Taorian'ny fandraràna nataon'ny tanibe, tototry ny fomba fikarakaràna sakafo atao avy amin'ny mananasy ny tambajotra sôsialy ao Taiwan

Mananasy ao Taiwan. Sary avy amin'ny Twitter-n'ny Ministeran'ny Raharaha Ivelany ao Taiwan.

Nizara sakafo vita avy amin'ny mananasy sy ny fomba fikarakaràna azy ireo olompirenena ao Taiwan rehefa nambaran'i Shina tamin'ny 26 Febroary ny fandraràna ny fanafàrana mananasy avy any amin'ilay nosy mizaka tena, tamin'ny filazàna fisiana aretina pesta.

Nokianin'ny governemanta ao Taiwan ho toy ny “fandrahonana ara-toekarena” ilay filazàna tampoka nataon'i Beijing, tsy misy hafa amin'ny fandraràna ny divay aostraliàna tamin'ny taona lasa.

Lazain‘ny Filankevitry ny Fambolena ao Taiwan fa nanomboka ny Oktobra 2020 ka hatramin'izao , izay rehetra mananasy naondran'i Taiwana ho any Shina dia mandalo fitiliana avokoa.

Manodidina ny 10 isanjaton'ny vokatra mananasy rehetra (45.621 taonina) vao notazana ao amin'ny firenena ary 95 isanjato (41.667 taonina) amin'ny fitambaran'ny fanondrànana dia amin'i Shina avokoa no atao.

Mety hahavoa mafy ireo mpamboly mananasy ilay fandraràna, indrindra fa ireo izay namboly ilay karazany tsara kalitao “golden diamond natao manokana hamaliana ny filàn'ny tsena ao amin'ny tanibe.

Nohazavain‘ilay Taioaney mpanao gazety tsy miankina,  Chen Chih-tung, tao anaty lahatsoratra iray tamin'ny Faceboook ny mety ho fomba fisehon'ny fiantraikany:

一般水果頂多幾個月、至多一年就能收成,但鳳梨從種下到收成要歷經18個月,幾乎是台灣水果種植時間成本最高的。鳳梨非常怕冷,通常低於攝氏14度就停止生長… 鳳梨農通常是秋天10月後把鳳梨種下,戰戰兢兢讓鳳梨度過兩個冬季,等到春天3月後開始採收。也就是,中國選在3月1日這個時間點不讓台灣鳳梨進口,鳳梨農受到的影響不是一年生計,而是兩個冬季、550多天的心血可能就此血本無歸。

Ny ankamaroan'ny voankazo dia afaka otazana ao anatin'ny volana vitsivitsy ka hatramin'ny taona iray. Saingy ny mananasy kosa dia mila 18 volana. Raha resaka fotoana, ny mananasy no mitaky fampiasambola be indrindra amin'ireo voankazo avy ao Taiwan. Tsy mahatanty hatsiaka ny mananasy, mitsahatra ny fitsiriany rehefa latsaky ny 14 °C ny maripàna… mazàna ireo mpamboly mananasy no manomboka mamboly azy io amin'ny Oktobra, miandry ririnina roa ary avy eo mioty rehefa volana Martsa. Koa satria manomboka ny 1 Martsa ny fandraràn'i Shina ny mananasy avy any Taiwan, very ririnina roa izany ireo mpamboly ary rehefa atambatra dia andro 550 nanaovana asa mafy no very maina.

Ho setrin'ilay fandraràna, niditra tamin'ny fandrotsahana vola fanampiana mitentina 1 lavitrisa dolara taioaney ny governemanta ao Taiwan (manodidina ny 36 tapitrisa dolara amerikàna eo) .

Nentanin'ny filoha Tsai Ing-wen ny vahoaka hanjifa ny mananasy novokarina teo an-toerana mba ho fanampiana ireo mpamboly:

Taorian'ny divay aostraliàna, dia lasibatry ny fomba fanao ara-barotra tsy mamely fanaon'i Shina ankehitriny ny ?mananasy?  #Taiwanese . Fa tsy hampiato antsika izany. Na anaty smoothie, na cake, na mananasy vao avy notetehana ambony lovia, eo foana ry zareo mpamboly eto amintsika. Tohano ireo mpambolintsika & ankafizo ny voankazo eto Taiwan! pic.twitter.com/QnVJzyNiDL

— 蔡英文 Tsai Ing-wen (@iingwen) 26 Febroary 2021

Ary dia manao antso ny Ministeran'ny Raharaha Ivelany mba hanaovana fanentanana iray ao amin'ny media sôsialy, #FreedomPineapple, mba ho fanandratana ny mananasy vokarina ao Taiwan:

Dia eto indray isika izao! Amin'izao fotoana izao dia raràn'i #Shina ny mananasintsika mba ho famaizana ireo mpamboly any atsimo. Tsaroanareo ny #FreedomWine avy any #Aostralia ? Manasa ireo namana rehetra mitovy hevitra amiko manerana ny tany aho hijoro miaraka amin'i #Taiwan & ary hifamory aorian'ny #FreedomPineapple. JW

— 外交部 Ministry of Foreign Affairs, ROC (Taiwan) ?? (@MOFA_Taiwan) 26 Febroary 2021

Marobe ireo namaly ilay antso tamin'ny alàlan'ny fandefasana sarinà sakafo vita avy amin'ny mananasy na ny fomba fikarakaràna azy. Ireto ny sasany avy ao amin'ny Twitter:

BBQ hena kisoa ampiarahana amin'ny mananasy. 1 Alona anaty saosy sozà, divay vita avy amin'ny vary, siramamy sy sakamalaho ny tratran-kisoa. Avy eo atonoy miaraka amin'ny mananasy, tongolo be ary dipoavatra mena. Andrahoy ny saosy nampiasaina nandomana ilay hena kisoa, ao anaty lapoaly iray, mandra-parihitrany. Ataovy BBQ koa ny mananasy ampiarahana amin'ny makamba. Afangaroy yaourt grika ilay saosy nahandroina teo, asio tantely ary tsinapy (moutarde) kely. Mampilendalenda ny kisoa aroso miaraka amin'ny mananasy, fatratra raha aroso miaraka amin'ny labiera taioanezy!

Mofomamy natao tamin'ny mananasy sy siramamy nodorana ary toaka. 1.Afangaro ny toaka sy ny siramamy ary ny dobera, andrahoina mandra-pitsonik'izy rehetra 2. Apetraho eo ambonin'ny lasitra mofomamy ny mananasy sy ny garana dia araraho eo amboniny. Avy eo afangaroy ny lafarinina, ronono, atody, siramamy ary menaka avy amin'ny zavamaniry, sy vovoka fanaovana feta-mofo ho ao anatin'ny krema fanaovana mofomamy. Apetraho eo amin'ilay lasitra ny krema ary andrahoy ao anaty lafaoro mandritra ny 40 min, amin'ny hafanàna 170 °C. 3. Esorina tao ny mofomamy ary raraho indray eo an-tampony. Hoy ny mpampianatra ahy, mety hiteraka saritaka ny tsindrin-tsakafo tena mafilotra.

Afaka asiantsika mananasy eo an-tampon'ny pizza. Yum yum….!#台灣鳳梨 #FreedomPineapple pic.twitter.com/ROMoxdN1Op

— ΞMelamine™Ξ◻◽▫️◽◻ ? (@2008melamine) February 28, 2021

Vary endasina miaraka amin'ny mananasy sy makamba. Tetehana manaraka ny lavany ny makamba (manamora ny fanesorana ny tsinainy izany ary hiforitra ho azy ireo makamba rehefa masaka) ary avadivadiho ao anaty lapoaly ny makamba, ny akoho, ny asperza sy ny sakaibe mena (poivron) efa vaotetika. Haroharoy ny vary sy ny atody, avy eo arotsahy ireo fangaro hafa rehetra sy ny mananasy voatetika ho ao anaty lapoaly dia haroharoy hifangaro tsara izy rehetra. Ataovy ao anaty lovia jobo iray misy mananasy ny vary voaendy ary ampio ‘noix de cajou’ eo amboniny. Sangany amin'izay rehetra sakafo hafa nokarakaraina avy amin'ny mananasy ny vary nendasina niaraka tamin'ny mananasy sy makamba .

Ny fandraisanay anjara. #Taiwan ? pic.twitter.com/ne5314meiQ

— Maggie Lewis 陸梅吉 (@MargaretKLewis) 27 Febroary 2021

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.