Tantara tamin'ny 28 Febroary 2021
Fifandraisana nomerika mifanaraka amin'ny filàna sy ny zavatra eo an-toerana iainan'ireo vondrom-piarahamonina lavitr'andriana ao Amazonia
Azon'ireo vondrom-piarahamonina lavitr'andriana ao Amazona atao ankehitriny ny mampiasa ny rafitra HERMES hahafahana manana fifandraisana tsara antoka hifanakalozana lahatsoratra sy sary ao anaty faritra iray mirefy an-jatony kilaometatra.
Lalàna vaovao momba ny fitsaboana any Hongria: mety hahatezitra ireo ho renim-pianakaviana nametraka drafitra momba ny fiterahana
Raha lany ilay didim-pitsarana mifehy manokana ny fikarakarana mialoha ny fiterahana sy ny fiterahana, dia mety ho voaràra tsy hahazo misafidy ireo vehivavy mitondra vohoka.
Sary an-drindrina vaovao ao afovoan-tanànan'i Kingston mitondra hazavana ao anatin'ny haizin'ny COVID-19 any Jamaika
Ny seha-pamoronana ao Jamaika, izay nanomboka nahitàna "laingo maitso" marobe indray talohan'ny valanaretina COVID-19, dia voadona manokana - saingy miroso mitondra zavatra vaovao.
Manenjika ireo mpanohitra ara-politika i Hong Kong amin'ny alàlan'ny fanakatsoana ny kaonty any amin'ny banky.
Inoan'ireo mpikatroka mpandala ny demokrasia fa ny rafitry ny banky dia ampiasan'ny polisin'ny fiarovam-pirenena hamoretana ireo mpikatroka sy ONG mpanohana ny demokrasia.
Namoaka taranja vaovao mikasika ny fitondrana jadon'i Marcos ny Oniversiten'ny Filipina ho fanoherana ny fanitsiana ara-tantara
Antenain'ilay taranja PS 21 vaovao ny ho sehatra iray fanairana ny “fahatongavan-tsain” 'ny taranaka Filipina aty aoriana ny amin'ny maha-zava-dehibe ny zon'olombelona, ny rariny ara-tsosialy ary ny fitohizan'ny tolona ho an'ny tena fahalalahana sy ny demokrasia.