- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanao hetsika tsy fankatoavam-bahoaka ny olom-pirenena ny ampitson'ny fanonganam-panjakana tao Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

 

[1]

Ireo Dokotera tao amin'ny Sampam-pitsaboana Vonjy Aina ao amin'ny Hopitaly any Yangon nanao hetsika Ribà Mena tao amin'ny hopitaly hanehoana ny firaisankinan'izy ireo tamin'ny nanonganana ny governemantan'ny Ligy Nasionaly ho an'ny Demokrasia, anisan'ny hetsika tsy fankatoavam-bahoaka manohitra ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila. Sary sy fanazavana avy amin'i Htet Wai (mpiara-mizara votoaty amin'ny Global Voices ny The Irrawaddy)

Ny hetsi-panoherana (fiaretan-tory) mandrehitra labozia, ny fikapokapohana vy, ny fampanenoana ny fanairan'ny fiara, ny fanaovana ankivy ny orinasan'ny miaramila, ary ny fametraham-pialan'ny mpitsabo ifotony sasany no anisan'ny hetsika [2] natombok'ireo olom-pirenena Myanmar hitakiana ny famerenana ny fitondrana sivily taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila ny 1 Febroary.

Naka fahefana [3] ny tafika ao amin'ny firenena, fantatra amin'ny anarana hoe Tatmadaw sy nanambara ny hemehana mandritra ny herintaona ary nitana am-ponja ireo mpitarika ny Ligy Nasionaly ho an'ny Demokrasia (NLD) izay nandresy tamin'ny fifidianana tamin'ny volana Novambra 2020 ho an'ny fe-potoam-piasany faharoa. Nilaza [4] ny miaramila fa “tsy azo ihodivirana” [5]  ny fanonganam-panjakana noho ny ahiahin'izy ireo momba ny hosoka tamin'ny fifidianana izay nambaran'izy ireo fa nandoto ny fahatokisana ny fahamarinan'ny latsa-bato farany teo. Niady hevitra momba izany ny tompon'andraikitra amin'ny fifidianana.

Nanohitra ny fanonganam-panjakana tao amin'ny tambajotra sosialy ny mpisera aterineto. Betsaka no nanova ny sariny tao amin'ny Facebook ho mena [6], lokon'ny antoko NLD, na nampiseho ny sarin'ilay nahazo loka Nobel Aung San Suu Kyi [7], mpitarika malaza ny NLD.

Tamin'ny 6 ora hariva ny 2 Febroary, mponina maro tao Yangon renivohitra teo aloha no nandrehitra [8]labozia ho mariky ny fanoherana ny fanonganam-panjakana.

Ary tamin'ny 8 ora alina katroka, nampaneno mafy ny fitaovana vita amin'ny vy ireo mponina avy amin'ny faritra maro manodidina ny Yangon ho fanoherana, araka ny aseho amin'ny horonantsary etsy ambany.

Fampanenoana ‘Siny Vy’

Nandritra ny fihetsiketsehana dia nihiaka [9] ny vahoaka hoe “Mianjera ry fitondrana jadona miaramila” sy ny hoe “Enga anie ho salama tsara i Neny Amay Su (Aung San Suu Kyi)”.

Mandroaka devoly i Yangon.
Mampaneno vilany ireo olona ao afovoan'i Yangon ary mampaneno anjomaran'ny fiara hanoherana ny fanonganam-panjakana.

Nomena anarana hoe Than Pone Tee ilay hetsika fampanenoana vilany. Nilaza tamin'ny Global Voices ny hevitr'ilay teny ny mpanao fihetsiketsehana iray:

Than Pone means iron bucket. Than Pone Tee means Playing Iron Buckets. In our tradition, playing Iron Buckets means casting out evil spirits.

Midika hoe siny vy ny hoe Than Pone. Midika hoe mampaneno siny vy ny hoe Than Pone Tee. Amin'ny fomban-drazanay, midika hoe fandroahana fanahy ratsy ny fampanenoana siny vy.

Nahazo aingam-panahy tamin'ny fihetsiketsehana am-pilaminana i Nay Phone Latt, mpikatroka mafana fo sady mpikambana tao amin'ny parlemanta teo aloha:

ပြည်သူကတော့ အာဏာရူးစစ်အစိုးရကို သံပုံးတီးပြီး တောထုတ်နေပါပြီ။
သေနတ်ပြပြီးအနိုင်ကျင့်တဲ့ စစ်အာဏာရှင်ကို ရသလောက်အားနဲ့ တုံ့ပြန်ကြတဲ့ ပြည်သူတွေကိုကြည့်ပြီး ရင်နင့်ရပါတယ်။
စစ်အာဏာရှင်စနစ်ကျဆုံးပါစေ။
#Myanmarcoup
#SaveMyanmar
#CivilDisobedience

Manakapoka ireo siny vy ny olona handroahana ny governemanta miaramila izay noana fahefana. Tena mahavaky fo tokoa ny mijery ireo olona mampiasa izay fomba rehetra azony atao hanoherana ny miaramila mpanao didy jadona izay mampiasa basy. Mianjerà ry fitondrana jadona miaramila.

Mijoro ny dokotera

Mandritra izany fotoana izany, namoaka fanambarana [13] ny fikambanan'ny mpitsabo sy ny hopitaly manerana ny firenena, mangataka ireo dokotera handray anjara amin'ny tsy fankatoavana sivily amin'ny alàlan'ny tsy fandehanana miasa manomboka ny 3 Febroary.

Efa nahazo mpanjohy maherin'ny 150.000 ny pejy Facebook mitondra ny anarana hoe Civil Disobedience Movement [14] (Hetsika tsy fankatoavam-bahoaka) nosokafana mba handrindrana ny fanaovana ankivy ataon'ny dokotera. Manohana [15] ny fanentanana ihany koa ireo vondron'ny mpianatra.

Nisy mpitsabo miaramila sasany nandefa ny taratasy fametraham-pialany [16]:

“Manana governemanta nofidinay izahay. Tsy azonay ekena ny tafika manangana governemanta,” hoy ny dokotera sady mpampianatra iray ao amin'ny Oniversiten'ny Mpitsabo 2 ao Yangon

Ny fikambanana Justice for Myanmar ihany koa dia nangataka ny olona hanao ankivy [19]  ny mpamatsy tolotra fifandraisandavitra an'ny tafika MyTel, sy ireo orinasa hafa miaraka amin'ny tafika. Nahazo vahana [20] tao an-toerana ny fanaovana ankivy .

Ny miaramila mpanongam-panjakana no nitondra an'i Myanmar nandritra ny am-polo taonany maro, mandra-pahatongan'ny tetezamita demokratika izay nitarika ny fananganana governemanta sivily tamin'ny 2010. Resin'ny NLD tamin'ny fifidianana taona 2015 ny antokon'ny Firaisankina sy ny Fampandrosoana izay tohanan'ny miaramila (USDP), saingy manome antoka ny lalàmpanorenana 2008 navoakan'ny miaramila fa natokana ho an'ireo miaramila voatendry ny toerana sasany ao amin'ny kabinetra sy ny parlemanta.