Ho an'ireo mpankafy tendrombohitra, ity taona ity dia niavaka: voalohany no nanaovana ny fihaonamben'ny ririnina K2, 38 taona taorian'ny nitsidihan'ny ekipa poloney an'i K2, tendrombohitra avo indrindra faharoa manerantany, mba hanombanana ny fahafaha-mihanika azy rehefa ririnina. Na izany aza, vetivety ihany ny fotoana nifaliana, satria ny alin'ny Zoma 5 Febroary 2021, teo akaikin'ny Bottleneck, tena efa akaikin'ny tampony, dia very ny fifandraisana tamin'ireo telo manampahaizana mpihanika tendrombohitra.
Najanona vonjimaika ny fikarohana ireo mpihanika telo, Muhammad Ali Sadpara, John Snorri ary Jp Mohr Prieto, noho ny toetrandro ratsy ary atahorana ho efa maty izy ireo. Manantena fahagagana ny fianakavian'ireo lehilahy tsy hita ireo, na eo aza izany.
Izay rehetra fiakarana eny amin'ny K2 rehefa ririnina dia heverina ho mampidi-doza avokoa noho ny fiovaovan’ny toetrandro tsy ampoizina, ary ny volana Aogositra 2008 dia nisy mpihanika 11 maty taorian'ny fianjeran-dranomandry.
Ny tolakandron'ny 6 Febroary, no nisy angidimby roa an’ny Tafika nanomboka ny asa fikarohana avy eny an'habakabaka sy famonjena, izay tsy nahomby hatramin'ny 9 febroary, andro efatra taorian'ny fahatapahan’ny fifandraisana tamin'ireo mpihanika tendrombohitra. Vokatr'izany, nofoanana ireo fitsangatsanganana any an-tampony sisa tavela mandritra ny ririnina amin'ity taona ity.
Nibitsika i Alan Arnette, ilay amerikàna mpanazatra sady mpihanika tendrombohitra, hoe:
The Seven Summits Treks expedition is leaving K2 Base Camp, thus ending the effort for more winter summits. History will show 10 winter summits, 2 deaths and 3 missing for 2020/21 https://t.co/O6VuYJ5ube
— Alan Arnette (@alan_arnette) February 9, 2021
Mandao ny tobin'ny K2 ireo mpiara-manao diabe amin'ny Seven Summits, ka mamarana araka izany ny ezaka hisian'ny fianihana eny an-tampony amin’ny ririnina. Ny tantara no haneho fa fihanihana 10 nandritra ny ririnina, 2 maty ary 3 tsy hita ho an'ny 2020/21. https://t.co/O6VuYJ5ube
— Alan Arnette (@alan_arnette) 9 Febroary, 2021
K2 izay any amin’ny 8.611 metatra (28,251 ft) ambonin'ny haavon'ny ranomasina, fantatra koa amin'ny anarana hoe “Tendrombohitra Dia”, no faharoa erantany amin'ny tendrony avo indrindra eto an-tany aorian’i Everest, ary ampahany amin'ny tandavan-tendrombohitra Karakoram eo amin'ny sisintanin'i Pakistana sy Sina. Izy io dia iray amin'ireo tendrombohitra 14 avo mihoatra ny 8.000 metatra; ka ny dimy amin'izany any Pakistana : K2, Nanga Parbat, Broad Peak, Gasherbrum I ary II; Ny sisa dia any Nepal sy Sina.
Tamin'ny 1980 no nisy voalohany ny fihanihana ny Tendrombohitra Everest rehefa ririnina. Fitsangatsangana valo fotsiny no nanandrana ny fiakarana ririnina an'i K2 ‘’mampididoza”, hoy ny sekreteran'ny Pakistan Alpine Club, Karrar Haidri, miaraka amin'ny fahombiazana tonga ihany nony farany tamin'ity vanim-potoana ity.
Tamin'ny 16 Janoary 2021, Nepaley 10 no tonga tany an-tampon'i K2. Vondrona mpihanika faharoa, izay nahitana an'i Muhammad Ali Sadpara, ny zanany lahy Sajid Ali Sadpara avy any Pakistan, John Snorri avy any Islandy ary Jp Mohr Prieto avy any Chili, no nanandrana nihanika ny tampon'i K2. Nandritra ny fiakarana teo akaikin'ny Bottleneck, kely sisa tsy hahatongavana teo an-tampony, no tsy nandeha tsara ny varingarina fitoerana oksizena an’i Sajid Ali ary niverina tany amin'ny toerana fitobiana izy, ny sasany kosa nanohy nankany amin'ny tampony. Ny Zoma hariva, tapaka ny fifandraisan’izy ireo tamin'ny toerana fitobiana. Ny Sabotsy 6 febroary, voalaza fa tsy hita izy ireo rehefa tsy nahazo tatitra avy amin'izy ireo intsony ny ekipa mpanohana azy ireo.
Ankoatry ny Tafika an'habakabak'i Pakistana, manampahaizana maromaro, anisan'izany ireo mpihanika toerana avo ao an-toerana sy mpikambana ao amin'ny ekipa fitsangatsanganana rehefa ririnina Seven Summit Treks (SST), no nanatevina laharana ilay hetsika famonjena. Nanome toky ny governemanta Pakistaney fa tsy hikely soroka mihintsy ny firenena amin’ny fikarohana ireo mpihanika tendrombohitra tsy hita.
Chhang Dawa Sherpa, Nepaley mpihanika tendrombohitra izay nahanika tampon-kavoana avo indrindra miisa 14, ao anatin'izany ny K2, ary mpitari-dia amin'ny fitsangatsanganana ririnina SST, nibitsika hoe:
It’s already been more than 30 hours, we (at basecamp) have received no news of John Snorri??, Ali Sadpara ??, and Juan Pablo Mohr ??, since none of the GPS trackers seem to be working.
? #k2expedition #k2winter #k2winter2021 #karakorum #sherpa #nepal #pakistan pic.twitter.com/Q4j9krGJ8e
— Chhang Dawa Sherpa (@ChhangDawa) February 6, 2021
Efa 30 ora mahery sahady izao izahay (ato amin'ny toerana fitobiana) no tsy nahazo vaovao momba an'i John Snorri??, Ali Sadpara ??, ary Juan Pablo Mohr ?? , satria toa tsy nisy na dia iray aza ireo mpanara-maso GPS niasa.
? #k2expedition #k2winter #k2winter2021 #karakorum #sherpa #nepal #pakistan pic.twitter.com/Q4j9krGJ8e
— Chhang Dawa Sherpa (@ChhangDawa) 6 Febroary, 2021
Sajid, zanakalahin'i Sadpara, niverina tany an-toby niaraka tamin'ny alahelo mafy, ary nilaza fa mino izy fa tafakatra hatrany an-tampony io izy telo lahy teny am-pidinana no nisy zavatra tsy nety. Taty aoriana, nandeha tamin'ny iray amin'ireo helikoptera izy hanampy ny iraka. Satria tsy nisy vaovao tsara dia nody tany Skardu, tanàna iray any Gilgit – Baltistan, Pakistan izy.
Karim Dad Chughtai avy any Gilgit-Baltisan nibitsika hoe:
Receiving Sajid Sadpara, the son of Muhammad Ali Sadpara at Aviation Skardu. He returned from Bottleneck , K-2, on 5th Feb due to want of oxygen while his father left to summit K-2 the same day. Ali Sadpara is missing and search operation still continues. @RandhawaAli @DCSkardu pic.twitter.com/davHjB156Z
— Karim Dad Chughtai (@KarimdadChught2) February 7, 2021
Teo am-pandraisana an'i Sajid Sadpara, zanakalahin'i Muhammad Ali Sadpara tao amin'ny Skardu Aviation. Niverina avy tany Bottleneck, K-2, izy tamin'ny faha-5 febroary noho ny tsy fisian'ny oksizena ary ny rainy kosa lasa nihanika tany amin’ny tampon’ny K-2 tamin'io andro io. Tsy hita i Ali Sadpara ary mbola mitohy ny hetsika fikarohana.
@RandhawaAli @DCSkardu pic.twitter.com/davHjB156Z
— Karim Dad Chughtai (@KarimdadChught2) 7 Febroary, 2021
Ny rahalahy tsy omby kibo taminy sy ny zanak'olo-mpiray tam-po amin'i Ali Sadpara koa, izay samy manampahaizana amin’ny fihanihana avokoa, dia tonga tany amin'ilay toerana fitobiana mba hanampy amin’ny fikarohana.
Everest Today, bilaogy iray momba ny tendrombohitra, nibitsika hoe:
Elia Saikaly: “Imtiaz and Akbar, Ali Sadpara’s cousin and nephew arrived at basecamp a little more than 24 hours ago, both incredibly talented Pakistani climbers who have summited K2, to assist in bringing Sajid Sadpara down from the base of K2. (1/6) pic.twitter.com/O3Dp0Tnw1x
— Everest Today (@EverestToday) February 8, 2021
Elia Saikaly: “Imtiaz sy Akbar, rahalahy tsy omby kibo taminy sy ny zanak'olo-mpiray tam-po amin'i Ali Sadpara, 24 ora lasa izay no tonga tany amin'ny toby izy ireo, samy Pakistaney mpihanika mahay izay nahavita nihanika ny K2, mba hanampy amin'ny fitondrana an'i Sajid Sadpara hidina avy any amin'ny K2. (1 / 6) pic.twitter.com/O3Dp0Tnw1x
— Everest Today (@EverestToday) 8 Febroary, 2021
Talohan'izay dia nisy ny fampahalalam-baovao mahazatra nilaza fa nahavita nihanika tamim-pahombiazana ny tampon'i K2 ilay ekipa, saingy taty aoriana anefa dia nodisoina izany ary nanjary nalaza tao amin'ny media sosialy ny vaovao momba ny tsy fifandraisany tamin'ny toerana fitobiana, ary nanomboka lasa fironana ny tenifototra #k2winterexpedition2021. Nanova ny sarin'izy ireo ho firaisankina amin'ireo mpihanika ary nanomboka nizara ny tantaran'i Ali Sadpara ny olona avy any Pakistana.
Amal Khan, mpanao gazety, niresaka momba ny fianakavian'i Sadpara:
I learned today that all this time we prayed, ached, wondered, Sadpara's wife, Fatima, did not know for certain Ali was missing. She was asking: ‘why hasn't he called me.’ She was partly told yesterday the team was “stuck” on the mountain and has spent every moment since weeping.
— Amal Khan (@amalkhan) February 8, 2021
Fantatro androany fa nandritra ny fotoana nivavahanay, nahararaiany, ary nanontanianay tena, tsy nahafantatra tsara akory i Fatima, vadin'i Sadpara, hoe tsy hita i Ali. Nanontany izy hoe: ‘’maninona no tsy niantso ahy izy.'’ Nolazaina tamin'ny ampahany izy omaly fa “tafahitsoka” any an-tendrombohitra ny ekipa ary tsy nanao afa-tsy ny nitomany izy nanomboka teo.
— Amal Khan (@amalkhan) 8 Febroary, 2021
Sundas, mpianatra, mitazona ny fanantenany ho velona:
Beautiful family and cutest kids of @john_snorri May they find their father alive along with Sadpara sahib and Mohr today.
Ameen #Alisadapara , #K2WinterSummit2021 pic.twitter.com/h67x1qOUAZ
— Sundas (@SundasHere) February 8, 2021
Enga anie ka hahita ny rainy velona, ny fianakaviana mafinaritra sy ireo zanaka mahafatifatin’i @john_snorri, miaraka amin'i Sadpara Sahib sy Mohr androany.
Amena #Alisadapara , #K2WinterSummit2021 pic.twitter.com/h67x1qOUAZ
— Sundas (@SundasHere) 8 Febroary, 2021
Ilay mpanao gazety, Tanveer Ahmed, nibitsika hoe:
Today, Juan Pablo Moher will be celebrating his 34th birthday with J Snorri and Sadpara on the heights of the #SavageMountaink2, at a height that hardly anyone has celebrated.
Our love and best wishes are with you wherever you are.
Happy birth day.#JPMohr #K2WinterSummit2021 pic.twitter.com/VfwSrLFb4L— Tanveer Ahmed?? (@Mountain_Man007) February 9, 2021
Androany, hankalaza ny faha-34 taonany i Juan Pablo Moher miaraka amin'i J Snorri sy Sadpara eny an-tampon'ny #SavageMountaink2, amin'ny haavo izay vitsy no nisy nankalaza.
Ny fitiavana sy ny firarianay, miaraka aminao na aiza na aiza misy anao.Tratry ny tsingerintaona nahaterahana.#JPMohr #K2WinterSummit2021 pic.twitter.com/VfwSrLFb4L— Tanveer Ahmed?? (@Mountain_Man007) 9 Febroary, 2021
Ny sasany nizara ny tantaran'ireo fepetra niasan'ireo mpilanja entana, rehefa nanampy ireo vahiny mpihanika amin'ny fandehanana tahàka izany izy ireo, anisan'izany ny karama vary masaka sy ny fanararaotana.
Kamran, mpitaingina bisikileta sy mpakasary no nibitsika hoe:
“A Balti porter told me that even their mules carrying luggage to the basecamp have a better insurance than we do.”
3 times K2 summiter Fazal Ali who is taking part in #alisadpara rescue mission. #k2winterexpedition2021A Thread. pic.twitter.com/nW7B04MkB1
— Kamran On Bike (@kamranonbike) February 8, 2021
“Nisy Balti iray mpilanja entana nilaza tamiko, fa na ny ampondra mitondra entana any amin'ny toby aza dia manana fiantohana tsara kokoa noho izy ireo.”
Fazal Ali, in-telo nahavita nihanika ny K2, isan'ny tao anatin'ny iraka mpanao asa famonjena #alisadpara. #k2winterexpedition2021Ny rohy. pic.twitter.com/nW7B04MkB1
— Kamran On Bike (@kamranonbike) 8 Febroary, 2021
Urooj Tarar, mpanao gazety avy any Lahore, nibitsika hoe:
#alisadpara none of us have any right to mourn him or as we say ‘be proud of him’. When he was porting for foreign expeditions for as low as $3, in hands-me-down and worn-out equipment, none of us raised our voice for him and many other like him. Heck, we didn't even know they…
— Urooj (@uroojtarar) February 7, 2021
#alisadpara na iray aza, tsy misy amintsika manana zo hitomany azy, na miteny isika hoe ‘’mirehareha manana azy’’. Rehefa niasa nitatitra entana ho an'ireo vahiny mpanao dia lavitra izy, indraindray ambany noho ny 3 dolara, amina fitaovana efa naloan'ny olona sy simba, tsy nisy tamintsika nanandratra ny feony ho azy sy ny maro hafa toa azy. Heck, tsy fantatsika akory izy ireny…
— Urooj (@uroojtarar) 7 Febroary, 2021
Ny vina hahatafavoahan’izy ireo velona dia “manakaiky ny aotra” saingy ny sasany, toa an'i Amal Khan, ny mpanao gazety sady mpanoratra, no mbola manana fanantenana maharitra:
Today I mistakenly expressed my condolences while speaking to a friend of Ali Sadpara. Gently he corrected me. “You know, Ali is famous for making ice igloos with his ice pick,” he said. “He can make them anywhere, on any mountain.” This is a true, rational hope. Let's hope
— Amal Khan (@amalkhan) February 7, 2021
Androany, diso aho raha naneho ny fiarahako miory teo am-piresahana tamin'ny namana irain'i Ali Sadpara. Nanitsy ahy moramora izy. “Fantaro fa malaza amin'ny fanaovana ‘igloo’, tranokely anaty ranomandry i Ali,” hoy izy. “Azony atao na aiza na aiza izy ireny, na aiza na aiza tendrombohitra misy azy.” Izany dia fanantenana marina sy mitombina. Aleo manantena
— Amal Khan (@amalkhan) 7 Febroary, 2021