Salvadaoro: Tsy mihena ny fitiavan'ny vahoaka ny filoha Bukele na teo aza ny fiampangana azy ho manao tsy refesimandidy

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 22 Febroary 2021)

Ny filoha Nayib Bukele miteny manoloana ny tafika salvadôriàna. Sary:  @PresidenciaSV

Raha tsy misy fanamarihana manokana dia mankany amin'ny lahatsoratra amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra ato anaty lahatsoratra.

Ny 6 Febroary 2021, navoakan'ny CID Gallup ny tsapahevitra voalohany nataony tamin'ity taona ity momba ny filoha salvadôriàna Nayib Bukele sy ny nitantanany ny valanaretina COVID-19. Araka io tsapahevitra [es] io, 91 % amin'ireo Salvadôriàna no afapo tamin'ny fomba nitantanan'ny filoha Bukele ilay olana ara-pahasalamàna.

Tsy ny fakankevitra nataon'ny CID Gallup tamin'ny 6 Febroary irery ihany no mampiseho ny fitiavan'ny vahoaka ao Salvadaoro an'i Nayib Bukele. Hatramin'ny Janoary 2020, 13 no isan'ireo fandalinana natao momba ny fanekena ny asan'ny filoha na koa ny fitantanany ny valanaretina COVID-19 ; Ireny rehetra ireny dia samy nanome taham-panekena mihoatra ny 75 isanjato an'i Bukele avokoa.

Kanefa, ny asa vitan'i Bukele dia kianin'ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona [fr] sy ny Fikambanan'ireo Firenena ao Amerika (OEA). Anakianana azy ny ho lasa vao mainka manao tsy refesimandidy, zavatra iray tsapa mifototra amin'ny zavamisy hoe nanohintohina ireo andrimpanjakana demaokratika ao amin'ny firenena izy ary nanao vava tamin'ireo mpanao gazety. Ohatra, ny 9 Febroary 2020, niditra [fr] tao amin'ny parlemanta salvadôriàna i Bukele, narahan'olona nirongo fiadiana, fihetsika izay ambaran'ireo sasany mpaneho hevitra ho toy ny andrana fanonganam-panjakana ara-miaramila. Ho azy filoha kosa, nitady izay hoentina manamarina ilay fitsofohana izy, izay, araka ny filazany, dia natao hanaovana tsindry amin'ireo mpanao lalàna mba handanian-dry zareo ireo vola natokany ho an'ny drafi-piarovana

Ao Salvadaoro, nangataka fotoam-pivoriana fanaovan-dalàna manokana ny filoha Bukele ho atokana handaniana ilay findramam-bola 109 tapitrisa dolara. Nolavin'ny kaongesy izany ary ankehitriny dia ny tafika salvadôriàna no nandray ny fifehezana ny antenimiera mpanao lalàna #ElSalvador

Taorian'ilay fanonganam-panjakana tamin'ny 31 Janoary, nahafatesana olona roa avy amin'ny mpomba ny mpanohitra, hetsika fanafenan-javatra ireny herisetra ara-politika ireny, hoy Ing. Bukele. Andro vitsy taorian'izay, nandefa taratasy ho an'Ing. Bukele ireo mpikambana roa avy ao amin'ny Kaongresy Amerikàna, Albio Sires sy Norma J. Torres, ka tao anatin'izany no nanehoan-dry zareo ny ahiahiny sy nanentanany azy mba « ho mpampita hafatra fandriampahalemana no sady hisoroka ny fandrehetana fisarantsarahana sy herisetra ».

Nahoana no manana taham-pankasitrahana be tahaka izany ny filoha Bukele ?

Nisy ny fandalinana psikôlôjika nampiseho fa « ny tsy filaminana dia mandray anjara amin'ny fipongaran'ireo tsy refesimandidy sy ny fitontonganan'ny demaokrasia », araka ny itateran'ny The Guardian azy:

“When people experience threat – whether actual or imagined – they begin to “tighten”. In physical terms, they tense their muscles, ready to defend themselves. In political terms, they begin to crave security and order in a community that seems to be collapsing. Authoritarian leaders satiate this need by promising quick, simple solutions – and, above all, a return to the tighter social order of yesteryear.”

Rehefa miaina anaty horohoro ny vahoaka – na mivantana izany na ankolaka – dia manomboka « mifaneritery ». Amin'ny lafiny ara-batana, manejana ny hozatra, vonona ny hiaro tena. Amin'ny lafiny pôlitika, manomboka maniry hanana fitoniana sy fandriampahalemana ao anaty fiarahamonina izay toa hirodana. Mamaly io filàna io ireo fitondràna tsy refesimandidy, amin'ny fampanantenana vahaolana tsotra sy malaky – ary, indrindra, fiverenana amin'ny lamina sôsialy henjana kokoa noho ny tany aloha.

Ao Salvadaoro, izay iray amin'ireo firenena mahery setra indrindra eto an-tany, iainana isanandro[pdf] ny tsy fandriampahalemana. Nisy fandalinana hafa nampiseho [pdf] fa ireo olona miatrika tsy fandriampahalemana ara-toekarena dia manana fironana hisafidy ireo mpitantana tsy refesimandidy ; io petrakevitra io dia mety hitranga ho an'i Salvadaoro, izay mahantra avokoa ny ampahatelon'ny mponina.

Asian'ireo manampahaizana tsindrimpeo ny zavamisy hoe ampiasain'i Bukele ho amin'ny tombontsoany ny tambajotra sôsialy ary feheziny araka izany ny vahoaka. Fanampin'izay, mahazo tombony amin'ny fampiasana ny volam-bahoaka izy ho entina mivarotra ny heviny, hanaovana ny fampahafantarana azy sy ireo tetikasany : tamin'ny 2019, nangataka [es] 22 tapitrisa dolara izy hanaovana dokambarotra.

Araka ireo fitsapankevitra, ny lazan'ny filoha Bukele dia noho ny fitantanany hentitra ny valanaretina COVID-19, ny fihenan'ny tahan'ny vono olona sy ny faharefoan'ireo antoko mpanohitra.

Na tsarain'ny sasany ho tsy refesimandidy aza, efa naka mialoha fepetra matotra i Bukele, izay nandray anjara tamin'ny fanakanana ny fihazakazahan'ny fidiran'ilay viriosy tao amin'ny firenena. Ohatra, talohan'ny nahitàna ny tranga  COVID-19 voalohany tao Salvadaoro, nodidian'i [fr] Bukele hakatona daholo ny sisintany, ny seranampiaramanidina iraisampirenena ary naato daholo ny fitaterana iraisana. Namoahany didy ihany koa ny fanibohana [es] olona marobe. Araka ny tsapahevitra iray navoakan'ny gazety iray tao an-toerana  tamin'ny May 2020, na nanohintohina ny toekaren'ny firenena aza ireny fepetra tany am-boalohany ireny, 95,7 % tamin'ireo Salvadôriàna no nankasitraka ireo  fanapahankevitra noraisin'ny filoha Bukele nataony hanakanana ny fiparitahan'ny COVID-19.

Etsy andanin'izany, hatramin'ny niafaran'ny ady an-trano nandrotika ny firenena tany amin'ny andian-taona 1980 tany, dia ny an'ny fitantanana Bukele no ambany indrindra ny tahan'ny vono olona. Tamin'ny 2020, raha ampitahaina amin'ny taona 2019 dia nidina 44,9 isanjato[es] ny tahan'ny vono olona tao amin'ny firenena. Hita taratra any anatin'ireo tsapahevitra [es] ihany koa izany.

Nifarana niaraka tamin'ireo tondro rehetra naneho fidinan'ny tsy fandriampahalemana ny taona 2020; tsy mitsahatra ny mihena be ireo heloka bevava 12 namely ny maro indrindra tamin'ny Salvadôriàna. Noho ny asan'ny @PNCSV sy ny #PlanControlTerritorial, tsy hita intsony ao anaty lisitr'ireo firenena mahery setra eto an-tany ilay firenena.

Farany, mandray anjara amin'ny fitomboan'ny lazan'ny filoha Bukele ihany koa ny faharefoan'ireo antoko politika mpanohitra. Ho an'ny ankamaroan'ny Salvadôriàna dia tratry ny kolikoly ireo antoko roa hafa lehibe indrindra nitantana ny firenena tato anatin'ny 30 taona farany, ny FMLN sy ny ARENA.

Ohatra, telo amin'ireo filoha nivoaka avy tamin'ireo antoko politika roa ireo no voampanga ho nanao kolikoly. Paco Flores [es] maty teo am-piandrasana fotoam-pitsarana azy fony izy nogadraina tsy nahazo mandao ny toerana noneny, raha i Tony Saca [es] indray any am-ponja ary manefa sazy 10 taona noho ny fanodinkodinana volam-bahoaka. Mauricio Funes [es] mialokaloka ara-politika any Nikaragoà, afaka amin'ny fampodiana olo-meloka mankany Salvadaoro ; marobe ny fiampangàna miandry azy amin'ny resaka famotsiambola tao Salvadaoro sy Goatemalà.

Tao amin'ny fahitalavi-panjakàna [es], Marvin Aguilar, mpandalina malaza ny raharaha politika, dia milaza fa noho ny fianjeran'ireo teo alohany no nahazon'i Bukele ny lazany:

Nayib Bukele es el artefacto que construye el pueblo para desquitarse, para castigar a la derecha y la izquierda que nos gobernaron 30 años. El Problema no es Nayib Bukele o el Bukelismo o Nuevas Ideas. El Problema es que seguis teniendo en la derecha y en la izquierda a los mismos líderes representantes que fracasaron en 30 años y que es a ellos a quien el pueblo culpa de los males que tenemos ahorita.

Artefact iray natsangan'ny vahoaka i Nayib Bukele, ho famaliana faty, ho fanasaziana ny hery ankavanana sy ankavia izay nitantana nandritra ny 30 taona. Tsy i Nayib Bukele no olana [ho an'ny mpanohitra], fa ny Bukelisma na ny Hevitra Vaovao [ilay antoko politikan'i Nayib Bukele]. Ny olana, na ho an'ny ankavanana, na ho an'ny ankavia, dia ireo mpitondra nitovy hatrany no tsy nahavita na inona na inona nandritra ny 30 taona. Izy ireo no ampangain'ny vahoaka salvadôriàna ho anton'ireo zavatra ratsy iainanay ankehitriny.

Araka ny tsapahevitra iray navoaka tamin'ny 12 Febroary, avy amin'ny Ivontoeran'ny anjerimanontolo mpamoaka ny hevitry ny daholobe (IUDOP [es ; pdf]) avy ao amin'ny Oniversite Jose Simeon Cañas, ny Hevitra Vaovao [fr], ilay antoko politika najoron'i Bukele, no handresy amin'ireo fifidianana solombavambahoaka hoavy eo. Hahafahany mifehy bebe kokoa ny parlemanta izany. Vaovao tsara izany ho an'ireo manohana an'i Bukele, fa vaovao ratsy ho an'ireo mihevitra azy ho mpanao tsy refesimandidy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.