- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taorian'ny taona maro nanaovana hetsi-panoherana, havadika ho Ivontoerana fiarovana biby ny valan-javaboarin'i Islamabad

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
Lion at a Zoo. Image via Wikipedia by Carlosar. [1]

Liona tao amin'ilay Valam-biby.Sary ao amin'ny Wikipedia, an'i Carlosar [1]. CC BY-SA 3.0…….. [2]

Navoaka ofisialy izao fa nakatona tanteraka ilay Valam-biby ao Islamabad, izay loharanom-pitarainan'ireo [3] Pakistaney mafana fo mpitia biby ary novàna ho ivontoerana fiarovana biby, araka ny fanambaràna [4] nataon'ireo tomponandraikitry ny tanàna tamin'ny 8 Desambra.

Ny volana May, namoaka didy [5] ny fitsarana avo ao Islamabad fa tsy maintsy afindra ao amin'io ivontoerana fiarovana biby io avokoa ireo biby miisa 878 ao. Namoahan'ny fitsaràna didy ihany koa ny hamindràna ny fitantanana  avy amin'ny Islamabad Metropolitan Corporation (IMC) [6] ho an'ny  Islamabad Wildlife Management Board (IWMB) [7], tao anatin'izany no nanapahan [8]‘ny Ministry ny fiovaovan'ny toetrandro hanova io tany manana velarana 82 hektara io ho ivontoerana fiarovana ny fiainan'ny bibidia.

Anisan'ireo biby nafindra i Kavaan, izay nalaza tokoa ny taona 2012 tamin'ny hoe “the world's loneliest elephant.”na “ilay elefanta manirery indrindra erantany”, taorian'ny nahafatesan'ny vadiny,

Nakatona tsy ho azon'ny rehetra notsidihana ilay valam-biby nanomboka ny volana Aprily noho ireo fepetra ara-pahasalamana noho COVID-19.

Nandefa bitsika i Rina Saeed Khan, mafana fo amin'ny resaka toetrandro sady mpikambana tsy ofisialy [10] ao amin'ny IWMB:

Indro ny fanapahan-kevitry ny IWMB momba ny hoavin'ny valam-biby ao  Islamabad nolaniana omaly nandritry ny fivorian'ny biraonay! Manantena ny ho anisan'ity fiandohana vaovao mahafinaritry ny Margalla Wildlife Conservation Center ity! pic.twitter.com/3lK50nGCI6 [11]

— Rina S Khan (@rinasaeed) 9 Desambra 2021 [12]

Naneho hevitra momba izany vaovao izany ihany koa ny minisitry ny fivoaran'ny toetrandro ao Pakistan, Malik Amin Aslam :

Araka ny tolokevitry ny @WildlifeBoard, [13] natomboky ny @ClimateChangePK [14] ny dingana hanovàna ny #IslamabadZoo [15] ho lasa  #WildlifeConservationCentre [16] (ivontoeranaFiarovanaBibidia) manana toerana iraisampirenana pic.twitter.com/3DrgFzhHXI [17]

— Malik Amin Aslam (@aminattock) 10 desambra 2020 [18]

Ny resaka fampijaliana biby no nibahana ny resaka tao Pakistan ny taona 2020.

Ny volana Jolay, liona roa no maty noho ny fahasemporana tao amin'ny valam-bibin'i Islamabad taorian'ny afo narehitr'ireo mpikarakara tao anatin'ny tranon'ireo biby hanerena azy ireo hivoaka tao. Niparitaka tamin'ny filazambaovao sosialy ny horonantsary momba izany, ka niteraka hatezerana be [19].

Ny volana Aogositra, olom-pirenena maro tongasaina tao Peshawar no nameno fanangonan-tsonia [20] tany amin'ny Fitsarana Avo tao an-tanàna nitaraina noho ny fampijaliana mahazo ireo biby misy ao amin'ny Valam-bibin'i Peshawar. Voalazan'izany fanangonan-tsonia izany fa biby 18 no maty tao amin'io vala io nandritra ny sivy volana lasa.

Ny volana Oktôbra, nitory ny Valam-bibin'i  Karachi [21] ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena sivily taorian'ilay horonantsary nalaza be iray nampiseho bera siriàna iray miloko volontany izay nahitàna mariky ny havizanana sy ny hetaheta mafy.

Vao tsy ela akory izay i Mahera Oma, mpanatontosa horonantsary fanadihadiana sady mpiara-manorina ny Pakistan Animal Welfare Society,  no nizara horonantsary momba ny valam-bibin'i Karachi, ahitàna elefanta maro voafatotra rojo vy.

Indray Alahadin'ny ririnina taona 2018, tamin'ny 9 ora maraina, no sendra nahita elefanta mifatotra rojo vy aho tao anatin'ny valam-biby Karachi. Nalaina fony kely avy any an'ala any Tanzania, samy voafatotra rojo vy avy ny tongotra telon-dry zareo, nitoka-monina. #FreeTheKarachiElephants [22]https://t.co/XOk1mH3hJZ pic.twitter.com/JgS6oOJ2SM [24]

(Famaritana ny lahatsary) Hita ao anatin'ilay lahatsary ireo elefanta roa mihidy ao anatin'ny tranony avy, mitovy amin'ireny fonjakely ireny. Voaelingelin'ireo rojo vy mifatotra amin'ny tongony ny fahafahan-dry zareo mihetsika. Tsikaritra eo amin'ny tany ny fisian'ny bozaka avy notapahana. Natory ilay elefanta voalohany ary sahirana tokoa nony hitsangana,Ilay faharoa indray misintona ny rojony mampiseho ny fahasahiranana aterak'ilay fatotra. Ery ambony amin'ny havanana, toy izao no vakin'ny fango “PAWS”. Eo ambany havanana, izao no voasoratra “Valam-biby Karachi,desambra 2018″
— Mahera Omar (@afewmofilms) 3 Desambra 2020 [25]

Tamin'ity herinandro, niteraka hatezerana ihany koa ny lahatsary [26] iray ahitàna liona entina an-tery amina fihetsiketsehana nataon'ny antoko mpanohitra Pakistan Democratic Movement . Nalain’ny manampahefana [27] io liona io taoriana kelin'izay. Efa mahazatra ihany koa ny mahita antoko politika sasany ao Pakistan  mitondra biby [28] ho any amin'ny famoriam-bahoaka ho toy ny Sary Famantarana.

Nandefa bitsika i Uzma Kha, Biolojista mpahay momba ny bibidia sady mpiaro ny natiora :

Tena mahamenatra sy maharikoriko loatra izy ity! Bibidia entina amin'ny hetsika politika & hita fa ketraka sy tsy mahazo aina. Mila mandrara ny fanaovana ny sakadia ho biby fiompy & famarotana azy ireo i Pakistana #MaryamNawazLahoreRally [29] @ZacGoldsmith [30] @WWFPak [31] @CITES [32] @ARYNEWSOFFICIAL [33] @PunjabWildlife [34] @hnaqikhan [35] pic.twitter.com/nIdYNjdwzx [36]

— Uzma Khan (@commonleopardo) 10 Desambra 2020 [37]

Lalàna marefo

Efa mahazatra ny mahita ireo mpanankarena mitaiza an-trano  ireo bibidia toy ny sakadia.

Araky ny voalazan'ny Dawn News [38], “Manamora ny fanafarana biby tsy fahita firy ny lalàna ao Pakistana, saingy vantany vao tonga ao amin'ny firenena, toy ny tsy misy mihitsy ny lalàna.” Heverina fa feno valam-biby tantanin'olontsotra [39] ao amin'ny firenena, izay tena voarara eratany ny fivarotana  azy ireo.

Malaza ihany koa i Pakistana amin'ny fihazàna ny vorona an-tanety lehibe antsoina hoe akoholahin'ala houbara [40], izay manana satam-piarovana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Mahazo dolara an-tapitrisany isan-taona [41] ihany koa ny governemanta amin'ny alàlan'ny fivarotana  fahazoandàlana hanao fihazàna satroboninahitra (trophy hunting) atao an'ilay biby markhor [42] tsy fahita afatsy ao Pakistana.

Azo lazaina ho marefo ihany koa ny lalàna mikasika ny fampijaliana biby

Lalàna iray tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany britanika [43]  no mamaritra fa onitra 50 ka hatramin'ny 500 ropia pakistane (0.30-3 dolara amerikàna eo ho eo) no sazy ho an'ireo olona mampijaly biby. Ny karama farany ambany farafahakeliny [44] any Pakistana anefa dia  17 500 ropia ( 109 dolara amerikàna) eo.

Nanome [45] toky ny governemanta ankehitriny fa hanova ny lalàna mikasika ny fampijaliana biby.