Tao amin'ny OC Media ity lahatsoratra ity no nivoaka voalohany tamin'ny teny Anglisy. Navoaka eto indray ny lahatsoratra nasiam-panovana tamin'ny alàlan'ny fifanarahana fifampizarana votoaty.
Nilaza ny polisy fa rehefa avy namono ity vehivavy ity i Maharramov dia norasarasainy ny vatany, ary nataony tao anaty kitapo plastika sy natsipiny tany anaty fitoeram-pako tany amin'ny distrika teo akaiky teo. Raha ny filazan'ny mpifanila vodirindrina aminy, miara-mipetraka amin'ny zanany kely roa i Banu Maharramova sy ny rafozany ihany koa, ary ny vadiny kosa mipetraka any ivelany.
Taorian'io tranga io, notanan'ny polisy i Idris Maharramov. Mbola any am-ponja vonjimaika izy, ahiahiana ho ninia namono olona. Mbola mitohy ny famotorana.
Niteraka fahatezerana tao amin'ny tambajotra sosialy ity vaovao momba ny famonoana olona ity niaraka tamin'ny tenirohy #banuüçünsusma (aza mangina ho an'i Banu).
Nilaza i Aghazadeh fa efa nanomana mialoha ny fihetsiketsehana izy ireo ho valin'ny famonoan-tena roa nataon'ny tovovavy roa tamin'ny volana Janoary. “Mariky ny herisetra miseho matetika sy ny tsy fisian'ny fanampiana ara-tsosialy atrehin'ireo vehivavy ao Azerbaijan” hoy izy ny fahafatesan'izy ireo.
“Mahatsiaro ho voafandrika ny vehivavy,” hoy i Aghazadeh, “vitsy loatra ny trano fialofana ho an'ny herisetra an-tokantrano ary misalasala izy ireo manao antso avo amin'ny polisy satria matetika manao fampihavanam-pianakaviana ny polisy, raha sady mamerina ireo niharam-boina any am-pelan-tànan'ireo mpanararaotra azy ireo fotsiny.”
“Ny hisarihana ny sain'ny Mpanelanelana sy ny Komitim-panjakana misahana ny Raharaham-pianakaviana, ny Vehivavy ary ny Ankizy no tanjon'ny fihetsiketsehana ataonay manoloana ny Lapam-panjakana izay manana birao ato amin'ity tranobe ity, ary tompon'andraikitra mivantana amin'ny ady amin'ity olana ity ao amin'ny firenena.” hoy i Aghazadeh.