Manangan-drantsan-tànana telo ireo artista ho fanohanana ireo mpanao fihetsiketsehana ao Myanmar

 

Asakanto natambatra mampiseho ny rantsan-tànana telo mariky ny demokrasia. Sary avy amin'ny tranonkala Atsangano ny Rantsan-tànana Telo.

Ny fanentanana antsoina hoe “Atsangano ny Rantsan-tànana Telo” no nanetsika ny mpanakanto eran'izao tontolo izao haneho fanohanana ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanonganam-panjakana tao Myanmar.

Naka ny fahefana tamin'ny 1 Febroary ny tafika mitam-piadiana ao Myanmar saingy notoherin'ireo olom-pirenena mafy te-hanohy ny tetezamita demokratika ao amin'ny firenena izany. Ireo mpanao sariitatra, poeta ary mpanakanto hafa no anisan'ireo sahy nidina an-dalambe nihaika ny fanonganam-panjakana.

Nampiasain'ny mpanao fihetsiketsehana ny tsangan-drantsan-tànana telo ho mariky ny fifandanana [fifaharana]. Nalaina tao amin'ny sarimihetsika Hollywood Hunger Games izay nalain'ny mpanao fihetsiketsehana mpanohana ny demokrasia tany Thailandy ihany koa izany.

Mpikambana miisa 6.000 no azon'ny pejy an-tserasera Art for Freedom (Myanmar) tamin'ny voalohany izay nizara asakanto toy ny afisy sy sary azo zaraina sy ampiasain'ny mpanao fihetsiketsehana maimaimpoana. Mpanakanto marobe no nampiditra ny sary famantarana ny rantsan-tànana telo tao amin'ny haibikan'ny fanoherana ataon-dry zareo.

Izany dia nitarika ny fiaraha-miasa teo amin'ny Art for Freedom Myanmar, Latt Thone Chaung, ary ny Fikambanan'ny Mpanao Sariitatra Matihanina izay lasa fanentanana tamin'ny “Atsangano ny Rantsan-tànana Telo”.

Nandrisika ny mpanakanto handefa asakanto mampiseho ny kisary famantarana rantsan-tànana telo izany ary nozaraina tao amin'ny tambajotra sosialy. Mikendry ny hanairana ny saina bebe kokoa sy hanomezana fanampiana mivantana ho an'ny hetsiky ny demokrasia ao Myanmar ny fanentanana.

Our collective influece will create mass awareness and drive urgently needed support and funding for the democracy movement in Myanmar.

Hanaitra ny sain'ny besinimaro ny hetsika ifarimbonantsika ary hitondra fanohanana sy famatsiam-bola ilaina maika ho an'ny hetsiky ny demokrasia ao Myanmar.

Tamin'ny 29 Marsa, nahangona asakanto miisa 954 avy amin'ny firenena miisa 23 ny fanentanana.

Asakanto iraisan'ny mpanao hosodoko maherin'ny 100 miaraka amin'ny fo mitempo mitovy .. Tena reharehako ny mandray anjara ao anatin'izany !

Aza misalasala mandika sy mizara

Anisan'ny nandray anjara tamin'ny fanentanana ilay mpanakanto avy ao Myanmar Nyi Maw ary nanazava ny maha-zava-dehibe ilay sary famantarana tamin'ny fanambarana an-gazety navoakan'ny mpikarakara:

When we see somebody, and we raise three fingers, we know the movement is still alive. There is still hope.

Given the incredible unity of the people, the outpouring of art, and support that’s coming to us without anybody asking, I think we’re already winning this revolution.

Rehefa mahita olona isika, ary manangan-drantsan-tànana telo, dia fantatsika fa mbola velona ny hetsika. Mbola misy ny fanantenana.

Noho ny firaisankinan'ny vahoaka tsy mampino, ny firoboroboan'ny zavakanto, ary ny fanohanana azontsika nefa tsy mangataka na inona na inona, heveriko fa efa an-dalam-pandresena amin'ity revolisiona ity isika.

Nanonona an'i Raven, mpanakanto iray hafa ao Myanmar, ihany koa ny fanambaran'i Nyi Maw izay nanasongadina ny antony manosika ny mpanao fihetsiketsehana:

There are a lot of things that have been robbed from us, for over 60 years. I don’t want to go back there. I don’t want my children to be a victim of that. So I did it for myself, and for the children I haven’t even had yet.

Betsaka ny zavatra norobaina tamintsika, nandritra ny 60 taona mahery. Tsy te hiverina amin'izany aho. Tsy tiako hiharan'izany ny zanako. Ka nataoko ho an'ny tenako izany, ary ho an'ireo zanaka izay mbola tsy ananako akory.

Nanoratra momba ny anjara asan'ny firaisankina manerantany tamin'ny fanohanana ny fifandanana i Nobel Aung, ilay mpanakanto avy ao Myanmar :

We need our people to know that the world is with us and to know we are on the right side and to know we are not alone.

Mila fantatry ny olontsika fa miaraka amintsika izao tontolo izao ary mizotra amin'ny làlana mety isika sy mahafantatra fa tsy irery isika.

Fanentanana mahery vaika sy feno famoronana ao amin'ny #WhatsHappeningInMyanmar@Raise3Fingers #ThreeFingers [ Inona no mitranga ao myanmar@Atsangano ny rantsantànanatelo #Rantsantànanatelo: hetsika fanentanana ataon'ireo mpanakanto sy mpamorona ao #Myanmar ifarimbonan'ireo vondrom-piarahamonin'ny zavakanto manerantany sy hanasongadinana ny halehiben'ireo krizy momba ny zon'olombelona sy ny maha-olombelona.

Nanao antso tamin'ny mpanakanto namany tany ivelan'i Myanmar ny PEN Myanmar:

We know that the situation must ultimately be solved by the people of Myanmar. But we call on the international community to do what they can to support us in our fight for democracy. As creative professionals from Myanmar, we call on our creative brothers and sisters across the world, and from all artistic communities, to stand up and show solidarity with us in our struggle and support those in need!

Fantatsika fa ny vahoakan'i Myanmar no tokony hamaha farany indrindra ny toe-draharaha. Saingy manao antso amin'ny fianakaviambe iraisampirenena izahay mba hanao izay azony atao hanohanana anay amin'ny ady ho amin'ny demaokrasia. Amin'ny maha-mpamorona matihanina avy ao Myanmar anay, dia miantso ireo rahalahinay sy anabavinay mpamorona manerana an'izao tontolo izao izahay, ary ireo avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny asakanto rehetra, mba hijoro sy haneho firaisankina miaraka aminay amin'ny tolona ataonay sy hanohana ireo izay mila izany!

ho valin'ny antso nataon'ny Atsanganonyrantsantànana3. Saika handefa ny hafatra aho omaly nefa ketraka tao anaty fahanginana. Ahoana no ahasahinareo mitifitra ankizy sy mandoro olona? Habibiana!

Sarotra ny tsy ho very fanantenana. Fa raha manao izany ianao dia mandresy izy ireo.

Eny tokoa, mpanakanto marobe ao Myanmar no nanao vivery ny ainy tamin'ny fanoherana ny fitondrana miaramila. Betsaka no nanatevin-daharana ny mpanao fihetsiketsehana ankoatra ny fizarana ny asakantony ho fitaovam-piadian'ny fifandanana. Ny fanentanana toy ny Atsangano ny Ratsan-tànana Telo no fampatsiahivana fa ilaina ny fitohizan'ny fiaraha-miasa lehibe manerantany amin'ny fanitarana ny firaisankina sy ho fanampiana amin'ny tolona ho amin'ny demaokrasia ao Myanmar.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.