Tantara tamin'ny 31 Marsa 2021
Ao Azerbaidjana, nandrehitra indray ny resaka momba ny herisetra an-tokantrano ny nahafatesan'ny vehivavy tanora iray
Ao Azerbaidjana, ny tantaran'i Sevil dia akon'ireo herisetra ara-batàna sy ara-tsaina zakain'ireo vehivavy noho ny ataon'ireo olona iarahany monina, na ireo hafa mpikambana ao anatin'ny fianakaviany ihany.
Niantso ny hanaovana fifidianana mialoha amin'ny volana Jona mba hanamaivanana ny krizy ny Praiminisitra Armeniana
Notakiana imbetsaka ny filoham-pirenena hametra-pialana nanomboka ny volana Novambra rehefa nanao sonia fifanarahana fandriampahalemana namarana ny ady tamin'i Haut-Karabakh izay naharitra enina herinandro, izay nolazain'ny Armeniana maro fa tsy mifandanja satria manome tombony an'i Azerbaijan.
Taratasim-baovaon'ny RV: Nahazo loka iraisam-pirenena ny Activismo Lenguas noho ny famelomana indray ny tenindrazana.
Ny taratasim-baovaon'ny Rising Voices dia manome ireo rohy mankany amin'ireo zavatra azo araraotina mifandraika amin'ny fampiatiana nomerika, isan'izany ny fahafahana miditra sy ny fandraisana ireo fitaovana dizitaly, ary hatramin'ireo fomba maro isan-karazany ahafahan'ireo mpiaramonina handray anjara feno anaty aterineto.