- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Serba malaza, talen'ny sarimihetsika, voasambotra taorian'ny fiampangan'ny mpianany fahiny azy ho nanolana an-dry zareo.

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Serbia, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona
[1]

Serba mpilalao sarimihetsika, Milena Radulović (25). Saripika Wikipedia [2] an'ny Track & Field Serbia, CC BY-NC-SA.

Nosamborina tamin'ny 16 Janoary [3] i Miroslav Mika Aleksić, tremalahin'ny sarimihetsika sy ny teatra Serba, taorian'ny fitarainana nataonà vehivavy enina tany amin'ny polisy Serba, niampanga azy ho nanolana azy ireo raha mbola mpianatra tao amin'ny sekoliny fianarana tantara an-tsehatra izy ireo.

Namoahan'ny tribonaly serba iray didy ny hijanon'ity talen'ny sarimihetsika sy teatra, 68 taona, ity any am-ponja mandritra ny 30 andro, ary ny polisy kosa hanadihady ny raharaha, hoy ny fampitambaovao Serba. Ampangain'ireo vehivavy ireo izy fa nanao fanolanana miisa valo ary fanaovana herisetra ara-nofo miisa fito teo anelanelan'ny taona 2008 sy 2020. Mbola tsy voaheloka i Aleksić.

Ity tale menavazana sy mpilalao ary mpanoratra horonantsary ity dia manana famintinana ambangovangony momba azy [4] amin'ny indostrian'ny sarimihetsika sy teatra eo an-toerana. Izy no mpanorina sy talen'ny ” Belgrade Drama Academy Stvar Srca” (midika hoe “zavatra ao am-po” amin'ny fiteny Serba), natrehin'ny 3.000 ankizy sy ny tanora [5], taona vitsivitsy lasa izay. 6 ka hatramin'ny 13 taona no taona azon'ny mpianatra idirana ao.

Nitatitra [6] ny Blic Daily fa am-polony no namaly ny antso ampahibemaso nataon'ny polisy ho an'ireo niharan'ny herisetra ara-nofo taloha tao amin'ilay sekoly. Ho fanampin'izany, notaterin'ny Alo, gazety serba mpisary adala, fa tsy ela akory izay, nisy naman'ny fianakavian'i Aleksić nametraka fitoriana azy [7], tamin'ny filazàna fa nano herisetra ara-nofo tamin'ny zanany vavy i Aleksić.

Ny 26 Janoary, nambaran'i Biljana Mašić , vadin'i Aleksić, fa mety ho akatona ny Stvar Srca, araka ny nambaran [8]‘ny Tanjug, masoivohom-baovaon'ny fanjakàna Serba.

Amin'ireo vondrona vehivavy enina izay nametraka ny fitoriana voalohany dia ireo matihanina mpilalao sarimihetsika  Milena Radulović [9] sy Iva Ilinčić [10] ihany no niresaka ampahibemaso momba ny fanafihana nolazain'izy ireo fa niaretany.

Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Blic Daily tamin'ny 16 Janoary no nilaza [11] i Radulović, izay feno 25 taona ankehitriny, fa nanomboka nanatrika ny sekolin'ny mpisehatra an'i Aleksić izy tamin'ny faha-11 taonany, ary 17 taona izy rehefa nanolana azy i Aleksić, izay 61 taona tamin'izany. Ny 20 Janoary, naharitra ora dimy ny fijoroana ho vavolombelona nataony [12] tao amin'ny Biraon'ny mpampanoa lalàna ao Belgrade.

Ny tena ratsy indrindra amin'ity drafitra ity dia efa hatramin'ny fahazazany no efa voaoman'ilay biby goavambe mialoha ny kianja. Tsy afaka hamela ankizy hafa hiaritra ny fampijaliana tahàka izany izahay, ” hoy ny filaza [13]n'i Radulović.

Malaza any Serbia ny fomba fifehezana henjana nataon'i Aleksić. Mpianatra fahiny tao aminy, Zorana Minčić, no nilaza tamin'i Dnevno.rs [14] fa tao amin'ny Radio Belgrade dia “toy ny sekolim-pinoana izy no nitantanany ny sampana tantara an-tsehatra, ka izy no mpitarika toavin-teny faratampony (guru).”

Nanaitra ny resadresaka nataon'ny media sosialy tao Balkans tao anatin'ny herinandro vitsivitsy ilay tantara ratsy. Ny teny fototra #NisiSama (“tsy irery ianao” amin'ny teny Serba) no nalaza tao amin'ny Twitter, sy ny pejy Facebook antsoina hoe “Nisam tražila” [15] (“Tsy nangataka izany aho”). Ireo mpitantana ny pejy, izay nahazo ”Tiako” miisa 36.000 tao anatin'ny andro roa monja, dia nandefa tantara tsy nanononana anarana momba ny herisetra ara-nofo azony tamin'ny alàlan'ny imailaky avy amin'ireo mpisera Facebook.

Araka ny efa nampoizina amin'ny tranga tahàka io, niatrika karazana fanafihana an-tserasera ireo mpilalao an-tsehatra izay mba niresaka. Ilay mpikatroka mafàna fo, mpanoratra ary mpandika teny Rumena Bužarovska, iray amin'ireo nanomboka ny hetsika Makedoniana #MeToo [16] tamin'ny taona 2018, dia nanosoka hevitra [17] hoe maro amin'ireny fanehoankevitra ireny no “manaraka ny lasitra mazava DARVO [18],” fanafohezana midika hoe “deny, attack, and reverse victim and offender – mandà, manafika, ary fampifamadihana ny lasibatra sy ilay mpampijaly.”

Nisy haino aman-jery serba sasany nanandrana nanimba ny fijoroana vavolombelon'ireo niharam-boina. Ny nasionalista Serba mpiseho isan'andro Pravda no namoaka lahatsoratra iray nitanisa fatratra [19]  ny mpanolotra fandaharana tafatafa iray izay nanamafy fa ” ireo mpilalao an-tsehatra no “lohandohan'ny mpisorona amin'ilay fibodoana”, ” ny “fibodoana” amin'ity tranga ity dia ny iray izay “hakàn'ny soatoavin'i Etazonia” tsikelikely ny toeran'ny soatoavin'i Serbia.”

Mandritra izany fotoana izany, nanjary nalaza be tao amin'ny faritra ny lahatsary [20] iray momba ilay Serba mpanolotra vaovao nanao kabary tsy valiana ho fanohanana ireo niharam-boina, no sady miresaka momba ireo tantara ratsy fahiny tao amin'ny firenena. Ity ambany ity ny dikanteny natao sy fanazavana momba ireo fanovozan-kevitra :

Bitsika: Fahanginana…
Tsy mampahazo aina, fa lasa zatra mikombom-bava manoloana ireo olana goavana isika.
Manohy mikombom-bava amin'ny fotoana tsy tokony hanaovana izany isika, koa aza manontany ny traboina intsony hoe maninona izy ireo no nangina, tsy manana izany zo izany ianao, fa ampio izy ireny hiteny rehefa vonona izy ireo.
Fampidirana ny fizarana vaovao isanandro miaraka amin'i Jelena Obućina.

— Newsmax Adria – Srbija (@NewsmaxAdriaBG) 18 Janoary, 2021 [23]

Lahatsary: Salama. [16 segondra fahanginana]
Tsy mahazo aina isika, fa efa lasa zatra mangina fotsiny : rehefa tara ny karamantsika, rehefa tsy maintsy mividy lafika amin'ny vidiny 300 Euro isika [rehefa miresaka an'ireo mpiasa any amin'ireo orinasa izay ny vahiny no tena tompon'ny vola miasa, ary tena voafetra be ny fotoana ahafahan-dry zareo mandeha any amin'ny efitrano fidiovana], rehefa maintsy maka sary ny vatom-pifidianantsika isika [manondro momba ny raharaha mahamenatra iray izay naneren'ny antoko eo amin'ny fitondrana ny mpifidy hanaporofoana fa nandatsa-bato ho an'ny kandidà marina izy ireo], rehefa nambara fa mpiboboka toaka ny mpanamory fiaramanidina [manondro fianjerana helikoptera nahafaty tamin'ny 2015 [24] izay niteraka fahafatesan'olona 7, izay tsy nisy olona voasambotra na iray aza], rehefa tsy ampy rano fisotro isika, rehefa voapoizina ny reniranontsika, rehefa tsy misy fandriana malalaka any amin'ny hopitaly, rehefa novonoina isika nandritra ny fihetsiketsehana [25], fony nohorakorahana ny rain'ilay mpiasa maty am-perinasa [26] [mitady ny rariny], rehefa nahazo tehaka i Jutka [27] [Serba mpanao politika voampanga ho nanao herisetra ara-nofo], rehefa nisy vitsivitsy tamin'ireo adala tanteraka namotika ampahany tamin'ny tanàna, rehefa mandefa vola avy any Kanada ny nenitoà iray [28] , rehefa misy afomanga mandeha avy eny an-tampontrano mandritra ny fihibohana [29] [natao ho toy ny ampahana hetsika fanoherana avy amin'ireo mpomba ny governemanta], rehefa lazaina fa misy demonia [ilay politisiana mpanohitra Boško] Obradović, rehefa niroborobo i Jovanjica [30], rehefa nanjavona ireo lahatsary avy amina tranoheva [31] iray fitoeram-pitaovana sy Kosovska Mitrovica, rehefa nandaingana momba ny coronavirus isika [32], rehefa nisolo tena antsika ry zareo ka namorona fifamaliana teo amin’ny mpiaramonina amin'ny anarantsika…
Manohy mikombom-bava amin'ny fotoana tsy tokony hanaovana izany isika. koa aza manontany ny traboina intsony hoe maninona izy ireo no nangina, tsy manana izany zo izany ianao, fa ampio izy ireny hiteny rehefa vonona izy ireo.