- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taona maro mahafinaritra ho an'ny fihainoana, fandikan-teny, fanoratana… ary firesahana!

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, Fankalazana

Telo andro lasa izay, nisy andiam-panehoan-kevitra vaovao nanomboka tao amin'ny lisitra fandefasana mailaka GV-Community: avy any amin'i Georgia Popplewell, mivaky toy izao:

“Congrats to our Cambodian friend Sopheap Chak, who was honoured in a speech by President Obama at the Clinton Global initiative for her human rights work.

Sopheap's organisation, The Cambodian Center for Human Rights [1], is also a recipient [2] of a 2014 Rising Voices grant. We're very proud of you, Sopheap!”

“Arahabaina i Sopheap Chak, Kambodziana namanay, izay nomem-boninahitra tamin'ny lahateny nataon'ny filoham-pirenena Obama tao amin'ny hetsika Clinton Global noho ny asany momba ny zon'olombelona.

Nandray ny fanomezana  [2]avy amin'ny famatsiam-bola atolotry ny Rising Voices 2014 ihany koa ny fikambanan'i Sopheap, ny Ivontoerana Kambodziana Miaro ny Zon'olombelona [1]. Tena reharehanay ianao ry Sopheap! ”

Hatramin'izao, 41 no namaly, ary mety mbola ho maro no hamaly satria toy izany no mitranga isaky ny mankalaza fahombiazan'ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina isika, na mandray anjara amin'ny iray amin'ireo adihevitra mafana amin'ny aterineto miaraka amina hevitra maro samihafa.

Tamim-pahafinaretana ny nihaona tamin'i Sopheap [3] mivantana tany amin'ny Vovonana GV voalohany natrehako tany Santiago, 2010 [4], ary vao mainka aho faly kokoa nilaza taminy fa izy no nampiditra ahy tato amin'ity vondrom-piarahamonina mahafinaritra ity. Izany hoe, noho ny dinidinika nataony tamin'i Tharum Bun [5] no nanaovako ny fandikan-teny fitsapana nidirako ho Lingua Frantsay: Claire Ulrich [6], mpanoro hevitra sady namana, no nanome safidy ahy ny lahatsoratra, ary ity fitsapana ity no lasa fandikan-teny faharoa navoaka izay nitondra ny lohateny hoe : Cambodge : Une nouvelle vague de blogueuses [7].

Rehefa afaka 6 taona taty aoriana, niaraka tamin'ny lahatsoratra miisa 2 500 teo ho eo izay fandikan-teny ny ankamaroany, fohy na lava, sy lahatsoratra vitsivitsy nosoratako manokana dia nahavita ny fianarany tany Japana sy Etazonia i Sopheap, ary mpitarika fanta-daza manerantany amin'ny asa fiarovany ny zon'olombelona sy ny fandraisany andraikitra amin'ny maha-olom-pirenena azy any Kambodza ankehitriny.

Araka ny nolazain'i Rezwan:

“Congrats Chak. You met two US presidents on the same day :)”

“Arahabaina Chak. Nihaona tamin'ny filoha Amerikana roa ianao tamin'io andro io 🙂 ”

Chak Sopheap with President Clinton [8]

“Hay nihaona tamin'ny filoham-pirenena Amerikana roa aho tamin'io fotoana io”. Naka ity sary ity niaraka tamin'ny Pres teo aloha i Sopheap . Clinton nandritra ny fanatrehany ny Clinton Global Initiative 2014 tany New York.

Momba ny filoham-pirenena Amerikana? Tamin'ny taona 2008 no nisy ity fotoanan'ny fahasoavana sy fanantenana ity tamin'ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana an'i Barack Obama, rehefa maro ny olona no nitaintaina ary nahatsapa fa akaiky ny fanovana. Ary tamin'ity fotoana ity no tonga ity tetikasa GV mahafinaritra ity, Voices without Voices [9], notarihin'i Amira Al-Hussaini [10] ary ankehitriny matory any anatin'ny arsivan'ny aterineto any ankehitriny.

Naharesy lahatra ny fientanentanana ho anisan'ity fandraisana anjara mahaliana ity, ary i Amira no nitarika ny diako nihovotrovotra voalohany ho mpanoratra zaza vao niaraka tamin'ny tanany hentitra sy malefaka.

Araka izany no nanaovako fanadihadiana momba ireo fanehoan-kevitra voalohany mikasika ny fifidianana an'i Barack Obama [11] teo amin'ny faritra miteny frantsay.

Miangavy anareo mba tsy hanatsoaka hevitra avy amin'ireo fitantarana “voalohany” ireo izay hanaovako topimaso. Marina tokoa fa sady feno no manankarena ireo taona lasa ireo tamin'ny lafiny rehetra. Nianatra isika sady mbola mianatra izay mampatanjaka antsika. Manana fifaliana sady miara-miasa.

Nanendry an'i Thalia [12], Abdoulaye [13] ary Boukary [14] ho an'ny Fanamby GV [15] i Suzanne Lehn.