Fanehoan-kevitra tao amin'ny tambajotra sosialy miisa folo nandefa ny fanehoan-kevitry ny Amerikana Latina momba ny fanakorontanana tao amin'ny Capitol Etazonia
Dikandahatsoratra

Saripikan'ny lahatsoratra tao amin'ny Twitter mampiasa ny kisary mahatsikaiky malaza Bob l'Eponge.
Naneho hevitra tao amin'ny Twitter ireo Amerikana Latina rehefa nanafika ny Capitol ao Etazonia ny mpanohana ny filoham-pirenena amerikana Donald Trump tamin'ny 6 Janoary. Ary ny vazivazy no be mpandefa indrindra tamin'izany.
Nanoratra tao amin'ny taratasim-baovaony mpivoaka isan'andro ilay mpanao gazety Jordana Timerman fa “nanjaka ny fihetseham-po Schadenfreude tany amin'ny firenena Amerikana Latina maro izay efa tsy vahiny amin'ny fanambaràna amerikana momba ny fikorontanana ara-politika ao amin'ny firenena.” Ny Schadenfreude dia midika hoe “fiainana fahafinaretana, fifaliana, na fahafaham-po avy amin'ny fahafantarana na ny fanatreha-maso ireo olana, ny tsy fahombiazana na fahafaham-baraka mahazo ny hafa.”
Namorona kisary mahatsikaiky ny mpitsikera hafa, nanasongadina ny fanesoana masiaka an'i Etazonia izay nanohana ny fanonganam-panjakana ara-tantara tany amin'ny faritra Amerikana Latina, niaina ny fikasan'i Trump ny fanonganam-panjakana tamin'ny alàlan'ny tenany araka ny filazan'ny olona sasany.
Nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny 6 Janoary, nanasa ireo mpanohana azy i Trump hanatevin-daharana ny fampielezan-kevitra notanterahiny nanomboka hatramin'ny nanamafisana ny valim-pifidianana ny volana Novambra 2020, nitady ny hanodina ny valim-pifidianana ary hanakana ny fanambarana, matetika amin'ny fomba ofisialy, ny valim-panadinana avy amin'ny Mpifidy Vaventy. Nanafika tao amin'ny Capitol tao anaty andian'olona nikisetrasetra ny mpanohana an'i Trump, ary dimy no maty. Mety ihatra amin'ity filoham-pirenena ity ankehitriny ny fitsipaham-pitokisana.
Indreto misy lahatsoratra tao amin'ny tambajotra sosialy miisa folo maneho ny fanehoan-kevitry ny Amerikana Latina an-tserasera.
1.
Isaky ny misy krizy politika any Amerika Latina, toy ny nandosiran'ny filoham-pirenen'i Bolivia teo aloha Evo Morales ny volana Novambra 2019 tao anatin'ny korontana ara-politika dia matetika ireo mpaneho hevitra no mizara petrakevitra momba ny mety ho fandraisan'i Etazonia anjara amin'ny fanovana ny fitondrana:
Cuando entras a Twitter y ves que E.U. está desestabilizando al mismo gobierno de E.U. y no a un país de Latinoamerica.#Capitolio#Trump #Biden pic.twitter.com/0MkDHfy0J8
— Leo (@The_Singer8) January 7, 2021
Rehefa miditra Twitter ianao ary mahita fa manakorontana ny governemanta Amerikana i Etazonia fa tsy ny firenena Amerika Latina. #Capitol #Trump #Biden
2.
Haingana ny fanehoan-kevitry ny filoha Amerikana voafidy Joe Biden nanoloana ny fanafihana ary niantso ireo mpanakorontana ho “mpampihorohoro an-trano”, sy namerina ny teny matetika voatonona amina fotoana toa izao— ”Tsy toy izao isika”:
Joe Biden: Lo que está pasando en el capitolio no nos representa como Estados Unidos, esto no es quienes somos 😭😡.
Latinoamérica: pic.twitter.com/aqFt71A9sb
— juanfer ☾ (@juanfervn) January 6, 2021
Joe Biden: Tsy fanaontsika Amerika ny zava-mitranga ao amin'ny Capitol, tsy izany isika 😡.
Amerika Latina:
3.
Tsy nahatsapa ny fangoraham-po ho an'ny mpiaray vodi-rindrina aminy avy ao avaratra mihitsy ry zareo Amerikana Latina noho ny fisafotofotoan'ny fifandraisan'i Amerika Latina amin'ny politikan'ny raharaham-bahiny Amerikana:
Noticias: “Golpe de estado en USA, disturbios en el Capitolio, Piden destitución de presidente, Conspiracionistas dementes se acusan a ellos mismos de ser infiltrados, día negro para la democracia”.
Latinoamérica: pic.twitter.com/gOtZ212fkP
— Samuel (@SamorMartinez) January 7, 2021
Vaovao: “Fanonganam-panjakana tany Etazonia, korontana tao amin'ny Capitol, fitakiana ny fitsipaham-pitokisana ho an'ny filoham-pirenena, miampanga ny tenany ho niditra an-tsokosoko ireo mpiray tsikombakomba adala, andro mainty ho an'ny demaokrasia”.
Amerika Latina:
4.
Nizara ny “angondrakitra” ahitana ny fitondrana niaina fanonganam-panjakana nataon'ny mpitondra tenany, izay ahitana an'i Etazonia ankehitriny i John Polga-Hecimovich, mpahay siansa politika:
My updated autogolpe attempt database (1992-2021) pic.twitter.com/SKrVJjLroR
— John Polga-Hecimovich (@jpolga) January 6, 2021
Ny angondrakitra farany ahitana ny fikasana fanonganam-panjakana nataon'ny mpitondra tenany (1992-2021)
5.
“Nisioka” an'i Etazonia tamin'ny alàlan'ny fanondroana marika Amerikana—voromahery—mahazatra sy ny fitsipika ara-panahy niandoha tany Azia ilay mpanakanto Haisiana sady mpanao gazety mpaka sary Fortune Edris:
Il faut que l’oiseau bec fer sache que le karma existe.
Posted by Fortune Edris on Friday, January 8, 2021
Mila mahafantatra ilay vorona manana ny vavamby fa misy ny karma.
6.
Nandray anjara tamin'ny Schadenfreude falifaly i Virginia mpikatroka feminista mafàna fo Salvadoreana:
Amigas, de qué nos sirven dos siglos de intervención política gringa si no es para cagarnos de la risa en estos momentos.
— Virginia (@huishte) January 6, 2021
Ry namako, inona no ilana ny fandraisana anjara politika vahiny taonjato roa raha tsy hampihomehezana antsika avy hatrany ?
7.
Nanoratra hatsikana efa tranainy ilay mpisera Twitter avy any Amerika Afovoany:
“Why haven’t there been attempted coups in Washington DC?
Because there’s no U.S. Embassy there.”
They'll have to rethink this old joke.
— aléxandros! (@bodega_gyro_ao) January 6, 2021
Fa naninona no mbola tsy nisy fikasana fanonganam-panjakana tany Washington DC ?
Satria tsy misy masoivoho Amerikana any. “
Mila mieritreritra an'ity vazivazy taloha ity ry zareo.
8.
Nilaza ny olona sasany fa nanjary tsy taitra intsony tamin'ny tranga tahaka izao ny firenena sasany toa an'i Venezoela, izay niaina ny “fanonganam-panjakana nataony manokana” tamin'ny fifidianana tamin'ny volana Martsa 2017 :
American: how are you so unfazed watching today’s news?
Me: pic.twitter.com/yy4bLyQutA
— Joanna Hausmann Jatar (@Joannahausmann) January 7, 2021
Amerikana: Nahoana ianareo no tsy taitra mijery ny vaovao anio ?
9.
Nampitandrina ny mpampianatra iray any amin'ny Oniversite Breziliana Lola Aronovich fa mety misy olona iray manaraka akaiky ny zava-mitranga any Etazonia amin'ny endrika ratsy rehetra dia ny filoha Breziliana Bolsonaro:
Estados Unidos é especialista em dar golpe de estado em outros países. Quando um laranjão mimado e seus supremacistas arianos tentam fazer isso no próprio país não é tão bonito. Detalhe: Bolso está anotando tudo pra 2022.
— Lola Aronovich (@lolaescreva) January 6, 2021
Manam-pahaizana amin'ny fanonganam-panjakana any amin'ny firenen-kafa i Etazonia. Tsy tsara loatra rehefa miezaka manao izany ao amin'ny fireneny ny voasary lo sy ireo mpanohana ny mpanambony fotsy hoditra. Antsipiriany: Mandray an-tsoratra ny zava-drehetra ho an'ny 2022 i Bolsonaro.
10.
Namely ny politikan'ny raharaham-bahiny Amerikana sy ny fitsabahany amin'ny fanafahana ireo firenena amin'ny fitondrana tsy demaokratika ilay mpamoaka lahatsoratra, Leví Kaique Ferreira:
Se os Estados Unidos vissem o que os Estados Unidos estão fazendo nos Estados Unidos, os Estados Unidos invadiriam os Estados Unidos para libertar os Estados Unidos da tirania dos Estados Unidos https://t.co/T1fGLgc33p
— Leví Kaique Ferreira (@LeviKaique) January 6, 2021
Raha nahita ny nataon'i Etazonia tao Etazonia i Etazonia dia hanafika an'i Etazonia i Etazonia mba hanafaka an'i Etazonia amin'ny fangejana ara-pitondrana ao Etazonia.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...