia samy manondro ny torohain'ny IVHHN eo amin'ny resaka voina amin'ny fahasalamana amin'ny resaka lavenona sy etona

Tatitra avy any Antigua sy Barbuda, anefa, mampitandrina [35] fa mety “hidina ambany dia ambany” ny kalitaon'ny rivotra raha vao mahatratra ny moron-dranomasiny ny lavenona volkanika. Ho andrasana ihany koa ny hisian'ny dioksida solifara, ny etona tsy miloko nefa manaikitra avoakan'ny volokano rehefa mamoaka ny magma an-tanety.

Ao amin'ny Facebook, mametraka [36] ny Foibem-pikarohana ara-sismika ao amin'ny Oniversiten'i Les Antilles fa raha fanangonana lahatahiry amin'ny fihintsanan-davenona mba hahatakarana bebe kokoa momba ity fipoahana ity, dia “momba ny fandrefesana sy ny antanan-tohatra” izany rehetra izany. Nozarain'ny pejy ihany koa ny sarin'ny [37] hazo voaniho nidaboka noho ny havesatry ny lavenona, manamarika fa “mandravarava ao anatin'ny fotoana fohy ny fiantraikany amin'ny zavamaitso saingy ahazoana tombony kosa raha lavitr'ezaka,” satria betsaka mineraly ny lavenona.

Koa satria mihamatroka hatrany ny endritanin'i St. Vincent, mihabetsaka ny ahiahy amin'ny fahasalaman'ny mponina tsy manaiky handao  [38] ny fonenany ao amin'ny “Red Zone” [Faritra Mena] sy ny fiainan'ny vorona sy biby mpirenireny hafa [39]:

Renirano maina midonan-tsetroka ao Rabacca

Na eo aza anefa ireo fanamby, nampiray hina ny faritra [42] ny fipoahan'i La Soufrière ary nitondra ny tsara indrindra eo amin'ireo vondrom-piarahamonina. Mponina iray avy ao Kingstown, Michelle Gormandy-Haddaway, nanazava fa ny Vincentiana “dia hanampy ny hafa amin'izay kely ananany”—fihetseham-po izay voamarin'ity siokan'ny Profesora Richard Robertson mpandalina volokano ity:

Eo anivon'ny fahatsiarovana ny fipoahan'ny volokany lasoufrière vao haingana avy amin'ny mpiray vodirindrina amintsika… mahatalanjona ity firenena ity zalahy e ?!

Na mametraka lalana hafa avy amin'ilay Vincentiana mpikirakira Twitter Heidi Badenock:

Andro iray hafa, firefotra iray hafa. Manafaingana isika. Andro fahadimy LaSoufriere.