
Saripikan'i cottonbro avy ao amin'ny Pexels. Nampiasaina araka ny Pexels License.
Novelesin'i Pakistan tamin'ny fandrarana fanindroany indray ny fampiasa shinoa TikTok tamin'ny 11 marsa [2021] lasa teo — dimy volana taorian'ny namerenana azy rehetra tratran'ny fandrarana voalohany.
Nobaikon'ny Pakistan Telecommunication Authority (PTA na Fahefana Fifandraisandavitra Pakistan) ny mpanome tolotra aterineto rehetra hibahana ny zotra mankany amin'ny sehatra ho fampanajana ny didim-pitsarana navoakan'ny Fitsarana Ambony ao Peshawar High Court ao Khyber Pakhtunkhwa izay nanoritsoritra ny votoaty TikTok ho “vetaveta fihetsika sy fisaina sady mifanohitra amin'ny fomban-drazana.”
Ny didy dia namaly ny fanambaràna iraisana napetraky ny mponina miisa 40 avy ao Peshawar izay nangataka ny fandrarana ilay fampias lahatsary ho manitsakitsaka ireo fepetra napetraky ny lalampanorenana izay mametra ireo fihetsika mifanohitra amin'ny fitsipi-piainana islamika.
Nisioka ny PTA:
In respectful compliance to the orders of the Peshawar High Court, PTA has issued directions to the service providers to immediately block access to the TikTok App. During the hearing of a case today, the PHC has ordered for the blocking of App.
— PTA (@PTAofficialpk) March 11, 2021
Ho fanajana feno ny didy navoakan'ny Fitsarana Ambony ao Peshawar, namoaka baiko ho an'ireo mpanome servisy ny PTA hanakana avy hatrany ny fidirana amin'ny App TikTok. Nandritra ny fotoam-pitsarana androany, namoaka didy amin'ny fanakanana ny App ny PHC.
Fanindroany izao ny TikTok no voabahana ao amin'ity firenena aziatika atsimo ity. Tamin'ny Oktobra ny PTA nanakana izany tsy misy didim-pitsarana, tamin'ny lazaina fa tsy nanaisotra votoaty tsy mifanaraka amin'ny lalàna izy io.
Nesorina ny fandraràna folo andro taty aoriana, rehefa nanome antoka ho an'ny manampahefana Pakistaney ny orinasa ByteDance renin'ny TikTok fa hohamafisiny ny fanarahamaso sy fanalefahana ny votoaty ao aminy.
Nilaza ireo mpanadihady tamin'izany fotoana fa ny lesoka voalohany amin'ny fandrarana dia ny sivana fa tsy ny fahavinirana manoloana an'i Shina, namana akaiky an'i Pakistan.
Vakio bebe kokoa: Pakistan lifts ban on TikTok with conditions
Setriny avy amin'ny TikTok
Taorian'izao fanakanana farany izao, namoaka fanambaràna ny TikTok milaza fa mampiasa sosoka teknôlôjia sy paikadim-panalefahana hamantarana sy ijerena indray ireo votoaty manitsakitsaka ireo dina ifanarahana ampiasana azy sy ny tororalalana ho an'ny vondrom-piarahamonina.
Nomarihan'ny orinasa ny H2 2020 Transparency Report [Tatitra momba ny fangaraharahana H2 2020], izay mampiseho ohatra sasantsasany amin'ireo votoaty nesorina araka ny lalànan'i Pakistan. Na izany aza, manaiky ihany koa ny orinasa fa manana andraikitra amin'ny fiantohana ny zon'ny mpikirakira azy haneho hevitra amin'ny fomba vaovao eo amin'ny sehatra, raha mbola mifanaraka amin'ny fitsipika ifampifehezan'ny orinasa izany.
Malaza dia malaza tokoa ny TikTok ao Pakistan, ary nitsikera ny fandraràna ireo fihainom-pahoaka ao amin'ny firenena.
Mpisera Twitter Hummayun Chaudhry nanoratra hoe:
Kindly block internet as well https://t.co/Fj82s13WNO
— Hummayun Chaudhry (@hummayunChoudri) March 11, 2021
Bahano am-pitiavana ihany koa ny aterineto e!
Nilaza i Zafar Raja mpaneho hevitra ara-politika:
Crazy decision, just take out the troublemakers please , this is too draconian in freedom of speech and entertainment @PTAofficialpk https://t.co/G4nV4CnGmK
— Zafar Raja (@ZR786) March 11, 2021
Fanampahan-kevitra gaigy, alaivo fotsiny izay mpanakorontana azafady e, henjana loatra izao manoloana ny fahalalaham-pitenenana sy y fialamboly.
Nilaza i Gulalai Ismail mpikatroky ny zon'olombelona:
Like seriously, they have banned #tiktok in Pakistan on the orders of the court. Ban karna hay tou dehshatgardi ban karo. Nojawano, VPN install karo. Psiphon bilkul free VPN hay.
— Gulalai Ismail ګلالۍاسماعیل (@Gulalai_Ismail) March 11, 2021
[…] Tahaka ny matotra, noraràn-dry zareo eto Pakistan ny tiktok. Raha misy ny tokony horaràn'ny fanjakana dia tokony ho ny fampihorohoroana izany. […] Tokony hampiditra VPN Psiphon ny tanora, maimaimpoana izany.
Tamin'ny Ockobra 2020, novelomin'i Pakistan ny fitsipika vaovao ho an'ny sehatra media sosialy mandrara votoaty “manala baraka, vetaveta ambava sy fihetsika, manevateva (izay masina).” Izay sehatra tsy manaraka izany dia mety ampandoavina onitra hatramin'ny Rs500 tapitrsisa (US$ 3,22 tapitrisa).