Tantara tamin'ny Janoary, 2021
Nahomby ny ‘Diaben'ny Aurat’ nokarakarain'ny vehivavy tany Pakistan na dia teo aza ny fandrahonana
Tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, vehivavy, olona niova fananahana, ankizy ary lehilahy an'arivony maro no nandray anjara tamin'ny Diabe Aurat fanao isan-taona tany amin'ireo tanàndehibe Pakistaney samihafa mba hanasongadinana ny zava-tsarotra iainan'ny vehivavy.
Mpianatra voasambotra tany Balochistan noho ny fitakiana ny fahazoana miditra amin'ny aterineto
Nanaovana herisetra, novelesina kibay ary nosamborina tao Quetta, Balochistan ny mpianatra maromaro noho ny fihetsiketsehana manohitra ny tsy fisian'ny aterineto taorian'ny niovan'ny fampianaran'izy ireo ho ampitain-davitra vokatry ny fepetran'ny COVID-19.
Ny andraikitra tànan'i Khattab Hamad amin'ny famahàna ny olan'ny tsy fahampian'ny vaovao an-tambajotra mahakasika an'i Sodàna
"Tsy nahita votoaty ampy momba an'i Sodana izay nanome ahy ny aingampanahy hanampy an'i Mohamed hampita ireo olana atiny misy ao Sodana ho fantatr'izao tontolo izao."
Nakaton'ny mpandrindra ny Aterineto ao Malezia ny kaonty Twitter taorian'ny fiparitahan'ny sioka manafintohina
"It is shocking that they violated Twitter's terms by acquiring an account of a person that had no shame with their racism, misogyny, anti-baldness." "Manafintohina ny fanitsakitsahan'izy ireo ny fitsipika napetraky ny Twitter tamin'ny fahazoana kaontin'olona iray izay tsy menatra amin'ny fanavakavaham-bolonkoditra, ny fankahalana vehivavy, tsy tia sola loha."
2020, nakaton'i Arzantina tamin'ny latsabato manan-tantara naneken'ireo Loholona ny fanalànjaza.
"Nifoha aho ary dia Arzantina malalaka kokoa sy feminista no hitako. Tsy hisy intsony na iray aza hoterena indray hiteraka. Toerana azo antoka ho an'ny vehivavy rehetra i Arzantina."
Te hianatra hanozona toy ny Rosiana? Misy kaonty Instagram natokana ho an'izany.
Rosiana iray mpanao gazety sy Kanadiàna artista mpanao hatsikana sy sarimiaina no niara-niasa hamorona rakibolana an-tserasera amin'ny teny rosiana-anglisy, mankalaza ny haren'ny fitenenana ratsy Rosiana ao amin'ny Instagram.
Arzatina : Raikitra indray ny fitakiana hanaovana ny fanalànjaza ho ara-dalàna, miaraka amin'ny fanantenana vao
(Martsa 2020) Taorian'ireo fanantenana diso tamin'ny 2018 sy 2019, niverina indray ny tolona hanaovana ho ara-dalàna ny fanalàna zaza ao Arzantina, ary mifandamina ireo firaisankina erantany.
Fisamborana faobe ireo nandray anjara tamin'ny fifidianana savaranonando pro-demaokraty tao Hong Kong tamin'ny Jolay 2020
Nahazo ny didin'ny fitsarana hanolotra ny antonta-taratasy mifandraika amin'ny famotoran'ny polisy ireo seha-baovao maro pro-demaokraty
Miatrika ny vanim-potoanan'ny fizahantany tsy mahazatra ny torapasika fitsangatsanganana any Albania
Tamin'ny volana Mey 2020, nijery ny fiomanan'i Albania tamin'ny vanim-potoan'ny fizahantany tsy mahazatra ny Global Voices. Mifangaro ny zava-misy rehefa nanomboka izany.
Toeram-piofanana football anjotra manampy ny ankizy Indoneziana hanatsara ny fahaizany mandritra ny valan'aretina
Manantena izahay ny hanamora ny fahafahan'ny ankizy indoneziana rehetra hanohy hanabe voho ny hery miotrika ao anatiny ao anatin'ny vanim-potoana sarotra tahaka izao.