- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niantsafa tamin'ny rakipeo Radiolab momba ny Birao Fanaraha-mason'ny Facebook i Endalk Chala

Sokajy: fisehoana-anaty-media, Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV

Vao tsy ela akory izay i Endalkachew Chala [1], mpandray anjara ato amin'ny GV no niseho tamin'ny fandaharana rakipeo Radiolab “Facebook's Supreme Court [2]” (Fitsarana Tampony Facebook).

Tamin'ity fandaharana ity, nizara ny fomba fijeriny momba ny “fikorontanan'ny (torohay) fampahalalam-baovao” any Etiopia sy ny fomba hiadian-kevitra momba ny zava-misy tsirairay amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto izy ka mahatonga ny fifanenjanana ara-poko na ny herisetra mihitsy aza vokatr'izany. Ahoana ny fomba handraisan'ny sehatra tahaka ny Facebook fanapahan-kevitra momba ny hoe inona no esorina na avela amin'ny aterineto ?

Henoy ny fandaharana iray manontolo etsy ambany: