- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Naverina indray ny lalao football mozambikana ary vehivavy avokoa ny mpitsara telo tamin'ny fisantarana izany

Sokajy: Mozambika, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Vehivavy sy Miralenta

Niverina [4] holalaovina tamin'ny 16 janoary indray ny fifaninanam-pirenena ho tompondakan'i Mozambika amin'ny sehatra matihanina amin'ny football, izay fantatra amin'ny anarana hoe Moçambola [4] rehefa niato nandritra ny 10 volana noho ny valan'aretina COVID-19.

Nisy zava-baovao ny lalao fanokafana nifanandrinan'i ENH Vilankulo tamin'i Ferroviário de Nacala, izay niafara tamin'ny fandresen'i Vilankulo: sambany teo amin'ny fifaninanana ho tompondaka no vehivavy avokoa ny mpitsara tamin'ny lalao.

Nosoritan'ny gazetim-panatanjahantena Lance [5] tao an-toerana ny tantaran'ireo vehivavy telo mpitsara lalao:

Esta equipa de arbitragem será dirigido por Ema Paulo Novo, contando com Roda Mondlane (1º assistente) e Olinda Augusto (2º Assistente), enquanto que Mário Tembe será o quarto árbitro.

Ema Paulo Novo tem se destacado no futebol moçambicano, sendo que a árbitra internacional foi das poucas que esteve em actividade no ano passado tendo arbitrado jogos da Taça COSAFA em femininos, decorrida em Port Elizabeth na África do Sul.

Ny ekipam-pitsarana dia hotarihan'i Ema Paulo Novo, miaraka amin'i Roda Mondlane (mpanampy voalohany) sy Olinda Augusto (mpanampy faharoa), raha i Mário Tembe kosa no ho mpitsara fahaefatra.

Tsy zoviana amin'ny football mozambikana intsony i Ema Paulo Novo, ary ity mpitsara iraisampirenena ity no iray amin'ireo vitsy navitrika tamin'ny herintaona nitsara lalao nandritra ny amboara COSAFA vehivavy, notontosaina tao amin'ny Port Elizabeth tao Afrika Atsimo.

Tsy hisy mpijery ny fifanandrinana Moçambola mandra-pisian'ny filazana vaovao, natao izany hisorohana amin'ny fifindran'ny COVID-19. Hatramin'ny fotoana nanoratana, nahatratra 29.396 ny fitambaran'ny tranga voarakitra [6] ary 271 no matin'io aretina io tao Mozambika.

Misy ireo mpanohana sasany no mitaraina amin'ny toe-draharaha, toa an'i Maria Mufume, izay niteny [7] tamin'i DW Africa tao Maputo:

É triste para todo o mundo, porque não haverá adeptos e só estarão lá eles a jogarem, não terão pessoas para dar moral.

Mampalahelo izany ho an'ny rehetra, satria tsy hisy ny mpanohana fa izay milalao ihany, tsy hisy ny olona handrisika.

Saingy na ireo mpilalao ihany aza dia manaiky ny maha-zavadehibe ny fepetra ifehezana ny fielezan'ny viriosy, araka izay nolazain'i Augusto Panguane, filoha-lefitra ny ligin'ny football mozambikana avo lenta azy:

Naturalmente, deve existir em todos os campos a lavagem das mãos e tanques de água. Isto vai nos obrigar a criar condições para que o futebol não seja um problema sanitário.

Mazava loatra fa tsy maintsy apetraka amin'ny kianja rehetra ny fanasana tanana sy ny koveta fitoeran-drano. Izany no hanery antsika hanangana fepetra fa tsy olana ara-pahasalamana ny football.