Nampitandrina ny mpitsikera fa mety hanimba ny demokrasia ny hamehana ara-pahasalamana any Malezia

 

Ny Praiminisitra Maleziana Tan Sri Muhyiddin Yassin nandritra ny fivorian'ny parlemantera tamin'ny taona 2020. Sary nalain'i Hasrolhashim tao amin'ny Wikipedia. Loharano: Saripikan'ny Lahatsary YouTube

Ny fanambaràn'i Malezia momba ny hamehana noho ny firongatry ny tranganà COVID-19 ao amin'ny firenena dia nofaritan'ny vondrona maro sy ny mpanohitra ho loza mitatao ho an'ny demokrasia.

Navoaka tamin'ny 14 Janoary ny didy hitsivolana milaza ny hamehana ara-pahasalamana.

Nilaza ny governemanta Maleziana fa nahasoroka ny fiparitahan'ny COVID-19 tamin'ny tapany voalohan'ny taona 2020 izany saingy nisy ny fihanaky ny valan'aretina nandritra ny fifidianana tany amin'ny iray amin'ireo fanjakana tany an-toerana tamin'ny volana Septambra.

Tsy ny tsy fahafahana mivezivezy fotsiny ihany no raràn'ny fepetran'ny fahamehana fa ny hetsika ara-politika ihany koa. Naato ny fivoriana parlemantera ary voarara ny fifidianana. Nomena ny fahefan'ny polisy ihany koa ny tafika hampiharan'izy ireo ny lalàna .

Nanazava ny Praiminisitra Tan Sri Muhyiddin Yassin fa tsy hisy ny fampiharana ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina ary tsy tokony hampitovina amin'ny fitondrana miaramila ny fanambarana hamehana.

Saingy nampisalasala ny fototry ny fanambarana hamehana ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy ny antoko mpanohitra. Niampanga an'i Muhyiddin ho mampiasa ny valan'aretina izy ireo hifikirana amin'ny fahefana amin'ny alàlan'ny fanakanana ny parlemanta hivory sy hamaritra raha mbola manana ny maro an'isa hanangana governemanta izy.

Vondron'ny fiarahamonim-pirenena manodidina ny 75 isa fantatra amin'ny anarana hoe Sehatra CSO ho an'ny Fanovana no namoaka fanambarana maneho ny ahiahiny manolona ny tsy fisian'ny fanaraha-maso ny fahefan'ny governemantan'i Muhyiddin:

While we think the public health crisis must be handled urgently through powers under other laws such as MCO [Movement Control Order], the overreach of executive power without the need for Parliament or state assembly oversight is a tragedy of governance.

Mihevitra izahay fa mila vahan'ny mpitondra maika ny krizy ara-pahasalamam-bahoaka araka ny lalàna hafa toy ny MCO [Didy Fanaraha-maso ny Fivezivezena], voinan'ny fitantanam-panjakana ny fanararaotana ny fahefana mpanatanteraka tsy misy fanaraha-mason'ny Parlemanta na ny antenimieram-panjakana.

Nanesoeso  ny fandrahonan'ny manampahefana hisambotra  ireo mpiseran'ny tambajotra sosialy sy ny olom-pirenena izay hanelingelina ny fampiharana ireo fepetran'ny hamehana ny Ivontoerana ho an'ny Asa Fanaovan-gazety Mahaleotena:

Why such an immediate impulse to silence critics? This foretells a possibility that this emergency is likely to be used to justify arbitrary arrests and investigations that infringe on freedom of expression and other fundamental liberties. This also shows the possibilities of heightened military presence and attempts to further curtail our liberties, which must not be undermined during a public health crisis, and especially not under the guise of an emergency.

Nahoana no nandray fanapahan-kevitra avy hatrany toy izany hampanginana mpitsikera? Izany faminaniana izany dia azo iheverana fa hampiasaina ity hamehana ity hanamarinana fisamborana an-tondromolotra sy ny famotorana izay manitsakitsaka ny fahalalahana maneho hevitra sy ireo fahafahana fototra hafa. Mampiseho ihany koa izany ny mety hisian'ny fahamaroan'ny miaramila kokoa sy ny fikasana hamerana hatrany ny fahafahantsika, izay tsy tokony ho simbaina mandritra ny krizy ara-pahasalamam-bahoaka, ary indrindra fa tsy hatao ao ambadiky ny hamehana.

Nandrisika ny governemanta mba hamerina handinika ny fanomezana fahefana ny tafika hanao fisamborana i Zaid Malek, mpandrindra ny Mpisolovava ho an'ny Fahalalahana.

There is legitimate concern that allowing military personnel to arrest civilians may lead to excessive use of force or other abuses that infringe the civil liberties of the public.

Members of the public should not be treated as enemies and be dealt with by military personnel.

Ara-dalàna ny miahiahy fa mety hiteraka fampiasana herisetra tafahoatra na fanararaotana hafa izay manimba ny fahalalahan'ny olom-pirenena ny famelana ny miaramila hisambotra sivily.

Tsy tokony horaisina ho fahavalo sy hifanehitra amin'ny miaramila ny olon-tsotra.

Nilaza ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona Aliran fa “mitovy amin'ny fifikiran'i Muhyiddin mafy amin'ny fahefana ny hamehana rehefa miharihary fa efa tsy manana ny ampahany manify indrindra ao amin'ny Parlemanta hiaro ny fahefany intsony izy. Nomarihany fa hanimba fiainan'olona maro ny fepetra famerana vaovao:

…no financial and other means of support have been proposed by the regime for the many industries that are still struggling to recover and for the many more Malaysians who have lost their jobs and are now suffering. How are people meant to survive?

… Tsy misy fanampiana ara-bola na fanampiana hafa naroson'ny fitondrana ho an'ireo indostria maro izay mbola miady ho sitrana sy ho an'ireo Maleziana maro izay very asa ary mijaly ankehitriny. Ahoana no fomba hiavotan'ny olona tena?

Notanisain'izy ireo ho an'ny governemanta ireto fangatahana manaraka ireto:

Aliran opposes the abuse of parliamentary democracy in this way. We call for the swift revocation of this emergency declaration, the reinstatement of parliamentary sittings and rule, and the return of power back to our representatives.

Manohitra ny fanararaotana ny demokrasia parlemantera amin'ity fomba ity ny Aliran. Miantso ny fanafoanana haingana an'ity fanambarana hamehana ity izahay, ny famerenana amin'ny laoniny ny fivoriana sy ny fahefan'ny mpanao lalàna parlemantera ary ny famerenana ny fahefan'ny solontenanay.

Nandrisika ny mpisera hanohitra ny fanambarana hamehana amin'ny alàlan'ny fampiasana ny tenirohy #BantahDaruratMuhyiddin na Malay ho an'ny “fanoherana ny fahamehana nataon'i Muhyiddin” ireo mpikatroka mafàna fo sy vondrona fiarahamonim-pirenena .

Nanohitra ny fanambarana hamehana ihany koa ny mpanao politika mpanohitra. Nilaza  ny Praiminisitra teo aloha, Mahathir Mohamad fa “manaisotra ny soritra farany amin'ny zon'ny vahoaka ara-demokratika izany.” Hoy izy namelabelatra tao amin'ny bilaoginy:

…Can the Prime Minister with his power to jail people for up to 10 years and impose a fine of five million Ringgit (1.2 million US dollars) reduce the number of cases?

The problem caused by the pandemic are very many and do not lead to easy solutions. Can the enhanced power of the Prime Minister tackle these problems?

… Moa ve mampihena ny isan'ireo tranga ny fahefan'ny Praiminisitra hanagadra olona hatramin'ny ny 10 taona an-tranomaizina sy ny fampandoavana lamandy 5 tapitrisa Ringgit (1,2 tapitrisa dolara amerikana) ?

Maro ny olana ateraky ny valan'aretina ary tsy mitondra mankany amin'ny vahaolana mora. Afaka mamaha ireo olana ireo ve ny fahefana nomena ny Praiminisitra?

Tamin'ny 26 Janoary, nametraka fangatahana ny lehiben'ny mpanohitra, Anwar Ibrahim, mangataka ny fitsarana mba hamerina hijery ny fanambarana hamehana.

Manan-kery hatramin'ny volana Aogositra 2021 ny fanambarana hamehana raha tsy hoe foanan'ny manampahefana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.