- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Fipoahana voamarina” tao amin'ny volkano La Soufrière ao St. Vincent

Sokajy: Karaiba, St. Vincent & the Grenadines, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Voina

Sarin'ny volkano Soufriere tany St.Vincent nalefa tao amin'ny kaonty media sosialin'ny Foibem-pikarohana momba ny Horohorontany (UWI Seismic Research Center).

Niseho [1] ny faminanian'ireo manam-pahaizana momba ny horohorontany fa hiafara amin'ny fipoahana [2] ny fivangongoana sy ny fitabataban'ny volokano La Soufrière St. Vincent sy Grenadines.

Tamin'ny 8:52 maraina (GMT-4) tamin'ny 9 aprily, nisioka  [3]teny telo monja ny Birao Nasionalin'ny Fitantanana Vonjy Taitra (NEMO) — “Voamarina ny fitrangan'ny fipoahana” – vaovao farany narahan'ny sioka manaraka fotoana fohy taty aoriana:

Nifindra ho amin'ny fipoahana i La Soufriere. Miakatra hatramin'ny valo kilometatra ny volony. Andrasana ao anatin'ny dimy minitra ny filatsahan'ny lavenona

Taorian'ny fivoriana maika ny tolakandron'ny 8 aprily, nanomboka namindra olona [5]teo amin'ny 20000 monina akaikin'ny volkano any avaratry ny nosy ny governemanta, manodidina ny 18 isanjaton'ny mponina iray manontolo ao amin'ny firenena izany.

Nanomboka tamin'ny enina maraina tamin'ny 9 aprily, nanamafy [6] ny NEMO fa “mitohy ny fialana amin'ny faritra mena mankany amin'ny faritra azo antoka”. Samy nisy famindran-toerana [7] natao na an-tanety [8] na an-dranomasina [9], miaraka amin'ireo faritany maromaro, ao anatin'izany i St. Lucia sy Barbados, izay manolotra handray ireo olona afindra toerana.

Nandefa sarina satro-trano nalaina taloha kelin'ny filentehan'ny masoandro izay voasarona hazavana manjelatra mampiahiahy ny Foibem-pikarohana Horohorontany ao amin'ny Oniversiten'ny Les Antilles:

Ny sary faran'ny satro-trano nalaina talohan'ny filentehan'ny masoandro avy eny an-tampony tamin'ny fakan-tsarin'ny @VincieRichie [10] mampiseho ny satro-trano mamiratra ankehitriny ary tombanana ho eo ambonin'ny rindrin'ny hantsana atsimo ankehitriny ny haavony. Araho izahay sy @NEMOSVG [11] raha hijery vaovao fanampiny.

Vao maraimbe, dia nampiseho hetsika bebe kokoa ny sary:

Ny fanombohan'ny andro vaovao. Sary naseho naharitra nalain'i Roderick Stewart, mpahay momba ny volkano, ao amin'ny Belmont Observatory vao maraina be androany. Afaka mahita mazava ny famirapiratra avy amin'ny satro-trano vaovao ianao. Manohy manara-maso sy manome vaovao ny @NEMOSVG [11] sy ny Foibe.

Sary farany avy eny amin'ny tampon'ny La Soufriere. Azo jerena avy amin'ny wharf any Chateaubelair ny satro-trano.

Hatreto aloha, voarakitra [23] ny volon-davenona hatrany amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Argyle [24], izay manodidina ny 19,2 km miala ny volkano.

Mpikirakira haino aman-jery sosialy maro no nizara sary sy lahatsarin'ilay fipoahana no sady niangavy ny hafa mba hiaro tena:

Namoaka sary fotsiny misy ny La Soufriere St.Vincent.. Miarova tena ANKEHITRINY

Afaka namoaka ny rehetra niala ny faritra mena ve izy ireo talohan'ny nipoahan'i La Soufrière minitra vitsy lasa izay ??? Mampatahotra tsotra izao. ?

Fahitana iray hafa avy eny an-toerana #LaSoufrière

Mpikirakira Twitter iray nanamarika fa nitranga telo andro monja talohan'ny tsingerintaona faha-42 nisehoan'ny volkano farany ity fipoahana ity:

Andriamanitro, mila miantso ny raiko aho! Tsingerintaona nahaterahany androany -82 taona?. Lasa adala ny findaiko. Hafatra. Raiki-tahotra ny vahoaka – Nipoaka ny La Soufriere taloha kelin'ny tsingerin-taonany 12 aprily 1979 fony aho zaza tany St Vincent. Mamindrà fo Tompoko ??

Nifoha tamin'ny voninahiny rehetra mampatahotra ny fahalehibiazan'i #LaSoufrière [28]

Na dia nivoaka aza ireo vavaka tao amin'ny media sosialy ho an'ny mponin'i St.Vincent sy Grenadines, niahiahy ny mpiserasera sasany raha mety hiteraka tranga hafa ao amin'ny faritra ny fipoahan'ny La Soufrière, fanontaniana iray napetrak'i @uwiseismic tamin'ity sioka ity:

Matetika misy fiantraikany amin'ny faritra manodidina ny volkano ny VT. Tsy dia lalina sy kely habe ny ankamaroany ka tsy goavana loatra ny fiantraikany. Ny volkano ao amin'ny EC dia tsy mifandray, samy manana efitrano magma tsy miankina avokoa izy ireo ka mety tsy hitarika iray hafa ny fipoahana ao amin'ny anankiray.

Ny sasany kosa nanandrana naminavina ny lalan'ny famoahana ilay volkano:

Raha misy  ny fipoahana avy any La Soufriere, dia manahy aho fa hanaraka an'io faritra io hatrany atsimo andrefana izy fa tsy hianatsimo avy hatrany. Tsy misy fomba hahalalàna an'izany izao, na izany aza.

Mpikaroka volkano iray hafa, Dr. Jazmin Scarlett, izay noderaina [40] tamin'ny fizarana vaovao tsy tapaka tao amin'ny Twitter, nanamarika fa nitondra aingam-panahy ho an'ny lalan'ny asany ny tantara nampisavorovoro tao St.Vincent. Nahafaty Teratany Kariba Mainty hoditra maro izay noroahin'ny governemanta mpanjanatany britanika hipetraka ao amin'ny Sandy Bay eo ambanin'ny aloky ny volokano ny fipoahan'ny La Soufrière tamin'ny taona 1902 :

Tsy raharahako na tsy manana asa amin'ny volkanolojia aza aho, izany no nahatonga ahy ho lasa mpikaroka momba ny volkano, mba hanampy ny fianakaviako sy ny namako any St.Vincent. Namaky sy nihaino ny zava-nitranga tamin'ireo razambeko teratany sy nandevozina aho. Tsy misy na iza na iza na zavatra hanakana ahy hanao izay tsara.

Na dia ankehitriny aza, manana fiaviana indizeny [42] ny ankamaroan'ny mponina ao amin'ny faritra avaratry ny nosy. Ny fanantenana amin'ity fipoahana farany teo ity dia ny tsy hamerenan'ny tantara azy indray.