- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosakanan'ireo mpikatroka Holandey momba ny toetrandro ny fidirana ao amin'ny Minisiteran'ny Toetrandro hitakiana ny famoahana ny “Shell Papers”

Sokajy: Eoropa Andrefana, Holandy, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

Sary avy amin'ny kaonty Instagram Extelltion Rebellion Netherlands, nahazoana alàlana.Photo from Extinction Rebellion Netherlands Instagram account [1], used with permission.

Raha nifantoka tamin'ny fitokanana ny filoham-pirenena Amerikana Joe Biden tamin'ny 20 janoary izao tontolo izao, dia andro voalohany nandraisan'ny minisitry ny raharaham-bahiny sy ny toetrandro Holandey Bas van ’t Wout's [2] ny raharahany ihany koa io. Mpikatroka momba ny toetr'andro maherin'ny 70 manohitra ny “fitantanana tsy mahomby” nataon'ny governemanta tamin'ny krizy momba ny toetr'andro sy ny tontolo iainana no niandry azy tao.

Nosakanan'ny Extinction Rebellion Netherlands (XRNL) ny vavahady lehibe fidirana ao amin'ny Minisiteran'ny Raharaha ara-toekarena sy ny toetrandro Holandey tao La Haye, ary nalefa tany amin'ny varavarana ilany ao amin'ny tranobe ny fifamezivezena. Nilaza tamin'ny fanambarana an-gazety [3] ny mpitondra tenin'ny XRNL, Lucas Winnips hoe:

We zitten in een klimaatnoodtoestand. Het wanbeleid van dit ministerie is een gevaar voor onze veiligheid en gezamenlijke toekomst. Hier wordt met publieke middelen enorme klimaatschade aangericht

Ao anatin'ny toetr'andro hamehana isika. Loza mitatao ho an'ny fiarovana antsika sy ny hoavintsika iraisana ny tsy fahaiza-mitantanan'ity minisitera ity. Nampiasaina volam-bahoaka ny fahasimbana goavana tamin'ny toetr'andro.

Mitaky amin'ny Minisitera ireo mpanao fihetsiketsehana mba tsy hampiasa ny volam-bahoaka hanampiana ny akoranafo milevina sy ny hamoahan'ny governemanta Holandey ny ‘Shell Papers, [4]’  izay tahirim-pifandraisan'ny governemanta amin'ny orinasa iraisampirenena. Ity fihetsiketsehana ity no hetsika farany tsy misy herisetra natao tamin'ny Ministera.

Mpikomy mihoatra ny 70 manerana ny firenena no nanakana ny minisiteran'ny Toekarena sy – eny – ny raharaha momba ny toetrandro. Nangataka izy ireo mba hiady amin'ny krizin'ny toetr'andro ny minisitera. Dingana voalohany mahafinaritra ny fanapahana ny fanampiana amin'ny akoranafo milevina amina miliara.

Mitondra sora-baventy marevaka misy ny fangon'ny Extelltion Rebellion, mpanao fihetsiketsihana 70 mahery no nanakana ny varavarana fidirana tao amin'ny minisitera nanomboka tamin'ny 8 maraina. Betsaka no nanao tohivakana mba ho sarotra amin'ny polisy ny manala azy ireo. Vao tonga ny hariva, dia efa nisy mpitandro ny filaminana marobe ary nisambotra mpanao fihetsiketsehana 23 izy ireo rehefa tsy nety niala teo an-toerana ny sasany, raha ny tatitra voaray avy eo an-toerana [7].

Hoy ny vakin'ny  [8]sora-baventy: “Hofaina ho an'ny mpandraharaha maintso”, manondro ny tranoben'ny Minisitera ao ambadik'ireo mpanao fihetsiketsehana, “Mihidy noho ny tsy fahaiza-mitantana”, ary “Matahotra ny hanan-janaka aho noho ny krizy ara-toetrandro.” Hoy ny mpanao fihetsiketsehana iray tao amin'ny  Instagram Live [9] an'ny vondrona fa nisy mpiasan'ny Minisiteran'ny Toetrandro nanao lahateny “mampihetsi-po” na eo aza ny loza mety hitranga amin'ny fanaovana fihetsiketsehana manoloana ny toeram-piasany.

Tsy vao sambany ny vondrona toetrandro no nanao fihetsiketsehana manohitra ny politikan'ny Minisitera. Tamin'ny 20 Oktobra 2020, nibodo am-pilaminana ny efitranon'ny Minisitera ny mpanao fihetsiketsehana XRNL. Tamin'io andro io ihany dia namoaka fanambarana tao amin'ny Twitter ny Minisitera, nanasa [10] ireo mpanao fihetsiketsehana mba”hihaona atsy ho atsy.” Tsy fantatra mazava na nisy izany fhaonana izany na tsia.

Taorian'ny fihetsiketsehana Oktobra 2020, nikarakara “hetsika teny an-dalambe” teo anoloan'ny tranoben'ny Minisitera ny XRNL tamin'ny 17 Novambra, 5 Desambra ary 12 Desambra. Tamin'ny 6 Janoary, nanoratra [11] tamin'ny tsaoka ireto “fikarohana voamarina ara-tsiantifika” manaraka ireto teo am-baravarankelin'ny tranobe ireo mpikatroka XRNL:

1) mari-pàna 3 fanampiny amin'ny taona 2100

2) fiakaran'ny haavon'ny ranomasina ½ hatramin'ny 1 metatra amin'ny taona 2100

3) olona 1,5 miliara fanampiny miaina amin'ny tsy fanjarian-tsakafo amin'ny 2050

4) 1/5 amin'ny mponina manerantany hiaina amin'ny tanihay amin'ny taona 2070

5) Mety hisy mpitsoa-ponenana 1,2 miliara noho ny toetrandro amin'ny taona 2050

6 ) Vahoaka Holandey 10.000 isan-taona no heverina ho matin'ny fahalotoan'ny rivotra

7)  1 miliara Euros very isa-taona noho ny haintany ao Holandy

8) Ranomasimbe feno asidra 60% amin'ny taona 2100

Niteraka fisamborana 15 ny fihetsiketsehana tamin'ny 6 Janoary, hoy ny tatitry ny NLTimes [12].

Ny Shell Papers (Antontan-taratasy Shell) sy ny indostrian'ny akoranafo milevina

Manome vola amina miliara euro isan-taona ho an'ny indostrian'ny akoranafo milevina ny governemanta Holandey, amin'ny endrika fampihenan-ketra amin'ny ankapobeny. Araka ny taratasy  [13]nosoratan'i Eric Wiebes, izay minisitry ny raharaha ara-toekarena sy ny politika momba ny toetrandro teo aloha, dia tafakatra 4,5 miliara Euros ireo fanampiana ireo. Na izany aza, nahita ny Milleaudefensie [14], fikambanana tsy miankina Holandey misahana ny tontolo iainana, fa ambony kokoa ny habetsaky ny fitosaky ny fanampiana ara-bola avy amin'ny governemanta Holandey mankany amin'ny akoranafo milevina. Tamin'ny fanadihadiana [15] navoaka tamin'ny volana Jolay 2020, nilaza izy ireo fa “manohana orinasa lehibe mpandoto tontolo mitentina 8,3 miliara euro isa-taona ny governemanta.” Samy nilaza ny Milleaudefensie sy XRNL fa mifanohitra amin'ny  fampanantenan'ny [16] governemanta Holandey hampiato ny fanampiana ny akoranafo milevina amin'ny taona 2020 io famatsiam-bola io.

Nahasarika ny saina manokana ihany koa ny orinasan'ny angovo Shell. Ny “Shell Papers [17]” dia tetikasa iraisan'ny mpanao gazety avy amin'ny Platform for Authentic Journalism (PAJ) sy ny Follow the Money (FTM) izay manadihady ankehitriny ny fifandraisan'ny governemanta Holandy sy ny orinasan-tsolika sy solitany iraisampirenena Anglisy-Holandey. Iray amin'ireo orinasa mpandoto indrindra  [18]eto an-tany ny Shell.

Nametraka fitoriana ara-dalàna [19] 17 ho an'ny andrim-panjakana maromaro ny PAJ, mitaky ny famoahana “ny antontan-taratasy rehetra — toy ny mailaka, memo, antontan-taratasy momba ny fanaovan-dalàna, ary na dia ny hafatra WhatsApp aza — hatramin'ny 2005 izay niaviany, nomena, na momba ny Shell.” Araka ny tantara [20] avy amin'ny PAJ, ny tanànan'i Assen irery ihany no nanaiky ny fangatahana hatreto, na dia nahazo tsindry ara-dalàna avy amin'ny minisiteran'ny Toekarena sy ny toetr'andro aza ny tanàna.

Tsy toa an'i Alemaina sy Italia, ny “governemanta Holandey dia tsy mamoaka ny tahiry momba ny fanampiany amin'ny akoranafo milevina, na ny fanampiany manimba ara-tontolo iainana ,” hoy ny tatitra [16] tamin'ny taona 2017 nataon'i Laurie van der Burg sy Matthias Runkel.

Noho izany, ankoatra ny fiangaviana hanao hetsika manan-danja amin'ny toetr'andro, antso ho fangaraharan'ny governemanta ihany koa mikasika ny fampiasana ny volam-bahoaka sy ny fifandraisan'ny fanjakana amin'ny Shell sy ny indostrian'ny akoranafo milevina ankapobeny izany.

Misy mpiasa iray ao amin'ny @shell mijanona maharitra ao amin'ny Ministeran'ny Raharaha EKZ [fanamarihan'ny tonian-dahatsoratra: Ministeran'ny Toekarena sy ny Toetrandro]. Mba madio amin'ity fiaraha-miasa ity!

Mpanao gazety avy amin'ny @FTM_en [Zohio ny vola] nangataka ireo antontan-taratasin'ny governemanta momba ny Shell (nanomboka ny taona 2005, fangatahana hiditra malalaka amin'ny antonta-taratasim-panjakana), ny “Shell Papers”, saingy nandà ny minisitera.

Mandraisa andraikitra!