
Ampahany amin'ny tantara: ny voalohany indrindra tamin'ireo fiarandalamby mandeha ambony làlana tery, nalefa tamin'ny 14 Febroary 1896, tao amin'ny làlana Rupsha-Bagerhat. Sary an'i Rajib Hossain tao amin'ny pejin'ny Mpankafy ny Bangladesh Railway. Fampiasàna nahazoana alàlana.
Ny fitaterana an-dalamby no fitaovana fitaterana iraisana be mpampiasa indrindra ao Bangladesh. Matetika nantsoina hoe “fitaterana ho an'ny zanabahoaka”, rafitra fitaterana olona sy entana, tsy mahafaty antoka, manaja ny tontolo iainana, ahazoana aina sy azo antoka. Kanefa, na nitombo aza ny fampiasambola amin'io sehatra io, mbola tsizarizary ny tolotry ny fitaterana an-dalamby ary nisedra fatiantoka goavana ny Bangladesh Railway tato anatin'ny dimy taona lasa.
Nampiasain'ireo sasany mpankafy ny fitaterana an-dalamby ny Vondrona Facebook iray mba hizaràna torohay, hamaliana fangatahana, ary hanomezan-dry zareo sosokevitra hanatsaràna ilay tolotra.

Gara mitoka-monina ao Sundarpur, Kaliganj, Jhenaidah. Sary an'i Shahajada Farhan Odhi tao amin'ny Vondrona Facebook an'ireo Mpankafy ny Bangladesh Railway. Nahazoana alàlana
Ny orinasam-panjakana Bangladesh Railway no nandimby ny Eastern Bengal Railway Company, izay nanomboka tamin'ny 1857, nandritra ny vanimpotoana fanjanahantany britanika. Misy karazany telo ny fitaterana an-dalamby ao Bangladesh, antsoina hoe Broad Gauge, Meter Gauge sy Narrow Gauge. Ny fitambaran'ny halavan'ny lalamby, raha ny rakitra tamin'ny 2018 dia 2955,53 km ary ny masoivohom-pitaterana dia mampiasa olona 25.000 manerana ny firenena.
Nisy hetsika santatra marobe nataon'ny governemanta ao Bangladesh mba hampanarahana ny toedrandro ny lalamby, isan'izany ny fametrahana fotodrafitrasa maoderina, ny fividianana lohamasinina, fampidirana ny nomerika hitantanana ny momba ny mpandeha sy ny fivarotana tapakila an-tambajotra. Ankoatra ireo fatiantoka, ny laharampahamehana dia ny fiatrehana ny olana mikiky ny fitaterana an-dalamby: ireo mpandeha tsy manana tapakila, ny fangalarana solika, ny tsy fisian'ny fikolokoloana, fipetrahana sy fibodoana ny tanin'ny lalamby, ny kolikoly sy ny fitantanana ratsy, izany rehetra izany dia samy nandona ny kalitaon'ny tolotra avokoa ary miteraka fahataràna.
Ny nipoiran'ilay vondrona Facebook
Niroso mba hitondra fiovàna ireo ‘mpankafy’ ny fitaterana an-dalamby. Roknuzzaman Rokon, mpiasa fahiny tao amin'ny fitaterana an-dalamby, no nanorina ny Bangladesh Railway Fan Group tamin'ny 2008 ary marobe amin'izao fotoana ireo mpandrindra no miaraka mampandeha azy. Niresaka tamin'i Rokon tamin'ny alàlan'ny webchat ny Global Voices ary nambarany fa tany am-piandohana, ny hitahirizana ilay tambajotra sy hizaràna ny tantara no tena tanjon'ilay vondrona, hizaràna sary sy tantaran'ny fandehanana fiaran-dalamby. Satria nitombo ny isan'ireo mpikambana, lasa ambohi-pihaonan'ny torohay sy ny tantara momba ny fitaterana an-dalamby, ny tolotra sy ny fiadanan'ny mpandeha izy izao. Ankehitriny, io vondrona Facebook tantanin'olontsotra io dia manana mpikambana mavitrika miisa 150.000 mahery. Misy ihany koa pejy iray ho an'ny daholobe, manana mpitia miisa 56.000, toerana ahafahan'ireo tsy mpikambana mandefa fanehoankevitra sy mifanakalo hevitra.
Na tsy misy fifandraisana amin'ny Bangladesh Railway aza ilay vondrona, lasa loharano ianteheran'ireo mpandeha hakàny torohay izy io. Afaka ahitanao torohay ao, momba ny mety ho fahataràna amin'ny tolotra efa voalahatra, ny fitarainana momba ny fahatapahan'ny tolotra sy ny tsy fetezan-davitra, torohevitra sy sary. Misy ihany koa ireo fanontaniana hafahafa toy ny “fiarandalamby inona izao no miantsona ao?” na “Ahoana no ahitàna ny fiara tena ilain'ny tena, miankina amin'ny torohay voalaza ao anaty tapakila?”
Nisy fampiharana iray natomboky ny governemanta ao Bangladesh, nomena ny anarana hoe Bangladesh Train Tracker izay manana pejy Facebook ihany koa izaràna vaovao ofisialy vitsivitsy. Kanefa, marobe ireo mpampiasa no mahatsapa ho mahazo aina kokoa rehefa mametraka fanontaniana ao amin'ilay vondron'ny Mpankafy. Ambaran'ny mpandrindra ilay vondrona, Shahabuddin Ahmed, fa vonona mandrakariva ireo mpikambana hamaly haingana sy hanome torohay ara-potoana araka izay azony atao.
Tsy mbola misy fanavaozam-baovao ihany ny tranonkalan'ny Bangladesh Railway. Ity ny ohatra iray amin'ny singa tena manandanja amin'ireo torohay zarain'i Ahmed ao amin'ny vondron'ny mpankafy:
ক্যান্সার রোগী রেলওয়ে তে ভ্রমণের সময় বিশেষ রেয়াতী ভাড়ায় টিকেট পেতে পারেন। শুধু তিনি নন, তার সঙ্গে একজন এ্যাটেন্ডেন্ট ও নিতে পারবেন বিশেষ রেয়াতী ভাড়ায়। প্রয়োজনে আপনার নিকটস্থ স্টেশন মাস্টার এর সাথে যোগাযোগ করতে হবে।
তথ্যসূত্র সহায়তা: Maksudul Alam ভাই।
Afaka mahazo sarandalana mirary ireo olona tratry ny homamiadana rehefa handeha amin'ny Bangladesh Railways. Tsy io ihany, miaraka amin'ny fanampian'io ianao dia afaka manakarama olona iray ho mpanaraka ny marary ary amin'ny sarandàlana mirary manokana. Iangaviana hifandray amin'izay gara akaiky indrindra anao raha te-hahazo antsipirihany.
Torohay avy amin'i Maksudul Alam.
Lalao mahafaty ny fitorahana vato ny fiarandalamby
Nanampy tamin'ny fisorohana loza mahatsiravina ny sasany tamin'ireo torohay tao amin'ilay vondrona, satria manasongadina ny olana teny misy amin'izao fotoana. Ohatra iray azo tsapain-tanana ny momba ireo trangana fitorahana vato ny fiarandalamby eny am-pandehanana, izay aretina namely ny Bangladesh Railway nandritra iny taompolo lasa farany iny. Araka ny tatitra iray vao haingana, misy 20 ireo toerana samihafa lalovan'ny lalamby ao amin'ny firenena, amin'ireo 150 mahery miseho isantaona, miteraka ratra ho an'ny mandeha sy ny mpiasan'ny lalamby—ary nitondra hatrany amin'ny fahafatesana mihitsy aza. Isantaona ny lalamby dia tsy maintsy mandany volabe hanamboarana ny fahavoazan'ireo varavarana sy varavarankely amin'ny fiaran-dalamby.

“Tsy lalaon-jaza ity fa famonoana olona.” Sary iray nozarain'ny Vondrona Mpankafy ny Bangladesh Railway tao anatin'ny fanentanana iray mba hampitsaharana ny fitorahana vato ny fiarandalamby eny am-pandehanana. Sary an'i Mohammad Ragib Zamantao amin'ny Vondrona Mpankafy ny Bangladesh Railway. Nahazoana alàlana.
Araka ny nambaran'ny mpitondra tenin'ny Bangladesh Railway, sarotra ny hilaza ny antony, saingy dia voatoraka noho ny antony maro samihafa ireo fiarandalamby, ataon'ireo andian-tanora jiolahimboto na indraindray aza dia ireo mpiasan'ny masoivohom-pitaterana an-tanety mihitsy, satria nidina ny vola miditra amin'ireo fiara mpitatitra noho ny hamaroan'ireo olona misafidy ny handeha amin'ny fiarandalamby izay mora kokoa.
Ny 13 Febroary 2021, nalefan'i Shahajada Farhan Odhi tao amin'ny Facebook ny momba ny tranga tahaka izany ary nampidirany sary:
ট্রেনের ছাদ থেকে পাথর। নিক্ষেপ অল্পের জন্য রক্ষা পেলো ড্রাইভার
আজ দুপুর ১২:০৬ ছয় মিনিটে কিশোরগঞ্জ এক্সপ্রেস এর ছাদ থেকে পাথর নিক্ষেপ করে দুইটি ছেলে,
স্থান নিমতলী রেলগেট টঙ্গী।
[..]
রেলপুলিশ চাইলে ইমিডিয়েড তাদের এখন কিশোরগঞ্জ স্টেশন থেকে আটক করতে পারেন।
Torabato miainga avy any an-tafon'ny fiarandalamby iray hafa mifanena. Divi-janahary no tsy nahavoa ny mpamily, tsy naninona.
Tovolahy roa no nitoraka vato avy eny ambony tafon'ny fiarandalamby Kishoreganj Express tamin'ny 12:06 pm androany.
Toerana: Nimtali Railgate Tongi. [..]
Azon'ny polisin-dalamby atao tsara ny misambotra haingana azy ireo avy ao amin'ny garan'i Kishoreganj raha mihetsika malaky ry zareo.

Fanentanana iray nataon'ireo mpikambana avy amin'ny vondrona mba hampianarana ny ankizy sy ny tanora momba ny zavadoza mety hitranga amin'ny fitorahana vato ny fiarandalamby eny am-pandehanana. Sary an'i Shovon Hossain tao amin'ny Vondron'ny Mpankafy ny Bangladesh Railway Nahazoana alàlana.
Mitarika fanentanana iray ihany koa io vondrona io hiadiana amin'ny fitorahana vato. Shovon Hossain, mpikambana iray, nandefa momba an'io ary nizara rakitra iray mampiseho ny hetsika ataon-dry zareo.
সামাজিক দায়বদ্ধতা হতে আমরা গিয়েছি গতকাল ব্রাহ্মণবাড়িয়া জেলায়, দুপুর হতে সন্ধ্যা পর্যন্ত পাথর নিক্ষেপের কুফল সম্পর্কে প্রচারণা চালাই,আমরা ২টি আলাদা টিমে বিভক্ত হয়ে প্রচারণা শুরু করি।
এই প্রথমবারের মত আমরা শিশু বাচ্চা, উঠতি বয়সী ছেলে মেয়েদের সাথে খুব ই বন্ধুত্বপূর্ণ আচরণে কথা বলে তাদের মোটিভেট করি,তারাও আমাদের কথা দেয় কখনো ই ট্রেনে পাথর নিক্ষেপ করবে না এবং তাদের বন্ধুবান্ধব সহ যাকেই দেখবে তাকেই তারা বিরত করবে এই খারাপ কাজ হতে।
Noho ny antony firotsahana an-tsehatra sôsialy ataonay, nandeha tany amin'ny distrikan'i Brahmanbaria izahay omaly hanao fanentanana momba ny maha-asan-demony ny fitorahana fiarandalamby eny am-pandehanana. Nanomboka tamin'ny mitatao vovonana ka mandra-paharivan'ny andro, nozarainay ho tarika roa ny fanentanana natao.
Ity no voalohany niresahanay tamina ankizy, tovolahy sy tovovavy, ary tamin'ny fomba feno fanajàna tanteraka. Fotoana iray io nahafahana nanazava tamin-dry zareo ny loza mety ateraky ny fitorahana vato an'ireo fiarandalamby eny am-pandehanana. Avy amin'izy ireo kosa, nanome toky ry zareo fa tsy hitoraka vato intsony an'ireo fiarandalamby eny am-pandehanana ary izy ireo no hanakana izay mitady hanao izany, eny fa na namany aza, mba tsy hanao fihetsika adala tahaka izany.
Ireto ny ohatra vitsivitsy amin'ireo sary hita ao anatin'ilay vondrona voalaza ery ambony:

‘graffiti’ nataon'ireo mpianatra teo amin'ny fiarandalamby iray mpitatitra olona tao Chittagong, Bangladesh. Sary an'i Zaman Muhammad tao amin'ny Vondron'ireo Mpankafy ny Bangladesh Railway. Nahazoana alàlana

Ity gara manokan'i Khanabari any akaikin'i Narshingdi ity dia malaza ho fampiantranoana seho ara-javakanton'ny làlana isak'alina. Sary an'i Md. Kamruzzaman Sohel tao amin'ny Vondron'ireo Mpankafy ny Bangladesh Railway. Nahazoana alàlana

Manana sambo Ferry azy manokana ny Bangladesh Railway. Satria mihamaro ireo tetezan-dalamby natsangana ao amin'io firenena be renirano io, tsy mila mampiasa ireny sambo ireny intsony ny mpandeha. Sary an'i Akibul Hasan Nizam tao amin'ny Vondron'ireo Mpankafy ny Bangladesh Railway. Nahazoana alàlana

Tsy misy toerana azo ipetrahana intsony tao amin'ity fiarandalamby mpitatitra olona ity, mankany amin'ny oniversiten-n'i Chittagong, eny fa na hatreny ambony tafo aza. Na ny lohamasinina aza dia nipetrahan'ny olona. Sary an'i Mainul Islam Shimul tao amin'ny Vondron'ireo Mpankafy ny Bangladesh Railway. Nahazoana alàlana