- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tezitra ny Angoley taorian'ny famonoana mpanao fihetsiketsehana nandritra ny hetsika ho an'ny fizakàntena

Sokajy: Angola, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

 

Lahatsarin'ny mpanao fihetsiketsehana novonoina | Record TV Africa (pikantsary [1] 1 Febroary)

Olona hatramin'ny 16 no maty [2] nandritra ny fihetsiketsehana izay nampiasan'ny polisy Angoley famoretana henjana tao amin'ny tanànakely mpitrandraka tao Canfunfo tamin'ny 30 Janoary, “vonoan'olona” hoy ireo mpikatroka mafàna fo sy ireo mpitondra fivavahana ity zava-nitranga ity.

Olona miisa 200 teo ho eo araka ny filazan'ny fampitam-baovao isankarazany tany an-toerana no nanatrika ity fihetsiketsehana nokarakarain'ny Hetsika ho hoan'ny Prôtektôràn'i Lunda Tchokwe [3] (MPPLT) ity, fikambanana naorina tamin'ny taona 2006 miaro ny fizakantenan'ny antsasaky ny faritra atsinanan'i Angola, izay manan-karena diamondra.

Mba hanamarinana [4] izany fanambarana izany dia nambaran'ny fikambanana fa nisy ny fifanarahana vita sonia [5]teo amin'ireo lehibe teo an-toerana sy Portiogaly tamin'ny taona 1885 izay niantoka ny fiandrianan'ny faritra araka ny filazan'ny hetsika [6]. Nilaza ny hetsika fa tsy noraharahiana ny fifanarahana nandritra ny fifampiraharahana momba ny fahaleovantenan'i Angola tamin'ny taona 1975.

Fahatsiarovana ny faha-127 taonan'ny “fankatoavana iraisampirenena ny zon'ny fanjakana Lunda Tchowke,” araka ny fanambarana [7]navoaka tao amin'ny pejy Facebook -n'ny hetsika ny fihetsiketsehana natao tamin'ny 30 Janoary.

Nandefa miaramila sy polisy tany amin'ilay tanànakely ny manampahefana tamin'ny andron'ny fihetsiketsehana ary toy ny “tany miady” [8] no nitranga tany hoy ireo nanatri-maso tamin'ny mpanao gazety.  Ahitana sary vitsivitsy ny horonan-tsary etsy ambany:

MORTES EM CAFUNFODeclarações exclusivas sobre os acontecimentos na Lunda Norte.O que vocês tem a dizer sobre isso❓

Posted by Record TV Africa [9] on Monday, February 1, 2021

REPORTAGEM DA AGÊNCIA LUSA NO CAFUNFO, LUNDA NORTE, SOBRE OS INCIDENTES DO DIA 31 DE JANEIRO DE 2021

Posted by UNITA Bruxelas [10] on Friday, February 5, 2021

Raha niresaka tamin'ny Global Voice tamin'ny alàlan'ny antso an-tariby ny filohan'ny MPPLT, José Mateus Zecamutchima dia nandà [11] ny filazan'ny polisy momba ny zava-nitranga izy izay nilaza fa nikasa hanafika ny paositry ny polisy ireo mpanao fihetsiketsehana. Nilaza i Mutchima fa nitifitra ireo mpanao fihetsiketsehana tsy ankanakavaka ireo mpitandro ny filaminana.

Nolaviny ihany koa ny fitondran'ny mpanao fihetsiketsehana fitaovam-piadiana, ary nilaza izy fa andro vitsivitsy talohan'izay no nanao fisamborana ny polisy “tamin'ny tanjona hampiatoana ny fihetsiketsehana,” hoy izy nanohy.

Voasambotra [12] tamin'ny 9 Febroary i Zecamutchima, andro vitsivitsy taorian'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Global Voices.

Tamin'ny 3 Febroary, nilaza [13]tamin'ny mpanao gazety ny lehiben'ny komandin'ny polisy Paulo Gaspar de Almeida fa “tsy misy faritany eo ambany fiandrianan'ny firenen-kafa” ary nanao “asan-jiolahy” ilay hetsika.

Manana pejy Facebook [14] sy bilaogy [15] misy lahatsoratra mandà ny fampiasana fitaovam-piadiana na herisetra ny MPPLT.

Efa hatry ny ela no nataon'ny manampahefana Angoley lasibatra ny hetsika. Tamin'ny taona 2017 [16], Zecamutchima niaraka tamin'ny olona manodidina ny 80 teo no nosamborina tamin'ny fihetsiketsehana hafa.

Nilaza ny lahatsoratra iray hafa nosoratan'ny MPPLT fa mpikatroka maherin'ny 300 tao aminy no any am-ponja, “ny sasany notsaraina ary voaheloka ary ny hafa kosa tsia”, araka ny sombintsombiny navoakan'ny [4] tranonkalam-baovao Renaissance.

Fanehoan-kevitra

Araka ny filazan'ny Público [17], naneho ny ahiahiny momba ireo horonantsarin'ny fihetsiketsehana mampiseho ny herisetran'ny polisy ny antoko mpanohitra CASA-CE.

Niantso ny famoretana nataon'ny polisy ho “hetsika manohina ny feon'ny fieritreretam-pirenena” ny Democratic Bloc, antoko mpanohitra iray hafa.

Nangataka tamin'ny fomba ofisialy [18] ny fanadihadiana parlemantera momba ny zava-nitranga ny mpanohitra miaraka amin'ny UNITA.

Nanameloka ny zava-nitranga ihany koa ny Fiangonana Katolika. Nilaza [19]ny Eveka Belmiro Chissenguete, avy ao amin'ny Diosezin'i Cabinda, izay faritra hafa misy hetsika fisintahana fa noho ny tsy fisian'ny fifanakalozan-kevitra no nahatonga ny zava-nitranga tao Canfunf0 ary nangataka fanadihadiana mahaleo tena mba hanazavana ny zava-misy izy:

Lançamos um apelo a todos que têm responsabilidade no País, que tenham coragem em fazer uma investigação independente, não só aquela que a nossa polícia vai fazer, o próprio parlamento tem que se mexer, organizações não-governamentais e outras instituições. Pelas imagens que recebemos aquilo parecia ser um campo de batalha.

Miantso ireo rehetra manana andraikitra eto amin'ny firenena izahay mba hanana fahasahiana hanao fanadihadiana tsy miankina, fa tsy ny ataon'ny polisintsika ihany, fa mila manao izany koa ny Parlemanta, sy ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana sy ny sampan-draharaha hafa. Hitanay tamin'ny sary voarainay fa toy ny tany an'ady no niseho.

Tamin'ny fampiasana ny tenirohy #LundaNorte, nitaky [20] ny marina ny Angoley sasany monina any ivelany:

?? ?? #LundaNorte #Angola #Assassinos FRANÇA!!✊?A partir da França,manifestação a solo,do nosso mano…

Posted by Gisela Silva [21] on Sunday, January 31, 2021 [22]

Niely tamin'ny tambajotra sosialy ihany koa ny fiampangana ny antokon'ny fitondrana. Olom-pirenena iray antsoina hoe Hamilton [23] no nandefa tao amin'ny pejy Facebook-ny hoe:

É uma grande vergonha em Angola ainda existir jovens que lutam em prol de um partido político que muito nos causou malefícios.
Pelo que houve lá nas terras da #LUNDANORTE [24] é um acto que os tais que dizem a vida humana importa tinham de intervir nessa pobre governação falhada que nada faz em prol do próprio cidadão.

Tena henatra lehibe ho an'i Angola ny mbola fisian'ny tanora miady ho an'ny antoko politika izay nitondra fahavoazana lehibe ho antsika.

Tsy maintsy sakanan'ireo izay milaza fa zava-dehibe ny ain'olombelona ny zava-nitranga tany #LUNDANORTE. Tsy nanao na inona na inona ho tombontsoan'ny olom-pireneny ity governemanta tsy mahomby ity.

Niantso ny fametraham-pialàn'ny [25] lehibe komandin'ny polisy ilay mpanao gazety Nok Nogueira:

Demita-se, senhor comandante-geral da Polícia Nacional. O senhor mente com todos os dentes. Não vi nada do que o senhor afirmou nesta conferência de imprensa nos vídeos que chegaram.

E a única pessoa que está a politizar este episódio é o senhor, quando diz que eles quiseram atacar o poder instituído.

Mialà, Andriamatoa lehibe komandin'ny Polisim-pirenena. Mandainga ianao. Tsy nahita na inona na inona izay zavatra nolazainao tamin'ity valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ity aho tao amin'ny horonantsary nivoaka.

Ary ianao irery no olona mampiditra ny resaka politika amin'ity zava-nitranga ity, rehefa milaza ianao fa nikasa hanafika ny fahefana mpitondra [ny vahoaka].

Tamin'ny 3 Febroary, niaiky [26] ny Minisitry ny Fitsarana fa fanitsakitsahana ny zon'olombelona no nitranga nandritra ny fihetsiketsehana.