Niantsafa tamin'ny rakipeo Radiolab momba ny Birao Fanaraha-mason'ny Facebook i Endalk Chala

Vao tsy ela akory izay i Endalkachew Chala, mpandray anjara ato amin'ny GV no niseho tamin'ny fandaharana rakipeo Radiolab “Facebook's Supreme Court” (Fitsarana Tampony Facebook).

Tamin'ity fandaharana ity, nizara ny fomba fijeriny momba ny “fikorontanan'ny (torohay) fampahalalam-baovao” any Etiopia sy ny fomba hiadian-kevitra momba ny zava-misy tsirairay amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto izy ka mahatonga ny fifanenjanana ara-poko na ny herisetra mihitsy aza vokatr'izany. Ahoana ny fomba handraisan'ny sehatra tahaka ny Facebook fanapahan-kevitra momba ny hoe inona no esorina na avela amin'ny aterineto ?

Henoy ny fandaharana iray manontolo etsy ambany:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.