Mihenjana ny tady eo amin'i Etiopia sy Sodàna, iadian'izy ireo ny faritr'i Al-Fashqa

Lehilahy iray miasa eny an-tsaha ao Al-Qadarif, Sodàna. Sehatra isian'ny ady efa nandritra ny taona maro io faritra iray ifandroritana ao amin'ny sisintany iraisan'i Etiôpia sy Sodàna io. Sary an'i Bibi Eng, nampiasàna lisansa CC BY-NC-SA 4.0.
Raha tsy asiana fanamarihana manokana, mankany amina pejy amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra.
Tsy mitsahatra mitombo ny fihenjanan'ny tady ao amin'ilay faritra sisintany iraisan'i Etiôpia sy Sodàna ao amin'ny faritra mamokatra any Al-Fashqa, taorian'ireo herinandro maro nisian'ny fifandonana nifanaovan'ny tafika sodaney sy ny tafika etiôpiàna tamin'ny Desambra.
Ny 14 Janoary, dimy raha kely indrindra ireo vehivavy maty nandritra ny andiam-panafihana farany tany amin'ny sisintany.
Nampangain'i Dina Mufti, mpitondra tenin'ny ministeran'ny raharaha ivelany ao Etiôpia , ny tafika sodaney ho tsy nanaja sy nandingana ny sisintany etiôpiàna, izay nadikany ho toy ny fikasàna hamaly faty ireo milisin-tsisintany etiôpiàna nanafika ireo sodaney mpamboly.
Ara-teknika dia ao anatin'ny faritanin'i Sodàna, any amin'ny fanjakan'i Al-Qadarif no misy ny faritr'i Al-Fashqa, saingy nipetraka efa an-taonany marobe tao ry zareo Etiôpiàna, ary efa fotoana naharitra ela no nisy ny fifandonana eo amin'ireo vondrona roa ireo.

Sarintany maneho an'i Etiôpia miloko maitso, ary Sodàna miloko volomboasary. Sary an'i PlanespotterA320 tao amin'ny Wikimedia Commons, nampiasàna lisansa CC0.
Hatramin'ny Novambra 2020, vao mainka nihamafy ny fihenjanana rehefa nisy Etiôpiàna 50.000 mpitsoaponenana nandositra nanatona ny sisintany manasaraka an'i Sodàna sy Etiôpia, rehefa nipoaka ny ady tao amin'ilay faritra farany avaratra indrindra ao Tigré, nifanaovan'ny governemanta federaly etiôpiàna sy ny Mandatehezana ho fanafahana ny vahoaka ao Tigré (TPLF), antoko pôlitika iray ao amin'ny faritra.
Omar Qamar al-Din, minisitra mpisolo toerana misahana ny raharaha ivelany ao Sodàna, niaro ny tafika sodaney, tamin'ny filazàna fa tao anatin'ny faritry ny sisintany tao Sodàna izy ireo no nihetsika. Nampiany hoe tsy mitady ny hisian'ny ady i Sodàna [ar] raha tsy hoe voahitsakitsaka ny sisintaniny.
Ny 15 Desambra, nilaza ho tratry ny velapandrika nataon'ireo milisy etiôpiàna ny tafika sodaney raha iny izy nanao sava hao ny faritra an-tendrombohitra tao Abu Tor iny. Fanafihana nahafatesana olona efatra raha kely indrindra ary naharatràna am-polony tamin'ireo miaramila sodaney.
Hamdok, praiminisitra sodaney, nibitsika ny ahiahiny momba io toedraharaha io, nilaza hoe :
بسم الله الرحمن الرحيم
بيان من مجلس الوزراء الانتقاليظل مجلس الوزراء يتابع بحرص واهتمام الأحداث في دولة إثيوبيا الشقيقة والتي بدأت منذ ما يقارب الأسابيع الستة.
واستقبلت بلادنا الآلاف من اللاجئين الفارين عبر الحدود الشرقية، وأفاض شعبنا من كرمه المعلوم رغم الظروف الاقتصادية…— Abdalla Hamdok (@SudanPMHamdok) December 16, 2020
bitsika voalohany : Lazain'ny fanambaràna iray nataon'ny ministera fa tohizan'ny Filankevitr'ireo Minisitra ny fanarahana maso akaiky sy am-pahalinana ireo zavatra rehetra mitranga ao amin'ilay firenena rahavavy, Etiôpia, izay efa ho herinandro enina teo ho eo no nanombohany. An'aliny maro ireo mpitsoaponenna noraisin'ny firenentsika rehefa nandositra avy any amin'ny sisintany atsinanana, ary tamin'ny fahalalahan-tànana efa ahafantarana ny vahoakantsika na eo aza ny zavamisy ara-toekarena sarotra sy voafetra iainantsika.
bitsika faharoa : Omaly, Talata alina, raha iny niverina avy any amin'ny faritra manodidina ny tendrombohitra Abu Tor ao anatin'ny sisintanintsika iny ny tafika, dia tratry ny velapandrika nataona miaramila sy milisy etiôpiàna vitsivitsy tao anatin'ny faritany sodaney, niteraka fahafatesana ary fanimban-javatra.
bitsika fahatelo : Ambaran'ny Filankevitr'ireo Minisitra ny fanohanany ny tafika izay manentsina ny banga ary miaro ny firenena, tamin'ny fanamafisany ny fitokisany amin'ny fahaizamanaon'ny tafitsika mba hiarovana ny sisintanintsika amin'izay rehetra mety ho herisetra.
Nandritra ny volana Desambra 2020, nitarin'ny tafika sodaney tany amin'ny faritra lehibe indrindra tao Al-Fashqa ny fanarahamaso ataony, ary taorian'ny nanandramany hitody any amin'ny toerana fanarahamaso farany, vitany ny naka ny fifehezana ny faritra manontolo nanomboka tamin'ny 1 Janoary teo.
Ny 13 Desambra, nisy delegasiôna ambony avy ao Sodàna nandeha nankany Etiôpia, ka tanjona ny hanao fifampidinihana mandritra ny andro roa, saingy taorian'ny ora vitsivitsy monja, niverina nankany Karthoum ilay delegasiôna, nahatonga fametrahana fanontaniana marobe.
Ny tantaran'i Al-Fashqa
Eo ambany fifehezana sodaney ilay faritra miteraka fifandroritana ao Al-Fashqa, araka ny fifanarahana iray nifanaovan'ny anglisy sy ny etiôpiàna vita sonia tamin'ny 1902, teo amin'ny Amperora etiôpiàna Menelik II sy Grande-Bretagne nisolo tena an'i Sodàna, fony Sodàna mbola zanatany britanika. Io fifanarahana io dia mamaritra ireo sisintany sodaney iraisany amin'i Etiôpia manaraka ireto fepetra ireto :
The frontier between the Sudan and Ethiopia agreed on between the two governments shall be: the line which is marked in red on the map annexed to this Treaty in duplicate, and traced from Kher Um Hagar to Gallabat, to the Blue Nile, Baro, Pibor, and Akobo River to Melile, thence to the intersection of the 6th degree of north latitude with the 35th-degree longitude east of Greenwich.
Ny fanapahankevitra niraisan'ny governemanta roa tonta momba ny sisintany iraisan'i Sodàna sy Etiôpia dia ho toy izao: ireo tsipika nolokoina mena eo amin'ny sarintany araikitra amin'ity Fifanarahana ity, atao dika mitovy, ary voasoritra manomboka ao Kher Um Hagar ao Gallabat, hatreo amin'ny Nil Bleu, Baro, Pibor sy ny renirano Akobo hatrany Melile, ary manomboka eo ka hatrany amin'ny fifanojoan'ny fehintany 6° ao avaratra sy ny zarahasina 35° ao atsinanan'i Greenwich.
Misy dika iray avy amin'ilay sarintany, natonta tamin'ny 1909 tany Londona, Angletera, azo jerena ety anaty tambajotra.
Hatramin'ny 1902, ireo tsatoka manondro mazava ny tsipika manasaraka ny roa tonta no nisoroka ireo ady sisintany, saingy noho ny fisian'ny fihotsahana natoraly, tsy misy hita intsony ireny tsatoka ireny.
Tamin'ny 1996, nobodoin'ireo Etiôpiàna nipetrahana ny tao Al-Fashqa ary, rehefa nifandimby ny taona, dia nanorina andiana mpamboly tao ry zareo.
Hatramin'izao andro izao, misy ireo milisy etiôpiàna mamono sivily sodaney mba hakàna ny vokatr'izy ireo rehefa tonga ny fotoana fijinjàna. Endrika manambara ny mety ho fisiana fampiasambola mahazo fanohanana avy amin'ny governemanta etiôpiàna ireo arabe mampitohy ireo andiana mpamboly sy ny ao anatin'i Etiôpia.
Ilay lefitry ny praiminisitra fahiny tao Etiôpia, Demeke Mekonnen, niaky fa Al-Fashqa dia faritra sodaney, fa izay mitranga eny an-kianja kosa dia mifanohitra amin'ireny fifanarahana ireny sy ny kabary aely amin'ny fampitambaovao.
Ady an-kafetsena tsy miseho vatana ve ?
Raha mbola mihamafy ny fifandiran'i Egipta sy Etiôpia momba ilay Tohodrano Goavan'ny Fahaterahan'i Etiopia Indray(le GERD), misy ny sasantsasany mandefa ny vinavina hoe mety hitodika amin'ny fanaovana ady tsy miseho vatana iarahany amin'i Egipta i Sodàna noho ny ady efa ifanaovany manokana amin'i Etiôpia.
Suleiman Dedefo, masoivohon'i Etiôpia ao amin'ny Emirà Arabo Mitambatra, nibitsika hoe:
The current Egyptian attempt of proxy war on Ethiopia through Sudanese invasion reminds us similar proxy war of 1974 by Saed Barre, of Somalia. Amazingly, TPLF has served as main agent for Egypt on both attempts of proxy wars.
— Suleiman Dedefo, Amb (@SuleimanDedefo) January 15, 2021
Ny fikasan'ny Egyptiàna hanao ady tsy mifanatri-tava amin'i Etiôpia amin'ny alàlan'ny fananiham-bohitr'i Sodàna dia mampahatsiahy antsika ny ady iray mitovitovy amin'io tamin'ny 1974 nataon'i Siad Barre, [filoha tamin'izany nitondra] an'i Sômalia. Mahazendana, ny TPFL no lasa mpisehatra fototra ho an'i Egipta nandritra ireo fikasàna ady roa tsy mivantana ireo.
Ny Zoma taorian'izay, 15 Janoary 2021, nandritra ny antsafa iray ho an'ny gazety, nilaza i Muhammad Al-Faki Suleiman, mpikambana ao anatin'ny Filankevitra momba ny Fiandrianana ao Sodàna :
- an'i Sodàna i Al-Fashqa ary takianay amin'ireo manampahefana etiôpiàna ny hisintahany amin'ireo toerana roa ao amin'ny sisintany.
- Tsy misy na iza na iza soloinay tena amin'ity ady ity ary lainga daholo izay rehetra nafafy.
- Tsy izahay no nandray fanapahankevitra hihantsy ady, fa zonay kosa ny manaparitaka ny tafikay hatrany amin'ny toerana farany indrindra fanarahamaso ny sisintany ao anatin'ny faritry ny firenena sodaney.
- Afaka hiatrika ady izahay, saingy vahaolana am-pilaminana no laharam-pahamehana ho anay.
- Ny fanapahankevitra hanaparitaka tafika tany atsinanana dia nahazoana ny faneken'ny Filankevi-Pilaminana sy Fiarovana.
Ny 16 Janoary, nanambara i Abdel Fattah al-Burhan, lehiben'ny Filankevitra momba ny fiandrianana sodaney fa neken'ny Filankevitra ny hanapariahana tafika sodaney ho fiantohana ny sisintany iraisampirenena ikambanany amin'i Etiôpia, tafiditra ao anatin'ilay hetsika ara-tafika an'ny praiminisitra Abiy Ahmed izay mikendry ny hanaisotra ny fiadiana any am-pelatanan'ireo mpikatroky ny TPLF, mandateheza ho fanafahana ny vahoakan'i Tigré. Nohamafisiny ihany koa fa tao anatin'ny faritra anatin'ny sisintanin'i Sodàna ihany no naparitaka ny miaramila sodaney.
Samy tsy misy mahazo tombony amin'ny ady ny firenena roa tonta. Manamafy i Sodàna fa ao anatin'ny faritaniny ihany izy no mihetsika, ary Etiôpia manamafy fa milisy no nanao ireo lazaina fa heloka bevava nampiharina tamin'ireo Sodaney mpamboly – fa tsy ny tafi-panjakana ara-dalàna.
Raha tsy maintsy ho vaky ny ady ato ho ato, mety hampiditra ilay faritra ho anatin'ny kizo izany, indrindra fa ny mety hisian'ny fifanandrifian'izany amina fifandirana iray hafa izay vao mipongatra eo amin'i Sômalia sy Kenya.
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...