- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niteraka fanehoan-kevitra maro ny fisamborana an'ilay mpikatroka ara-toetrandro Disha Ravi noho ny “fitaovam-pitolomana”

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Disha Ravi in a protest. Screenshot from YouTube Video by Mojo Story. Fair use. [1]

Disha Ravi nandritra ny fihetsiketsehana. Pikantsarin'i Mojo Story [1] tao amin'ny YouTube.

Niteraka tsikera miely patrana [2] tany India sy manerantany ny fisamborana an'i Disha Ravi, 22 taona, Indiana mpikatroka amin'ny resaka toetrandro tao Delhi noho ny fiampangana azy ho “fitaovam-pihetsiketseham-panoherana (fitolomana)”

Mpianatra [3] iray ao amin'ny Kolejy Mount Carmel any Bengalaoro, Ravi no mpanorina ny sampana Indiana Fridays For Future [4], hetsika ara-toetrandro natombok'ilay mpikatroka Soedoà Greta Thunberg.

Nosamborina [5] i Ravi tamin'ny 13 Febroary noho ny antontan-taratasy nalaza an-tserasera izay mirakitra ny lisitry ny fitaovan'ireo mpikatroka sy mpankasitraka miezaka manohana ny fihetsiketsehan'ny tantsaha [6] efa naharitra volana maro any India. Voampanga ho nanao fikomiana sy tetika fampisaraham-bazana ilay mpikatroka ary naiditra  [7]am-ponja vonjimaika nandritra ny dimy andro.

Tantsaha Indiana an'hetsiny no nanohitra ny fanalalahana ny fanavaozana ny fambolena   [8]nanomboka ny volana oktobra 2020, ary nanao famoretana [9] ny manampahefana tamin'ireo olona maro heverina fa manohana [ny tantsaha]. Am-polony no voasambotra, ny sasany amin'izy ireo voampanga ho mpampisara-bazana – misy mpanao gazety anatin'izany [10]. Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, nanakana [11] kaonty mihoatra ny 250 nandritra ny fotoana fohy izay voalaza fa nanohana ireo tantsaha ny Twitter noho ny fangatahan'ny governemanta.

Tamin'ny 4 Febroary, nisioka [12] i Thunberg, niaraka tamin'ireo olo-malaza iraisampirenena hafa ho fanohanana ireo tantsaha Indiana. Taty aoriana, nizara ilay antsoina hoe “fitaovam-pihetsiektseham-panoherana” ihany koa ilay mpikatroka Soedoà (efa voafafa ny siokany ôrizinaly).

Ny toolkit tsy fantatra mpanoratra dia rakitra an-tsoratra misokatra ahitana fampahalalana momba ny fihetsiketsehana sy ireo torohevitra fandaminana na fanohanana ny hetsiky ny tantsaha. Manazava fohifohy ny anton'ny fihetsiketsehana, mitanisa ny tenifototra mifandraika amin'izany ary ny fikirakiran'ny mpanao politika Indiana ny Twitter, ary manome rohy ho an'ny fanangonan-tsonia ilay antontan-taratasy (rakitra an-tsoratra). Tsy misy antso hanao hetsika mahery setra ny lahatsoratra.

Taorian'ny siokan'i Thunberg, nametraka [13] Tatitra Fampahalalana Voalohany (fitoriana) ny polisy ao Delhi mba hamotopototra ilay antontan-taratasy. Ny ampitson'io, vahoaka marobe tao Delhi [14] no nilanja sora-baventy nanohitra ny “fitsabahan'ny iraisampirenena”,  sy ny sarin'i Thunberg sy ilay kintan'ny pop Rihanna, izay nisioka momba ny fihetsiketsehan'ireo tantsaha ihany koa.

Tamin'ity herinandro ity, nilaza [15] ny polisy fa iray amin'ireo mpanoratra ny antontan-taratasy i Ravi, nanangana vondrona WhatsApp ho an'ny hafa mba hiara-miasa amin'ilay lahatsoratra ity tanora mpikatroka ity, ary izy no nizara io tamin'i Thunberg. Tamin'ny Alarobia, tany amin'ny fitsarana [16], dia nolavin'i [16] Ravi ny fiampangana azy rehetra saingy niaiky [16] izy fa nanitsy andalana roa tamin'ny lahatsoratra tao amin'ilay antontan-taratasy.

Niantso ny fisamborana an'i Ravi ho “manelingelina”, “tsy ara-dalàna amin'ny endriny” ary “fihetsika tafahoatra ataon'ny fanjakana” ny fanambarana iray niarahan'ireo [17]mpampianatra ambony, mpanakanto sy mpikatroka maherin'ny 50. Nalaza tao amin'ny Twitter hatramin'ny faran'ny herinandro ny tenifototra #IndiabeingSilenced [18].

Betsaka no niditra media sosialy mba hitsikera ny polisy, toa an'i Siddharth Varadarajan, tonian-dahatsoratry ny The Wire:

Tokony hanantona ny lohany ny sefo @DelhiPolice noho ny henatra amin'ny fisamborana an'i # DishaRavi, tahaka an'i @DrSJaishankar & ireo mpiara-miasa izay nandray anjara tamin'ny tabataba momba ny andiam-pitaovana ilaina. Raha mahita fikomiana amin'izany ireo lehilahy maranintsaina ireo dia tsy mendrika ny hitana andraiki-panjakana ao anaty demokrasia ry zareo.

Nilaza ilay mpanoratra Danish Husain hoe:

Hetsika fikomiana eto amin'ity firenena ity ny fanitsiana Google Doc ho fanohanana ny tantsaha amin'izao fotoana izao #LongLiveDemocracy #DishaRavi

Poeta Indiana-Kanadiana Rupi Kaur nilaza hoe:

 Nosamborin'ny polisin'i delhi noho ny fizarana fitaovana @GretaThunberg navoaka ho fanohanana ny #farmersprotest i Disha ravi, mpikatroka ara-toetrandro 21 taona

Naneho ny ahiahiny ihany koa ireo mpanao politika mpanohitra toa ny Lehiben'ny minisitry ny Delhi sady mpiara miasa nasionalin'ny Antoko Aam Aadmi, Arvind Kejriwal:

Fanafihana tsy mbola nisy toa izany teo amin'ny Demokrasia ny fisamborana an'i Disha Ravi 21 taona. Tsy heloka ny fanohanana ny tantsahantsika.

Politisiana marobe mpomba ny governemanta no nidera ny fihetsiky ny polisy. Nisioka [33] ny solombavambahoakan'ny BJP sady minisitry ny Atitany Haryana Anil Vij hoe “tokony potehina ny voan'ny anti-nasionalisma … na Disha Ravi izany na olon-kafa.” Nofafan'ny Twitter izany ary naverina indray ilay sioka rehefa nahita fa tsy nandika ny fitsipiny momba ny fanehoan-kevitra mitrifana.

Mandritra izany fotoana izany, nisy ny taratasy didy fampisamborana [34] navoaka ny 15 febroary ho an'ilay mpisolovava-mpikatroka Nikita Jacob [35] izay milaza ihany koa fa nandray anjara tamin'ny famoronana sy fizarana ilay “boatim-pitaovana” izy.