- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanampiana noho ny maha-olona ao Siria: Fotoana izao ialàna amin'ny fiankinandoha ka hizorana ho amin'ny fandaharanasa maharitra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Vonjy Voina, Ny Tetezana - The Bridge

Fanampiana naterin'ny Islamic Relief ho an'ireo siriàna mpialokaloka, sary nahazoana alàlana.

Ny mpanoratra ity lahatsoratra ity dia mpanorina ny Islamic Relief sy ny “The Humanitarian Forum” sy ny “Muslim Charities Forum”, ary mpikambana koa ao anatin'ny filankevi-pitantanan'ny “Center for Interfaith Action on Global Poverty” (ivontoerana iraisampinoana fanaovana hetsika handresena ny fahantrana erantany).

Ho fahatsiarovana mangidy no marihana ny 15 Martsa 2021— tsingerina faha-10 taona [1] nanombohan'ny fitroaram-bahoaka nitarika ho amin'ny ady an-trano mandrehitra an'i Siria hatramin'ny anio. Raha isika rehetra miady amin'ilay olana mahafaty ateraky ny valanaretina COVID-19, izay misarika ny sain'izao tontolo izao nandritra ny herintaona, tsy tokony ho adinontsika koa ny fahafatesana sy ny faharavàna mandrovitra an'i Siria sy mitohy mitatao amin'io firenena io.

Tafiditra ho ao anatin'ireo korontana efa naharitra am-polo taona mikiky ao Siria amin'izao fotoana izao ny valanaretina iraisampirenena [2], izay tena namely mafy an'i Siria, ary tena vao mainka nanamafy ny toedraharaha efa sarotra rahateo ary koa manohintohina ireo ezaka napetraka hiatrehana ny tsy fahafahana mahazo trano fonenana, fanabeazana, rafitra ara-pahasalamàna ao amin'ny firenena.

Mazàna no mety hahaketraka ny antontanisa, saingy ilaina tsindriana manokana ny sasantsasany amin'izy ireny tamin'ny faran'ny taona 2020 tao Siria: nihoatra ny 11 tapitrisa ireo olona, ka 4,8 tapitrisa dia ankizy, [3]no mbola mila ny fanampiana noho ny maha-olona; ary 6,1 tapitrisa [4] ireo olona mbola tavela nafindra toerana ao anatiny ihany.

Manampy ireo tarehimarika ireo ny  ankizy mihoatra ny 2,4 tapitrisa tsy tafiditra an-tsekoly, manodidina ny 40 isanjatony dia ankizvavy [5], antontanisa izay azo inoana fa tsy nandray ho anatin'ny fandinihany ny fikorontanana nateraky ny COVID-19 teny anivon'ny sehatry ny fampianarana. Ankoatra izany, ny ampahatelon'ireo sekoly ao Siria no tsy azo ampiasaina intsony satria rava, simba na nalain'ny tafika ho ampiasainy. Na any amin'ireo sekoly mbola afaka mihodina aza, hipoka ny efitrano fianarana ary any amina tranobe tsy ampy rano sy fotodrafitrasa fidiovana, tsy misy herinaratra, fanafanàna, na fanodinan-drivotra, olana mbola atrehana isanandro koa ho an'ny ankamaroan'ny vahoaka ao amin'ny firenena. Tena taona iray nahery setra manokana ny 2020 ho an'ireo ankizy ao Siria [6],  araka ny hita amin'ny isa maroben'ireo maty sy maratra.

Raha resaka trano fonenana ao Siria indray, mbola marobe tokoa ireo olona nafindra toerana ao anatiny ihany, na mipetraka any an-toby, toy ny ao Al-Hol any amin'ny faritra avaratra-atsinanana ambany fifehezan'ny Kiorda, toerana misy vahiny sy teratany Siriàna maherin'ny 70.000 [7]monina, ka 90 isanjato mahery amin-dry zareo dia zaza amam-behivavy. Marobe ny Siriàna no nanandrana niverina an-tanindrazana saingy tsy maintsy niaina tanaty fepetra tsy zarizary amin'ny resaka trano fonenana.

Na nisy aza fametrahana tambajotra lehibe misy ireo fanampiana iraisampirenena noho ny maha-olona tao Siria nandritra ny ady an-trano, tsy ampy izany ary tsy ireo tena nila azy no nahazo ny fanampiana.

Misy ny marimaritra iray tsy mitsahatra mitombo momba ny filàna mamerina mandinika ny fandaharanasa fanampiana sy ny famatsiambola ho an'ireo taona dimy hoavy, tsy ho an'i Siria ihany fa na aiza na aiza misy vahoaka miatrika olana mandavantaona noho ny maha-olombelona. Tsy ela akory izay, napetraka ny  Humanitarian-Development-Peace Nexus [8], tao Siria sy tany amin'ireo firenena hafa miatrika olana. Araka ny fanamafisan'ny antontankevitra iray avy amin'ny Oxfam, nivoaka tamin'ny Jona 2019, ny rohim-pifandraisana tahaka izany dia “mifantoka amin'ny asa ilaina mba hiatrehana tsara ny fahosan'ireo vahoaka nialoha, mandritra ary aorian'ilay olana. Fanamby atrehany ny tsy fihetsehan'ny rafitra fanampiana, tototra sy tsy misy fandrindràna tena izy eo amin'ireo samy tetikasam-pampandrosoana sy ireo mpisehatra amin'ny maha-olombelona, ka tsy afaka ny hamaly amin'ny fomba mahomby ny filan'ireo olona tena marefo.”

Ho an'i Siria, misy fanalahidy dimy fototr'io làlan-kevitra vaovao io: fifantohana lalina amin'ireo fandaharanasa maharitra izay manome risipo ireo olona mpisitraka azy mba ho lasa mizaka tena ka hahazoana tamberina tsara sy mba hampiasàna araka ny tokony ho izy ny vola voaangona; fampitomboana ny fampiasambola any amin'ny sehatra fanabeazana ivelany sy anatin'ny rafitra; fomba vaovao hiatrehana ny tsy fahampiana henjana be amin'ny resaka trano fonenana, ka tanjona amin'izany ny hampihenana sy hanafoanana mihitsy any am-parany ny fampidirana tafahoatra any an-toby ireo olona nafindra toerana, ary ny filàna paikady vonjimaika ho an'ny resaka trano fonenana ao anatin'ny fotoana fohy; fanamafisana ny setriny avy ao an-toerana amin'ny alàlan'ny famatsiambola avy amin'ireo mpisehatra hafa avy ao an-toerana sy ny fampiasambola any anatin'ireo fandaharanasa fanorenana sy ny fampiroboroboana tena ilaina; ary fanomezana fahafahana misimisy kokoa hisitraka ireo ezaka fanampiana noho ny maha-olombelona any amin'ny faritra rehetra manerana ny firenena, lavitry ny tsipika misy ny ady sy ny sisintany.

Nisy ezaka vitsivitsy nataon'ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakàna mba hanorenana vahaolana maharitra, toy ny fampiroboroboana tetikasa fanorenana trano vaovao ao Siria [9], tranga iray amin'izany ny ataon'ireo ONG Tiorka, indrindra fa nanomboka tamin'ny nandavan'i Tiorkia, izay efa nanome trano fonenana ho ana Siriàna 3,6 tapitrisa mpitsoaponenana [10], tsy hanome alàlana intsony ny hafa handingana ny sisintaniny. Ilaina ny fampitomboana be io karazana fanampiana io, ny fampifandraisana azy mivantana kokoa amin'ireo olona tena mila azy.

Kanefa, sakana iray tena nanana ny lanjany tamin'io ny nandavan'i Etazonia sy ireo mpiaradia taminy tsy hiditra amin'ny fanarenana [11] satria hoe mety hiafara eny an-tànan'ny governemanta siriàna teo ambany fitarihan'i Bashar al-Assad [12]. Nitatra hatrany amin'ny Firenena Mikambana io tsy fihetsehana io, izay tsy nanana olana tamin'ny fanorenana indray toeram-ponenana mihoatra ny 25.000 tany Iràka [13] rava noho ny ady nanoherana ny ISIS,na ny Banky Iraisampirenena, izay mpamatsy voalohany indrindra ireo tetikasa [14] tany Iràka. Toa an'i Etazonia, na ireo fikambanana aza dia tsy nisy nanao na inona na inona tahaka izany ho an'i Siria. Voatery nanitsy ny politikan'i Etazonia ny filoha Biden mba hiantohana ny fisian'ny fanampiana noho ny maha-olombelona omena an'ireo Siriàna tra-pahasahiranana, tsy ijerena izay toerana namindràna azy ireny, na ny ipetrahany.

Ireo tombana ho an'i Siria ny taona 2021, araka ny napetraky ny  Jeritodiky ny Maha-Olombelona Erantany ao amin'ny Firenena Mikambana, dia milaza fa hahatratra 13 tapitrisa amin'ireo vahoaka 17 tapitrisa [15] no ho tra-pahasahiranana. Mandritra izany fotoana izany, ny antso filàna famatsiambola amin'ny 2021 dia ho tafakatra 4,2 lavitrisa dolara amerikàna raha 3,3 lavitrisa dolara amerikàna izany ny 2020 [16]. Ny hany vahaolana ho an'ny famatsiambola iraisampirenena, izay tena nihena be tsy nisy toy izany tokoa tamin'ny 2020 noho ny fiantraika ara-toekarenan'ny COVID-19, mba hahafahany mamaly ireo filàna tsy mitsahatra mitombo ao Siria dia ny miatrika ny rohim-pifandraisana Ny maha_Olombelona-Fampandrosoana-Fandriampahalemana, manao fifampiraharahana miaraka amin'ireo mpiara-mitantsoroka rehetra mba hahatongavana amina vahaolana maharitra ho an'i Siria.