- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanalan-jaza ao Arzantina: Mitohy ny tolona

Sokajy: Arzantina, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Pikantsary avy amin'ny France24/YouTube [1], avy amin'ny hetsika ‘mpanohana-aina’ tamin'ny 29 Novambra 2020.

Tamin'ny 30 Desambra 2020, nanatevin-daharana  [2]ny lisitra fohy ahitana ireo firenena mametraka ny fanalan-jaza ho zo tsy misy fameperana amin'izay antony i Arzantina, izany hoe, tsy mila mamaritra ny antom-pangatahana hanala zaza ny vehivavy bevohoka, ao anatin'ny 14 herinandro voalohany nahabevohoka. Napetraka ho ara-dalàna [3] tamin'ny 14 Janoary 2021 ny volavolan-dalàna, nankatoavina tamin'ny volana desambra taorian'ny nahazoany vato manohana 38 , manohitra 29, ary iray tsy nisafidy.

Na dia efa nampiharina tany amin'ny faritra  [4]sasany any Arzantina aza ny fanalan-jaza, niteraka izay hita toy ny tolona manan-tantara manaraka – mba hiantohana ny fampiharana azy ny fandaniana ny lalàna momba ny Fahazoana Mamarana ny Fitondrana Vohoka (IVE).

Iray volana latsaka talohan'ny nampanan-kery ny lalàna vaovao nanerana ny firenena, nanaiky ny fampiakarana raharaha napetraky ny vondrona iray momba ny olom-pirenena milaza fa manomboka hatrany am-bohoka ny fiainana kanefa mifanohitra amin'izany ny lalàna, ny mpitsara Marta Beatriz Aucar de Trotti, lehiben'ny Fitsarana Sivily sy ara-barotra laharana faha-19 ao an-tanànan'i Resistencia, any amin'ny faritanin'i Chaco. Vokatr'izany, tamin'ny faran'ny volana janoary 2021, nametraka [5] fepetra fitandremana izay nampiato ny fampiharana ny lalàna IVE tao amin'ny faritanin'i Chaco i Aucar de Trotti .

Samy nampakatra ny raharaham-pitsarana avy hatrany ny fikambanana fiarahamonim-pirenena [6] Unidos por la Diversidad eny ifotony satria lalàna federaly izany fa tsy lalàna faritany, avy eo nitaky ny raharaha mba hotsarain'ny mpitsara manana fahefana nasionaly ny minisiteran'ny fahasalamana [7], ary farany toa izany koa avy amin'ilay mpampanoa lalàna   [8]ao amin'ny fanjakana Chaco, Cecilia Fernández Almendra. Na izany aza, mbola manan-kery ilay fepetra fitandremana; ka na dia manan-kery manerana ny firenena aza ny zo hanala zaza ara-dalàna, dia mbola mihantona any Chaco ny fampiharana azy ankehitriny.

Ankoatra ny didim-pitsarana tany Chaco, nisy ny fampiakarana ny raharaha sy fitoriana ny filoham-pirenena Arzantina, Alberto Fernández, sy ireo parlemantera nifidy nankatoa ny lalàna tao amin'ny faritanin'i Córdoba. Ahitana fangatahana fitoriana fanesorana ny filoham-pirenena ny fitoriana [9] napetraky ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena Derechos Humanos y Violencia de Género (Zon'olombelona sy ny  Herisetra maha-lahy na maha-vavy) ary milaza fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana io lalàna io.

Tsy mahagaga intsony ny tetika isankarazany ilazana fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ny lalàna IVE sy ny fangatahana fepetra fitandremana, satria nilaza ireo vondrona manohitra ny lalàna ao amin'ny tambajotra sosialy fa “Tsy misy lalàna tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana hahakivy antsika.”

Manohy miady amin'ny fanalan-jaza isika, manohy miaro ny tsy manan-tsiny, manohy manome hery ny vehivavy amin'ny fanabeazana, miaraka amin'ny fitaovana, fitiavana, ao amin'ny fiarahamonina nosaraham-bazana.

Tsy misy lalàna tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana hanakivy antsika. Tsy misy lalàna tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana hanakivy antsika.

Tamin'ny Desambra 2019, herintaona talohan'ny nandaniana ny lalàna momba ny fanalan-jaza, nanambara ny fananganana ny lisitr'ireo [12] Mpanao fanamarihana ara-tsikalapieritreretana ny Vaomieram-Pitsaboana avy ao amin'ny Faritanin'i Misiones, “mba hiarovana ny zon'ireo izay noho ny antony ara-pitondran-tena, etika, filozofika, kolontsaina, antony ara-pinoana na ara-potokevitra, mihevitra ny tenan'izy ireo fa tsy afaka manao fitsaboana izay mifanohitra amin'ny fandresen-dahatra ao aminy. ” An-tsitrapo, manokana ary tsiambaratelo ny fangatahana hampidirina ao anaty lisitra.

“Nametraka ny didim-paritany manan-kery fa tsy afaka mitsipaka ny toeram-pitsaboana, ary ny dokotera, amin'ny tranga toy izany, dia tokony hanondro avy hatrany dokotera hafa amin'ny marary”, hoy ny fanazavan'i [13]Luis Flores, filohan'ny Holafitry ny dokotera ao Misiones, ary fantany fa “mazava ny lalàna momba ny adidin'ny dokotera hanondro amin'ny [marary], ary tsy misy adihevitra momba izany”.

“Ny rariny ara-tsosialy no fahefana manapa-kevitra”

Mifanohitra amin'ny faritanin'i Chaco, Cordoba, ary Misiones, nampiharina miandalana any amin'ny faritra hafa ny lalàna. Araka ny fanambaran'ny [14] minisitry ny Vehivavy, ny Miralenta ary ny Fimaroana, Elisabeth Gómez Alcorta, ny tanàna sy faritanin'i Buenos Aires, ary La Pampa dia isan'ny distrika izay tena mampihatra tsara ny lalàna.

Taorian'ny nampanan-kery ny lalàna momba ny fanalan-jaza, nizara sary iray tao amin'ny Instagram momba ny fanomezam-panafody voalohany misoprostol (iray amin'ireo fanafody fanalan-jaza be mpampiasa indrindra) any Arzantina, miaraka amin'ny tombo-kaseny sy ny soniany i Estefania Cioffi, dokotera, mpikatroka feminista, sady mpikambana ao amin'ny Tambajotran'ny  [15]Matihanina Ara-pahasalamana ho an'ny Zo Hanapa-kevitra.

“Afaka manapa-kevitra ny fitsarana ara-tsosialy,” hoy i Cioffi nanoratra teo akaikin'ilay sary nasesiny avy tao amin'ny tanàna mahantra 1-11-14 teo afovoan'ny tanànan'i Buenos Aires, toerana iasany amin'ny maha-mpitsabo ankapobeny.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Estefania Cioffi (@teficioffi) [16]

Famaranam-bohoka voalohany AN-TSITRAPO ?

Tena nisy ankehitriny ny zo hanapa-kevitra taorian'ny taona maro fandaminan'ny feminista. Manenika ny vatako ny fihetseham-po.

Eto izahay hiaro ny Lalàna 27.610, manohana am-pitiavana, manohana HATRANY.

Afaka manapa-kevitra ny fitsarana ara-tsosialy

AFAKA MANANTENA ANAY IANAO

Ankoatra izay, dia nanjary lohalaharana manoloana ny lalànam-paritany mametra ny fahazoana misoprostol ny lalàna nasionaly manala ny heloka fanalan-jaza. Ohatra iray amin'izany ny faritany Mendoza, izay voafetra [17] ny fivarotana misoprostol. Nanambara ny fanavaozana ny lalànany hifanaraka amin'ny fanavaozana ny lalàna Famaranana ny Fitondrana Vohoka An-tsitrapo (IVE) ny Minisiteran'ny Fahasalamana ao Mendoza, tamin'ny alàlan'ny fanapaha-kevitra navoaka tao amin'ny Gazety ofisialy.

Ohatra iray hafa amin'ny fampifanarahana ny lalàna vaovao ny Programa ho an'ny Fanamafisana ny Zo Hanala zaza napetraky ny IOMA, fandaharana fiantohana ara-pahasalamana ao amin'ny faritanin'i Buenos Aires miorina amin'ny rafi-pitsaboana mifototra amin'ny firaisankina. Ny programa, izay manolotra [18] handrakotra ny 100 isanjaton'ny rakipaika, no fiantohana voalohany any Arzantina mba hametraka ny zo hanapa-kevitra.

 Ny tsara sy ny ratsy hatramin'ny nankatoavan'ny lalàna 27.610 dia mampiseho fa tsy azo antoka ny fahalalahana manapa-kevitra raha tsy amin'ny alàlan'ny fandaniana lalàna iray. Na dia any amin'ny faritra sasany amin'ny firenena aza, mitohy ny tolona hiantohana ny zo hanala zaza, mazava ny lalàna, ary ireo matihanina miadidy ny fifampiresahana ara-pitsaboana an-tariby na mivantana any amin'ny tobim-pahasalamana dia tsy maintsy miantoka io zo io amin'ny fifandraisana voalohany.