- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Janine Mendes-Franco, mpandray anjara efa ela, mitondra ny tantaran'i Karaiba ho an'ny mpamaky manerantany

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV

 

Sary natolotr'i Janine Mendes-Franco, nahazoana alàlana.

Fanamarihana avy amin'ny bilaogin'ny vondrom-piarahamonina: Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny andian-dahatsoratra vaovao antsoina hoe GVer of the Week izay hanasongadinanay mpikambana iray ao amin'ny vondrom-piarahamonina samihafa notendren'ny iray amin'ireo mpiara-miasa aminy isaky ny Alarobia. Fenoy ity takelaka  [1]ity raha maniry hanendry olona hatolotra eto ianao.

Monina any Trinité sy Tobago, Janine Mendes-Franco [2] dia nandray anjara tato amin'ny Global Voices nanomboka ny taona 2006 ho tonian-dahatsoratry ny faritra Karaiba. Manana lahatsoratra miisa 7.300 mahery amin'ny anarany, nitatitra momba ity faritra midadasika ity matetika amin'ny fifantohana manokana amin'ny zavakanto sy ny kolontsaina i Janine.

Global Voices: Inona no ataonao ankoatra ny GV ? Inona no zavatra hafa mahaliana anao?

Janine Mendes-Franco (JMF): I'm a writer and film producer, so other than family, that takes up a good portion of my time. For fun, I play guitar (I love singing, music and dancing). I enjoy reading but also feel a pull — especially now — to connect with nature, so I might go for a hike or a run, garden, or just do some yoga outdoors. One of my favourite places is the hammock strung between two cocoa trees in my garden.

Janine Mendes-Franco (JMF): Mpanoratra sady mpamokatra horonantsary aho, ka mandany ny androko amin'ny ampahany betsaka izany ankoatra ny ankohonana.  Milalao gitara aho (tiako ny mihira, ny mozika ary mandihy) ho fialamboly. Tiako ny mamaky boky nefa mahatsapa ihany koa aho fa manana fahalianana, indrindra ankehitriny, hifandray amin'ny natiora, ka mety manao dia an-tongotra na mihazakazaka, mikarakara zaridaina, na manao yoga ivelan'ny trano fotsiny aho. Iray amin'ireo toerana tiako indrindra ny fandriana mihantona eo anelanelan'ny hazo kakao roa ao an-jaridainako.

GV: Inona ny zavatra mahasarika ny olona aminao ?

JMF: I'm an introvert.

JMF: Be tsy miteny aho.

GV: Inona no tianao ho fantatry ny olona momba ny toerana onenanao ?

JMF: It's real.

JMF: Tena izy io.

GV: Ahoana no nahitanao ny GV sy ny nanombohanao handray anjara ?

JMF: Through Georgia Popplewell, who encouraged me to start a blog. The rest, as they say, is history.

JMF: Tamin'ny alàlan'i Georgia Popplewell, izay nandrisika ahy hanomboka bilaogy. Tantara ny ambiny, araka ny tenin'izy ireo.

GV: Nahoana no zava-dehibe ny GV araka ny eritreritrao ?

JMF: It's a microcosm of what the world could be like if we all just communicated with the intention of understanding, rather than with the intention of proving we're right.

JMF: Mampiseho ny modely amin'ny mety ho endrik'izao tontolo izao izany raha toa ka mifandray amin'ny fikasana hahatakatra isika rehetra fa tsy amin'ny fikasana hanaporofoana fa manana ny marina.

GV: Inona no antony handraisanao anjara ato amin'ny GV ?

JMF: It allows me to bring Caribbean stories to a global audience.

JMF: Ahafahako mitondra ireo tantaran'i Karaiba ho an'ny mpamaky manerantany izany.

GV: Ahoana no nanovan'ny GV ny fomba fijerinao an'izao tontolo izao ?

JMF: It didn't change my worldview so much as it solidified my belief that we're all more alike than we are different.

JMF: Tsy dia nanova ny fomba fijeriko an'izao tontolo izao loatra izany satria vao mainka nanamafy ny fiheverako fa ny fitoviana kokoa no misy amintsika rehetra noho ny fahasamihafana.

Araho ao amin'ny Twitter i @JanineMFranco [3]