- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Namela heloka ny lehilahy roa naniratsira azy tamina horonantsary niparitaka be ny filoha Mozambikana

Sokajy: Mozambika, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka

 

Les deux hommes impliqués dans l'affaire des insultes au président se tiennent sur le côté, portant des masques de protection faciale, tandis que Filipe Nyusi, en costume cravate, leur parle depuis son fauteuil, au fond.

Fihaonana teo amin'ny filohan'ny Repoblika sy ireo tanora voavela heloka – pikantsary TVM [1] nalain'ny mpanoratra ny 16 feb 2021.

Tamin'ny 16 Febroary, nandray  manokana olona roa izay niseho tamin'ny horonantsary [2]misy fanamarihana manevateva azy ny filohan'ny Mozambika, Filipe Nyusi.  Taorian'ny fanehoan-kevitra mahery vaika tany an-toerana vokatr'ity raharaha ity ny fihaonana.

Tao anatin'ity horonantsary ity, raikitra tao anaty fitohanan'ny fifamoivoizana tao Maputo izy roa lahy, minitra vitsy talohan'ny ora tsy fahazoana mivezivezy napetraka [3]tao an-drenivohitra Mozambikana ny 4 Feb. Rehefa nahita ny fitohanana izy ireo dia sady nanevateva no nitsikera ny fepetra famerana amin'ny valan'aretina COVID-19 no sady nanohitra ny tsy fahazoana mivezivezy ihany koa. Ny filoha hoy izy ireo no tompon'andraikitra amin'izany.

Le reportage est arrêté sur une image floue, tirée d'une vidéo amateur prise dans les embouteillages.

Tatitra nataon'ny fahitalavitra STV miresaka momba ny “fanalam-baraka” natao tamin'ny filohan'ny Repoblika. Pikantsary avy amin'ny fahitalavitra STV [2] nalain'ny mpanoratra ny 12 feb 2021.

Nanjary nalaza tao amin'ny tambajotra sosialy ilay horonantsary ary naseho tamin'ny fahitalavitra STV. Rehefa nahalala an'ity tranga ity ny Sampan-draharaha misahana ny Fanadihadiana Heloka Bevava (SERNIC) dia nanokatra fanadihadiana momba azy roa lahy noho ny fanevatevana [4], izay niafara tamin'ny fisamborana ny iray tamin'izy ireo, Betelson J., ny 12 febroary.

Telo andro taty aoriana, araka ny filazan'ny tranonkalam-baovao Notícias [5], navotsotra i Betelson taorian'ny fankatoavan'ny mpitsara ny fangatahan'ny Fikambanan'ny mpisolovava Mozambika (OAM), izay nilaza fa mila fitoriana avy amin'ilay voakasika mivantana ny heloka fanevatevana , izany hoe ny filohan'ny Repoblika. Nanamafy ihany koa ny OAM fa mihatra amin'ny trangana heloka tratra ambodiomby ny fampidirana am-ponja vonjimaika.

Ny ampitson'io, gaga ny rehetra fa nanasa [6]azy roa lahy ny filoham-pirenena mba hihaona aminy manokana ao amin'ny biraony. Araka ny nitateran'ny mpanao gazety Omardine Omar izany:

O Presidente da República, Filipe Nyusi, recebeu hoje os dois jovens que há dias proferiram palavras ofensivas contra o Chefe do Estado, através de um vídeo posto a circular nas redes sociais. Refira-se que o Presidente Nyusi decidiu convidar os dois jovens para um diálogo, onde na ocasião manifestou o seu perdão perante a atitude pública dos referidos jovens.

Após serem recebidos pelo estadista, estes afirmaram-se arrependidos e que agradecem o gesto do Chefe do Estado, explicando que a medida emanada no Decreto do Conselho de Ministros visa proteger a população das áreas abrangidas pelo recolher obrigatório, visto que a Região do Grande Maputo apresenta um quadro preocupante de contaminações por COVID-19.

Nandray ireo tanora roa izay voalaza fa nanevateva azy andro vitsivitsy talohan'izay tamin'ny alàlan'ny horonantsary nalefa tao amin'ny tambajotra sosialy ny filohan'ny Repoblika, Filipe Nyusi, androany. Marihana fa ny filoha Nyusi no nanapa-kevitra ny hanasa ireo tanora roa voaresaka eto mba hifanakalo hevitra aminy, ary namela heloka azy ireo izy tamin'ireny fanambarana ampahibemaso ireny.

Taorian'ny nandraisan'ny filoham-panjakana azy ireo dia nilaza izy ireo fa nanenina tamin'ny fihetsika nataony ary nilaza fa nanohina azy ireo ny fihetsiky ny filoha. Nanazava izy ireo fa natao hiarovana ny mponina amin'ireo faritra voakasik'izany ny fampiharana ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina, izay fepetra noraisina tamin'ny filankevitry ny minisitra satria manana olona betsaka mampiahiahy hamindra ny COVID-19 ny faritr'i Maputo Lehibe.

Niteraka resabe tao amin'ny tambajotra sosialy tao Mozambika hatramin'ny voalohany ity tranga ity. Nifangaro ny fanehoan-kevitra momba ny fitantanan'ny manampahefana ny toe-draharaha, misy ny mitsikera ny governemanta, ny hafa kosa midera ny fihetsika natao.

Ilay manam-pahaizana Boa Monjane, ohatra , dia nametra-panontaniana [7] momba ny fitazomana azy roa lahy:

É ofensa ou crime contra a segurança do Estado chamar um presidente corrupto de ladrão?
Só num regime dictatorial.

Fahadisoana ve sa heloka bevava amin'ny filaminam-panjakana ny fiantsoana  ny filoham-pirenena ho jiolahim-boto mpanao kolikoly?
Ao amin'ny fitondrana jadona ihany.

I Roberto Tibana, mpahay toekarena kosa mihevitra fa tokony hosaziana [8] amin'ny sazy heloka bevava ny fihetsik'izy roa lahy resahina eto:

As pessoas que se indignam com a detenção do jovem que insultou o Chefe de Estado, ou não viram o vídeo todo (a Stv sanitizou-o demais!), ou são hipócritas, ou são populistas demains para a saúde da sociedade!

É totalmente inadmissível o que foi dito e postado por aqueles jovens, seja em termos de princípios morais, seja por lei. O Chefe de Estado, o Presidente Nyusi, merece o nosso respeito como pessoa e como personificação da soberania do Estado Moçambicano.

Uma coisa é criticar, outra coisa é insultar. Não pode haver desculpas para obscenidades atiradas daquela maneira contra o Chefe de Estado. Que a moral e a lei prevaleçam. Que haja pudor!

Na mbola tsy nahita ny horonantsary iray manontolo (namboarimboarin'ny STV be ilay izy!), na mpihatsaravelatsihy na mpandrendri-bahoaka [izay tafahoatra ny fomba fijeriny] raha hanasoa ny fiarahamonina ireo olona tezitra tamin'ny fitazonana ilay tovolahy nanompa ny filoham-pirenena!

Tsy azo ekena ny zavatra nolazain'ireto tanora ireto sy navoakany an-tserasera, na amin'ny fomba fijery ara-pitsipi-pitondrantena na araka ny lalàna. Mendrika fanajana avy amintsika amin'ny maha-olona azy sy amin'ny maha solontenan'ny fiandrianam-pirenena Mozambikana azy ny filoha Nyusi.

Zavatra hafa ny mitsikera ary hafa ny manompa. Tsy misy ny fialan-tsiny ho an'ireo fanevatevana ny filoham-pirenena ireo. Aleo hanjaka ny fitsipika ara-moraly sy ny lalàna. Aoka hifanaja!

Noderain'i Bitone Viage [9] ny fanapahan-kevitra nahatonga ny famotsorana an'i Betelson, izay nanararaotra mangataka ny hidiran'ny Fitsarana an-tsehatra amin'ny raharaha hafa ihany koa:

Parabéns aos advogados da Causa, Dr Ericino de Salema e Dr Benny Matchole Khossa, excelente e oportuna intervenção.

O país precisa tanto de figuras dessa natureza, sobretudo num contexto em que assistimos diariamente violações dos nossos direitos, e a justiça tem se comportado como uma serpente que simplesmente pica aos pés descalços.

Não consigo entender com tantos casos que mexem diretamente com a vida econômica do país, as nossas instituições de justiça não conseguem resolver os mesmo, contudo quando se trata de um inocente esfarrapado, um indivíduo não ofensivo ao Estado, as nossas instituições são funcionais e com uma celeridade de abrandar os céus.

Que tal termos o mesmo nível de celeridade com o processo das dívidas ocultas, um processo que até hoje os seus impactos são notáveis?

Miarahaba ireo mpisolovava nitory ny raharaha, nahafatra-po sady ara-potoana ny fandraisana andraikitr'i Dr Ericino de Salema sy Dr Benny Matchole Khossa.

Mila olona toy izany ny firenena, indrindra amin'ny sehatra ahitantsika ny fanitsakitsahana ny zontsika isan'andro sy toerana ahitantsika tsy mitsahatra ny fanaovan'ny Fitsarana lasibatra ny sarambabem-bahoaka.

Tsy azoko hoe maninona no tsy ahitam-bahaolana ny tranga ara-pitsarana be dia be mifandraika amin'ny fiainana ara-toekarena ao amin'ny firenena fa rehefa misy olona rovitra akanjo tsy manan-tsiny, izay olona tsy mampidi-doza ho an'ny fanjakana akory dia tsy hoe miasa fotsiny ihany ilay andrim-panjakana fa sady mailaka amin'ny fomba fiasa.

Rahoviana no mailaka toy izany eo amin'ny fikirakirana ireo tranganà kaonty maizina, izay mbola tsapa ihany ankehitriny ny vokany ?

Taorian'ny fihetsika nasehon'ny filoha, niverina tamin'ny fiampangana i Bitone Viage tamin'ny tsy fankatoavana ny fihetsiky ny polisy [10] Mozambikana ary nitaky fomba fiasa tsara kokoa avy amin'izy ireo:

Oficialmente perdoados pelo Presidente da República.

Bem- haja o gesto, o SERNIC deveria emitir um comunicado a fazer o mesmo, se querem mostrar trabalho existe muitos casos por aí que carecem de investigação. Que os meios do Estado sejam usados para coisas sérias.

Voavela heloka tamin'ny fomba ofisialy avy amin'ny filohan'ny Repoblika.

Eny, noho ilay fihetsika, tokony hamoaka fanambarana ny amin'izany ny SERNIC, ary mila mijery ny tranga maro izay mbola miandry fanadihadiana avy amin'izy ireo raha te hampiseho fa manao ny asany. Aoka ampiasaina amin'ny zavatra matotra ny loharanom-bolam-panjakana.