- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

HORONANTSARY: Hanenika an'i Amerika Latina ve ny “onja maitson'ny” zo hanala zaza any Arzantina ?

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Honduras, Meksika, Venezoela, Fahasalamàna, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona, GV Insights

 

Niteraka resabe momba ny zo ara-pananahana manerana an'i Amerika Latina ny fanaovana ho ara-dalàna ny fanalan-jaza [1] nanan-tantara tany Arzantina tamin'ny volana Desambra 2020. Hanenika iny faritra iny ve ny “onja maitso” any Arzantina, ary hitondra fanovana araka ny lalàna sy fihetsika manoloana ny fanalan-jaza ve izany?

Tamin'ny 9 Martsa no nandeha mivantana ity dinidinika mafana niresahana momba ity lohahevitra ity tamin'ny teny espaniola ary ilay toniandahatsoratra ao amin'ny Global Voices Amerika Latina Melissa Vida [2] no nandrindra izany ka ireto avy no nandray anjara: