- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voasambotra tamin'ny fomba ofisialy noho ny resaka fitsikilovana tany Shina ilay mpanao gazety Shinoa-Aostraliana Cheng Lei

Sokajy: Aostralia, Shina, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, #EndSARS protest, a youth movement to end police brutality in Nigeria

 

[1]

Pikantsary avy amin'ny horonantsarin'ny ABC TV 7.30: Ny fianakavian'i Cheng Lei niresaka voalohany taorian'ny nitazomana azy tany Shina ny 9 Feb 2021

Voasambotra tamin'ny fomba ofisialy ilay mpanao gazety Aostraliana sady mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra Cheng Lei, [2] voarohirohy [3] ho namoaka tsiambaratelo na nikasa ny hamoaka tsy ara-dalàna ny tsiambaratelom-panjakana na ny fitsikilovana any ivelany, hoy ny manampahefana Shinoa.

Notànana tamin'ny volana Aogositra 2020 i Cheng, mpanolotra fandaharana momba ny raharaham-pihariana ao amin'ny fahitalavi-panjakana China Global Television Network (CGTN). Voatondro molotra [4] tamin'ny fampiasana ilay antsoina fatratra hoe “diplaomasian'ny takalon'aina” ny governemanta Shinoa tamin ‘izany fotoana.

Niresaka tao amin'ny ABC 7.30 any Aostralia mpiresaka zavamisy ankehitriny ny fianakaviany.

Niatrika fahasarotana maro ny mpanao gazety miasa any Shina ho an'ny fampitam-baovao vahiny tato ho ato. Ilay mpanao gazety Aostraliana Bill Birtles, mpitati-baovao isaka ny amin'ny 7.30 amin'ity tantara ity no mpampita vaovaon'ny ABC Beijing talohan'ny nivoahany haingana [5] ny firenena tamin'ny volana Septambra 2020. Nanazava ny sasantsasany tamin'ny zava-nitranga izy nandritra ny fandaharana 7.30 [6]:

Cheng Lei was taken away six weeks after ASIO [Australian security] raided the homes of four Chinese state media journalists in Sydney.

The anti-foreign interference investigation prompted Beijing to target Australian journalists in China but it's not clear if Cheng's arrest is related to the tense diplomatic relationship, because four months after she was taken away, her close friend, Haze Fan, a Chinese journalist working for American media, was also detained on national security grounds.

Nosamborina i Cheng Lei enina herinandro taorian'ny nanaovan'ny ASIO [sampam-piarovana Aostraliana] bemidina ny tranon'ireo mpanao gazetin'ny fampitam-baovaom-panjakna Shinoa miisa efatra tany Sydney.

Nanosika an'i Beijing hikendry ireo mpanao gazety Aostraliana ao Shina ny fanadihadiana natao hiadiana momba ny fitsabatsabahana ataon'ny vahiny saingy tsy mazava raha misy ifandraisany amin'ny fifandraisana ara-diplaomatika henjana ny fisamborana an'i Cheng, satria efa-bolana taorian'ny nisamborana azy, dia notanana noho ny filaminam-pirenena ihany koa ny namany akaiky, Haze Fan, mpanao gazety Shinoa izay miasa ho an'ny fampitam-baovao Amerikana.

Midadasika kokoa ny sehatra ifanenjanana [7] misy eo amin'i Aostralia sy i Shina mikasika ny varotra, ny filaminana ary ny diplomasia.

Nandà ny filazan'i [8] Shina fa miezaka mitsabaka amin'ny rafi-pitsaran'izy ireo ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Aostraliana Marise Payne. Namaly i Payne fa “mendrika ny fenitra fototra ho an'ny fitsarana, ny dingana ara-dalàna ary ny fomba itondrana ny olombelona mba hifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena” i Cheng Lei.

Tranga malaza iray hafa ihany koa ny fanagadrana hatrany [9] hatramin'ny volana Janoary 2019 ataon'ny manampahefana Shinoa an'ilay mpanoratra sady mpaneho hevitra an-tserasera malaza, Yang Hengjun, Shinoa-Aostraliana. Niteraka hatezerana sy fahasosorana an-tserasera tany Aostralia ny vaovao farany momba an'i Cheng Lei. Nahitana ny fanehoan-kevitra betsaka “Avy any Aostralia” manohitra ny Antoko Komonista Shinoa ny siokan'i Laoch:

Tiako ny #CCP milaza amintsika mba hitsahatra tsy hitsabaka amin'ny raharahan'ny olom-pirenentsika.

Hivadika ny tantara

Nandrisika an'i Aostralia i Shina mba ‘hitsahatra tsy hiditra an-tsehatra’ taorian'ny fisamborana ofisialy ilay mpanao gazety Aostraliana Cheng Lei

Nanamafy ny mety ahasaringotra an'i Cheng Lei tamin'ny fanitsakitsahana ny filaminam-pirenena Shinoa ny mpisera Twitter avy any Brisbane Bob Bruce:

Manana fahazarana mitsikilo ireo mpifanila vodirindrina aminy i Aostralia fa tompon'andraikitra izahay raha nanakaramana an'i Cheng Lei.

Paul Barrett, sekreteran'ny Departemantan'ny Fiarovana sy ny Indostria Voalohany ary ny Angovo any Aostralia teo aloha, nampitaha ny fomba nataon'ny governemanta tamin'ny nitànana ilay mpanao gazety Aostraliana Julian Assange: [15]

Ny maraina teo tao amin'ny @RNBreakfast, nilaza ny senatera Payne (momba an'i Cheng Lei) fa hijoro hatrany i Aostralia hiaro ny zon'ny olom-pireneny amin'ny fomba ara-pitsarana ara-dalàna, ara-drariny, hanaja ny mahaolona bla bla.

Tokony hisy hilaza aminy momba an'i Julian

Ilay mpanao gazety Aostraliana Peter Greste, izay nandany 440 andro tany an-tranomaizina tany Egypta, dia nanohy ny fanohanany an'i Cheng Lei. Hoy izy [20] tao anaty fanambarana ho an'ny Fikambanana ho an'ny Fahalalahan'ny Mpanao Gazety:

…Chinese authorities have had ample time to gather evidence, and unless they are willing to show it, they should release Cheng immediately.

China’s record on press freedom is already deeply troubling. In the absence of evidence, Cheng’s arrest only adds to the impression that Beijing does not care about the freedom of the press. Her case stands as a clear warning to other journalists to support the government or risk being imprisoned too.

… Nanam-potoana tsara hanangonana porofo ireo manampahefana Shinoa, ary tokony hamotsotra an'i Cheng avy hatrany izy ireo raha tsy te-haneho izany.

Efa mampanahy tanteraka ny momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety any Shina. Raha tsy misy porofo, ny fisamborana an'i Cheng dia mampitombo fotsiny ny fiheverana fa tsy miraharaha ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety i Beijing. Fampitandremana mazava ho an'ny mpanao gazety hafa hanohana ny governemanta raha tsy izany hogadraina ihany koa ny raharaha hanenjehana azy.

Vaovao maro no navoaka tao amin'ny Reddit [21], izay nisy fifanakalozan-kevitra mafana.

Nilaza [22] olana iray izay nifanarahan'ny maro hafa i Defamedprawn:

I don't mean to be harsh, but the lady is an anchor [for] CGTN, which is very much an arm of the regime. For instance, they're notorious for televising forced confessions and pretending they're interviews.

So should I feel sympathy for this person?

Tsy te hasiaka aho, fa mpanolotra fandaharana [ho an'ny] CGTN ilay ramatoa, izay tànana ankavanan'ny fitondrana tokoa. Ohatra, malaza ratsy amin'ny fandefasana fiaiken-keloka an-keriny sy mody alefa toy ny antsafa izy ireo.

Ka tokony hangoraka an'ity olona ity ve aho?

Naneho [23]ny fisalasalany i Catalyst1945 momba ny hoe handray andraikitra tokoa ve ny governemanta Aostraliana:

Can’t wait for our spineless prime minister to do nothing.

Tsy andriko ny hahita ny Praiminisitra kanosa tsy hanao na inona na inona.

Given the nature of Chinese trials, it is possible that we may never know what motivated her detention:

Raha araka ny natioran'ny fitsarana Shinoa dia mety tsy ho fantatsika mihitsy hoe inona no nahatonga azy ho voatazona:

Rehefa avy niaina efa ho enimbolana tany amin'ny fonja miafina, manahy ny manam-pahaizana fa vao manomboka ny dian'ilay mpanao gazety Aostraliana Cheng Lei mamakivaky ny rafitra ara-pitsarana manjavozavo ao Shina.

Mandritra izany fotoana izany, voalaza fa mihatsaravelatsihy i Aostralia noho ny tsy fisian'ny mangarahara amin'ny fitsarana. Nanambara ny olana mampiady hevitra momba ny fitsarana tsiambaratelo [26] any an-toerana i Ann:

Tsy afaka manampy amin'ny famotsorana ireo vehivavy toa an'i #ChengLei  [27]ny fitsarana tsiambaratelo any Aostralia [Ny vavolombelona K, ny mpisolovava azy, ny Vavolombelona J sns]