- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Am-polony no maty ary nafindra toerana ny mponina tao an-tanàna tamin'ny fanafihana vaovao nitranga tany Cabo Delgado, Mozambika

Sokajy: Mozambika, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana

 

Tetezana mametra an'i Cabo Delgado, Mozambika avaratra, 4 Aogositra 2009. Saripikan'i [1] F. Mira tamin'ny alàlan'ny CC BY-SA 2.0.

Nisy fanafihana iray hafa ihany koa nitranga tany amin'ny faritany avaratr'i Mozambika, Cabo Delgado. Ny tolakandron'ny 24 Martsa  [2]lasa teo dia nisy andian-dehilahy nitam-piadiana nanafika ny afovoan-tanànan'i Palma, izay eo akaikin'ny toerana misy ny asa fanodinana [3]etona voajanahary lehibe indrindra atsy Afrika, tantanan'ny orinasa frantsay Total.

Nahafatesana sivily am-polony [4] ny fanafihana, ary nafindra toerana ireo mponina tao amin'ny tanàna. Tsy mbola misy ny tarehimarika ofisialy satria mbola mitohy ny ady amin'ny tafika.

Fantatra [5]fa vahiny iray, fara fahakeliny, avy any amin'ny firenena Afrika Atsimo, miasa ao amin'ny asa fanodidina etona no maty.

Efa nandritra ny telo [6]taona mahery ny faritany avaratr'i Cabo Delgado no niharan'ny [7]fanafihana izay nataon'ny fanjakana mitonontena ho Islamika. Nanomboka tamin'ny volana Oktobra 2017 izany rehetra izany, rehefa notafihin'ny lehilahy mitam-piadiana ny tobin'ny polisy.

Nanomboka tamin'izay, efa maherin'ny [8]2.000 no olona maty noho ny fanafihana ary 700.000 mahery no nafindra toerana ao anatiny, maro [9]amin'izy ireo no ao an-drenivohitr'i Cabo Delgado, Pemba ankehitriny. Tombanan'ny [10]UNICEF fa ankizy ny antsasak'ireo nafindra toerana ireo.

Tahaka ny tamin'ny fanafihana hafa, voalaza [11]fa ny Fanjakana Islamika (ISIS) ihany koa no tompon'andraikitra tamin'izany.

Tamin'ny 10 Martsa, nampidirin'i [12]Etazonia tamin'ny fomba ofisialy tao anatin'ny lisitr'izy ireo misy ny fikambanana mpampihorohoro ny vondrona mahery fihetsika silamo miisa roa – ny iray avy any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo (RDC) ary any Mozambika ny iray. Niampanga ireo fikambanana roa ireo ho manana fifandraisana amin'ny ISIS ny governemantan'i Etazonia.

Efa ho herinandro taorian'ny fipoahana, tamin'ny Talata 30 Martsa teo, nanambara [13]ny fantsom-pahitalavitra tsy miankina STV fa tafaverina tamin'ny Hery Fiarovana sy ny Tafika Mozambikana ny tanàna, saingy minitra vitsy taorian'izay dia nihemotra izy ireo rehefa nanamarika fa nisy fanafihana maro hafa nitranga.

Esta terça-feira, depois de garantias das FDS de que a situação estava controlada, equipas de reportagem que estão no terreno, a acompanhar a situação, testemunharam situações de trocas de tiros, mostrando que a situação continua fora do controlo.

Tamin'ity talata ity, taorian'ny fanomezan-toky avy amin'ny mpitandro ny filaminana fa voafehy ny toe-draharaha dia nanatri-maso ny fifampitifirana ireo ekipa mpitatitra vaovao manara-maso ny toe-javatra, nampiseho fa tsy mbola voafehy ny toe-draharaha.

Taorian'ny zava-niseho tamin'ny faha-24 Martsa, fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena maro no niantso [14]ny filoham-pirenena hanazava ampahibemaso ny zava-nitranga. Notakian'ireo fikambanana ireo ny filoham-pirenena mba hangataka fanampiana iraisam-pirenena hiadiana amin'ny vondrona mitam-piadiana any avaratr'i Mozambika:

Exigimos informação regular e atempada pelo chefe de Estado sobre a situação de Cabo Delgado, informação exata e desagregada por género e faixa etária das populações afetadas, entre deslocadas, assassinadas e raptadas.

Mitaky fampahalalana tsy tapaka sy ara-potoana avy amin'ny filoham-panjakana momba ny toe-draharaha any Cabo Delgado izahay, vaovao marina avy amin'ny sokajin'olona sy ny sokajin-taona misy an'ireo mponina voakasik'izany, anisan'izany ireo nafindra toerana, novonoina ary nalaina ankeriny.

Ho valin'izany, nanao fanambarana [15]ny Alarobia lasa teo ny filoham-pirenena Filipe Nyusi izay nanentanany ny vahoaka mba tsy hisendoatra, ary nilaza fa nisy fanafihana lehibe kokoa nitranga tao amin'ny faritany. Nilaza ihany koa i Nyusi fa tokony hialana ny karazana fanelingelenana rehetra:

Foi mais um ataque. Não foi maior do que tantos outros que tivemos, mas tem esse impacto por ter sido na periferia dos projetos em curso naquela província.

Não percamos o foco, não fiquemos atrapalhados. Vamos abordar o inimigo como temos estado a abordar, com alguma contundência, como as Forças de Defesa e Segurança estão a fazer, porque a falta de concentração é o que os nossos inimigos internos e externos querem.

Nós temos que nos concentrar, abraçarmo-nos e avançarmos. Temos estado, segundo a segundo, a seguir o trabalho que os jovens no terreno estão a fazer.

Fanafihana hafa indray io. Tsy lehibe noho ny maro hafa efa hitantsika izany satria nitranga teo akaikin'ny fifampitifirana niseho tao amin'io faritany io.

Aoka isika hifantoka , aoka isika tsy ho varimbariana. Hiatrika ny fahavalo isika toy ny efa nataontsika, tamim-kery, toy ny ataon'ny Hery Fiarovana sy ny Tafika, satria ny tsy fisian'ny fifantohana no tadiavin'ny fahavalontsika anatiny sy ivelany.

Tsy maintsy mifantoka isika, mifamihina ary mandroso. Manaraka isa-tsengotra ny ady ataon'ny tanora any an-toerana isika.

Ho fanohanana dia handefa [16]miaramila miisa 60 hampiofana ny tafik'i Mozambika i Portiogaly ato ho ato.