- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fahalalahana an-gazety ao Jammu sy Kashmir: resadresaka nifanaovana tamin'ilay mpanao gazety Anuradha Bhasin

Sokajy: Azia Atsimo, India, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zon'olombelona

 

Anuradha Bhasin, Executive Editor of the newspaper Kashmir Times. Screenshopt from YouTube video by VideoVolunteers. [1]

Anuradha Bhasin, toniandahatsoratra mpanatanteraka ao amin'ny gazety Kashmir Times. Pikantsarin'ny VideoVolunteers tao amin'ny horonantsary YouTube.

Niseho voalohany tao amin'ny Video Volunteers [2], fikambanana iraisam-pirenena nahazo loka tamin'ny fampahalalam-baovaom-piarahamonina tao India ity lahatsoratra ity. Navoaka eto ny dika nasiam-panovana noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Tamin'ny resadresaka nalefa ny 11 Febroary, niantsafa tamin'i Anuradha Bhasin, tonian-dahatsoratra mpanatanteraka ao amin'ny gazety Daily Kashmir Times [3] ilay mpampita vaovaon'ny VideoVolunteers Basharat Amin [4], mba hamantarana ny zava-misy ankehitriny momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Jammu sy Kashmir [5].

Tamin'ny 5 Aogositra 2019, nanafoana ny andininy faha-370 [6] amin'ny lalàmpanorenan'i India izay manome ny sata fizakan-tena manokana ho an'ny fanjakana ifandirana Jammu sy Kashmir ny governemanta ao India, notarihan'ny Antoko Bharatiya Janata (BJP [7]). Mpitondra politika [8] an-jatony no niharan'ny tsy fahafahana mivoaka ny trano, ary naato [9] ny fidirana amin'ny tambajotra finday, ny laharana an-tariby ary ny tambajotra aterineto. Nasiana sakana teny an-dalambe satria nampiharina ny famerana mivezivezy ary notanana [10] izay rehetra nanao fihetsiketsehana.

Vakio ny fitantarana manokana: Inside Kashmir's crisis [11]

Ato amin'ity antsafa ity, niresaka (amin'ny teny anglisy) momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety nandritra ny taompolo 90 [12] i Bhasin, rehefa nanomboka ny fitolomana [13] manohitra ny fitondrana Indiana tao amin'ny lohasaha, sy ny zava-misy ankehitriny izay nanilihana ny andininy faha-370 sy ny fanesoran'ny governemanta ny fanakanana ny aterineto 4G rehefa afaka efa ho 18 volana [14].

Niasa tamin'ny iray amin'ireo gazety tranainy indrindra ao Jammu sy Kashmir i Anuradha Bhasin [15]. Mpanohana matanjaka ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety izy ary nalaza tamin'ny vaovao noho ny fitsikerany ny governemantan'i Modi [16]. Nangataka [17]tamin'ny Fitsarana Tampony izy ny hanafoanana ny famerana ny serasera izay napetraka taorian'ny fanafoanana ny andininy faha-370 tao Jammu sy Kashmir. Noho ny fangatahana nataony [18] no namerenan'ny [19] Governemantan'i India tamin'ny laoniny ny tolotra aterineto 2G tao amin'ny faritra mihidy ao Kashmir.

“Nijanona tsy namoaka vaovao manakiana ny governemanta ny gazety eo an-toerana,” hoy i Bhasin raha niresaka momba ny fanaraha-maso sy ny fandrahonana ny mpanao gazety avy amin'ny fitondrana izy. Nampatsiahy ny mpanao gazety momba ny andraikitr'izy ireo amin'ny maha-feon'ny vahoaka azy izy, indrindra ireo izay iharan'ny tsindry sy voahilikilika.

Nifantoka ihany koa tamin'ny politika vaovaon'ny fampitam-baovao [20] noforonina tao Kashmir  ny antsafa izay toa hita fa natao hanoherana ny fiparitahan'ny fandisoam-baovao na ny vaovao faikany. “Rehefa manomboka manaparitaka vaovao faikany ny fantsom-pahitalavitra dia tsy misy fepetra raisina amin'izy ireo satria manohana ny governemanta mpitondra ny sasany amin'ireo zava-mitranga  ireo,” hoy i Bhasin.